AL-ARBA'OUNA AN-NAWAWIYYAH

(Hadith maherin'ny efapolo)

An'i Imamo:

Abo Zakaria, Yahya Ibn Sharaf An-nawawi

Miampy ny fanampiana nataon'i:

Ibn Rajab Al-hambali

Fandikan-teny nataon'i:

MANAGNA ZAKARIA

Famerenana sy fanitsiana:

Sheikh: ABDALLAH Said Moussa

Sheikh: DJAMILDINE Samsoudine

FANOROAM-PEJY:


LOHATENY

PEJY

FAMPIDIRANA

4

Hadith 1

5

Hadith 2

7

Hadith 3

10

Hadith 4

11

Hadith 5

13

Hadith 6

14

Hadith 7

16

Hadith 8

17

Hadith 9

18

Hadith 10

19

Hadith 11

21

Hadith 12

22

Hadith 13

23

Hadith 14

24

Hadith 15

25

Hadith 16

26

Hadith 17

27

Hadith 18

28

Hadith 19

29

Hadith 20

31

Hadith 21

32

Hadith 22

33

Hadith 23

34

Hadith 24

35

Hadith 25

38

Hadith 26

40

Hadith 27

41

Hadith 28

42

Hadith 29

43

Hadith 30

45

Hadith 31

46

Hadith 32

47

Hadith 33

48

Hadith 34

49

Hadith 35

50

Hadith 36

51

Hadith 37

53

Hadith 38

54

Hadith 39

55

Hadith 40

56

Hadith 41

57

Hadith 42

58

Hadith 43

59

Hadith 44

60

Hadith 45

61

Hadith 46

62

Hadith 47

63

Hadith 48

64

Hadith 49

65

Hadith 50

66

 FAMPIDIRANA

Dera ho an'ny Tompo Allah, ilay Tompon'izao tontolo izao; ary tsodrano sy fiadanana anie ho amin'ny Mpaminanintsika Mohammad sy ireo fianakaviany ary ireo mpanaradia azy.

Noho ny fahasoavan'ny Tompo Allah dia tontosa soa aman-tsara ny fandikana amin'ny teny malagasy ity boky ity, izay mirakitra Hadith dimampolo, dia ireo Hadith roa amby efapolo nangonin'i Imamo An-nawawi, izay nahatonga azy ity fantatra amin'ny anarana hoe "Al-arba'ouna An-nawawiyyah" (Ireo efapolon'i An-nawawi), miampy ireo Hadith valo izay nampian'i Ibn Rajab Al-hambali, ho famenon'izany dimampolo. Ireo Hadith ireo, araka ny nambaran'ireo manam-pahaizana dia anisan'ireo Hadith fototra ato anatin'ny finoana Islamo, izay miresaka karazan-javatra samihafa, toy ny foto-pinoana sy ny fanompoana sy ny fitsipika fototra momba ny lalàna sy ny toetra sy ny fahaiza-miaina sns.

Koa ampirisihina ny rehetra mba hamaky izany sy hianatra ary haka lesona, ary ampirisihina manokana ireo mpampianatra sy Imamo mba hampianatra izany ny olona.

Ary miangavy an-tanan-droa izay manana soso-kevitra na fanamarihana na fanitsiana mba hifandray aminay tsy am-pisalasalana amin'ireo adiresy na laharana izay hita ao ambadik'ity boky ity.

Allah anie hamaly soa ireo manam-pahaizana izay nanangona ireto Hadith ireto, ary handray izao ezaka kely izao avy aty aminay.

Ny mpandika teny:

MANAGNA ZAKARIA

#

الحَديثُ الْأَوَّلُ:

عَنْ أَمِيرِ الْمُؤْمِنِينَ أَبِي حَفْصٍ -عُمَرَ بْنِ الْخَطَّابِ- رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ: «إِنَّمَا الْأَعْمَالُ بِالنِّيَّاتِ، وَإِنَّمَا لِكُلِّ امْرِئٍ مَا نَوَى، فَمَنْ كَانَتْ هِجْرَتُهُ إِلَى اللهِ وَرَسُولِهِ، فَهِجْرَتُهُ إِلَى اللهِ وَرَسُولِهِ، وَمَنْ كَانَتْ هِجْرَتُهُ لِدُنْيَا يُصِيبُهَا، أَوْ امْرَأَةٍ يَنْكِحُهَا، فَهِجْرَتُهُ إِلَى مَا هَاجَرَ إِلَيْهِ». رَوَاهُ إِمَامَا الْمُحَدِّثِينَ:أَبُو عَبْدِ اللهِ، مُحَمَّدُ بْنُ إِسْمَاعِيلَ بْنِ إِبْرَاهِيمَ بْنِ الْمُغِيرَةِ بْنِ بَرْدِزْبَهْ الْبُخَارِيُّ الْجُعْفِيُّ ]رقم:1[، وَأَبُو الْحُسَيْنِ، مُسْلِمُ بْنُ الْحَجَّاجِ بْنِ مُسْلِمٍ الْقُشَيْرِيُّ النَّيْسَابُورِيُّ ]رقم:1907[؛ فِي صَحِيحَيْهِمَا اللَّذَيْنِ هُمَا أَصَحُّ الْكُتُبِ الْمُصَنَّفَةِ.

 HADITH VOALOHANY:

Niteny Amirol-mo'minina([1]), Abo([2]) Hafs, Omar ibn([3]) Al-khattab t nanao hoe:"Naheno an'ilay Irak'i Allah ﷺ‬ aho nilaza hoe:"Tena marina fa ny asa dia miankina amin'ny fikasana([4]), ary ny tsirairay dia izay nokasainy ihany no ho azony. Ka izay olona nanao ny fifindra-moniny ho an'i Allah sy ny Irany, dia ho an'i Allah sy ny Irany tokoa izany fifindra-moniny izany (ka hahazoany valisoa amin'i Allah). Ary izay nifindra monina noho ny fiainana eto an-tany, misy zavatra tiany ho azo amin'izany, na koa noho ny vehivavy mila hovadiany, dia ho an'izany antony nanaovany azy izany ny fifindra-moniny (tsy misy valisoa ho azony amin'i Allah)".

Notaterin'ireo Imamo([5]) roa lehibe momba ny Hadith: Abo Abdillah, Mohammad ibn Ismail ibn Ibrahim ibn Al-moghirah ibn Bardizbah Al-bokhari Al-jo'fi [1]; sy Abo Al-hosain, Moslimo ibn Al-hajjaj ibn Moslimo, Al-qoshairi An-naisaabori [1907]; ao amin'ny bokin'izy roa, izay marina indrindra amin'ny boky nosoratan'olombelona (momba ny Hadith).

!!!

الحَدِيثُ الثَّانِي:

عَنْ عُمَرَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ أَيضاً قَالَ: بَيْنَمَا نَحْنُ جُلُوْسٌ عِنْدَ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ ذَاتَ يَوْمٍ، إِذْ طَلَعَ عَلَيْنَا رَجُلٌ، شَدِيْدُ بَيَاضِ الثِّيَاب، شَدِيْدُ سَوَادِ الشَّعْرِ، لاَ يُرَى عَلَيْهِ أَثَرُ السَّفَرِ، وَلاَ يَعْرِفُهُ مِنَّا أَحَدٌ، حَتَّى جَلَسَ إِلَى النبي صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَأَسْنَدَ رُكْبَتَيْهِ إِلَى رُكْبَتَيْهِ، وَوَضَعَ كَفَّيْهِ عَلَى فَخِذَيْهِ.

وَقَالَ: يَا مُحَمَّدُ! أَخْبِرْنِي عَنِ الإِسْلاَم؟ فَقَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «الإِسْلاَمُ أَنْ تَشْهَدَ أَلَّا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَأَنَّ مُحَمَّداً رَسُولُ اللهِ، وَتُقِيْمَ الصَّلاَةَ، وَتُؤْتِيَ الزَّكَاةَ، وَتَصُوْمَ رَمَضَانَ، وَتَحُجَّ البيْتَ إِنِ اِسْتَطَعتَ إِليْهِ سَبِيْلاً. قَالَ: صَدَقْتَ.فَعَجِبْنَا لَهُ يَسْأَلُهُ وَيُصَدِّقُهُ.

قَالَ: فَأَخْبِرْنِيْ عَنِ الإِيْمَانِ؟ قَالَ: أَنْ تُؤْمِنَ بِاللهِ، وَمَلائِكَتِه، وَكُتُبِهِ وَرُسُلِهِ، وَالْيَوْمِ الآَخِرِ، وَتُؤْمِنَ بِالقَدَرِ خَيْرِهِ وَشَرِّهِ. قَالَ: صَدَقْتَ.

 قَالَ: فَأَخْبِرْنِيْ عَنِ الإِحْسَانِ؟ قَالَ: أَنْ تَعْبُدَ اللهَ كَأَنَّكَ تَرَاهُ، فَإِنْ لَمْ تَكُنْ تَرَاهُ فَإِنَّهُ يَرَاكَ.

قَالَ: فَأَخْبِرْنِي عَنِ السَّاعَةِ؟ قَالَ: مَا الْمَسئُوُلُ عَنْهَا بِأَعْلَمَ مِنَ السَّائِلِ.

قَالَ: فَأَخْبِرْنِي عَنْ أَمَارَاتِها؟ قَالَ: أَنْ تَلِدَ الأَمَةُ رَبَّتَهَا، وَأَنْ تَرى الْحُفَاةَ العُرَاةَ العَالَةَ رِعَاءَ الشَّاءِ يَتَطَاوَلُوْنَ فِي البُنْيَانِ.

قَالَ: ثُمَّ انْطَلَقَ فَلَبِثَ مَلِيَّاً، ثُمَّ قَالَ لِي: يَا عُمَرُ أتَدْرِي مَنِ السَّائِلُ؟ قُلْتُ: اللهُ وَرَسُوله أَعْلَمُ، قَالَ: فَإِنَّهُ جِبْرِيْلُ أَتَاكُمْ يُعَلِّمُكُمْ دِيْنَكُمْ». رَوَاهُ مُسْلِمٌ ]رقم:8[.

 HADITH FAHAROA:

Mbola i Omar t ihany, niteny izy nanao hoe:"Raha teo am-pipetrapetrahana teo anilan'ilay Irak'i Allah ﷺ‬ izahay indray andro, dia nipoitra teo aminay lehilahy iray, izay fotsy lamba be no mainty volo tanteraka, tsy hita teny aminy ny endriky ny mpandeha, nefa tsy nisy nahafantatra azy na dia iray taminay aza. Ka nipetraka teo anoloan'i Mpaminany ﷺ‬ izy; ny lohaliny (lohalik'ilay lehilahy) nampiadiviny tamin'ny lohaliny (lohaliky ny Mpaminany ﷺ‬), ary ny tanany napetrany teo ambony feny (feny izy tompony)([6]); dia hoy izy nanao hoe: "Ry Mohammad! Ambarao ahy ny atao hoe Islamo?". Ka niteny ilay Irak'i Allah ﷺ‬ hoe: "Ny Islamo dia: ny fijoroanao vavolombelona fa tsy misy tompo mendrika hotompoina marina([7]) afa-tsy Allah ary i Mohammad dia Irak'i Allah, sy ny fanangananao ny Swalat (fanompoam-pivavahana) sy ny fanomezanao ny Zakat (ampahan-karena) sy ny fifehezanao Ramadany ary ny fanaovanao Hajj (fivahiniana masina) amin'ilay trano masina (Ka'abah) raha afaka manao izany ianao". Niteny izy hoe: "Marina ny voalazanao". Ka gaga taminy izahay; izy ihany no manontany azy ary mbola izy ihany koa no manamarina azy.

Niteny indray koa izy hoe:"Ambarao ahy ny atao hoe Imaan?". Dia nambarany ﷺ‬ (fa izany dia): "Ny finoanao an'i Allah sy ireo Anjeliny sy ireo Bokiny sy ireo Irany sy ny Andro farany ary ny finoanao ny lahatra, ny tsara sy ny ratsy amin'izany". Dia hoy izy indray hoe: "Marina ny voalazanao".

Ary niteny koa izy hoe: "Ambarao ahy ny atao hoe Ihsaan?". Dia nambarany ﷺ‬ (fa izany dia): "Ny fanompoanao an'i Allah tahaka ny hoe mahita Azy ianao, fa raha tsy vitanao izany dia ny (fanompoanao Azy amin'ny) fahatsapanao fa Izy mahita anao".

Ary niteny koa izy hoe: "Ambarao ahy (oviana) ilay Fotoana (ny Andro farany)?". Dia nilaza izy ﷺ‬ fa: "Ny anontaniana amin'izany dia tsy mahalala mihoatra ny mpanontany".

Ka niteny àry izy hoe: "Ambarao ahy àry inona ireo famantaran'izany?". Dia nambarany ﷺ‬ hoe (anisan'izany): "Ny fiterahan'ny andevovavy ny andriambaviny([8]), ary ny fahitanao ireo olona tsy mikapa (tsy mikiraro) no tsy misy fitafiana no sady mahantra sy mpiandry ondry hifaninana amin'ny (fanorenana) trano (tsara sy) mijoalajoala".

Hoy i Omar t hoe: Avy teo dia lasa izy. Ary nandalo fotoana maromaro, dia niteny tamiko izy (ny Mpaminany ﷺ‬) avy teo hoe: "Ry Omar! Fantatrao ve iza ilay mpanontany? Dia hoy aho hoe: Allah sy ny Irany no tena mahalala. Dia niteny izy ﷺ‬ hoe: "Iny dia i Jibril, tonga taminareo izy hampianatra anareo ny finoanareo".

Notaterin'i Moslimo [8].

!!!

الحَدِيثُ الثَّالِثُ:

عَنْ أَبِي عَبْدِ الرَّحْمَنِ، عَبْدِ اللهِ بْنِ عُمَرَ بْن الخَطَّابِ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُوْلُ: «بُنِيَ الإِسْلامُ عَلَى خَمْسٍ: شَهَادَةِ أَلَّا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَأَنَّ مُحَمَّداً رَسُولُ اللهِ، وَإِقَامِ الصَّلَاةِ، وَإِيتَاءِ الزَّكَاةِ، وَحَجِّ البَيْتِ، وَصَوْمِ رَمَضَانَ». رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ ]رقم:8[، وَمُسْلِمٌ ]رقم:16[.

 HADITH FAHATELO:

Niteny Abo Abdirrahman, Abdollah ibn Omar ibn Al-khattab k nanao hoe:"Naheno an'ilay Irak'i Allah ﷺ‬ aho nilaza hoe:"Miorina amin'ny fototra dimy ny finoana Islamo dia: ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah ary i Mohammad dia Irak'i Allah, ny fananganana ny Swalat, ny famoahana ny Zakat sy ny fanaovana Hajj amin'ilay trano masina ary ny fifehezana Ramadany".

Notaterin'i: Al-bokhari [8] sy Moslimo [16].

!!!

الحَدِيثُ الرَّابِعُ:

عَنْ أَبِي عَبْدِ الرَّحْمَنِ، عَبْدِ اللهِ بنِ مَسْعُودٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: حَدَّثَنَا رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ -وَهُوَ الصَّادِقُ المَصْدُوقُ-: «إِنَّ أَحَدَكُمْ يُجْمَعُ خَلْقُهُ فِي بَطْنِ أُمِّهِ أَرْبَعِينَ يَوْمَاً نُطْفَةً، ثُمَّ يَكُونُ عَلَقَةً مِثْلَ ذَلِكَ، ثُمَّ يَكُونُ مُضْغَةً مِثْلَ ذَلِكَ.

ثُمَّ يُرْسَلُ إِلَيْهِ المَلَكُ، فَيَنفُخُ فِيهِ الرُّوحَ، وَيُؤْمَرُ بِأَرْبَعِ كَلِمَاتٍ: بِكَتْبِ رِزْقِهِ، وَأَجَلِهِ، وَعَمَلِهِ، وَشَقِيٍّ أَوْ سَعِيدٍ.

فَوَ اللهِ الَّذِي لاَ إِلَهَ غَيْرُهُ! إِنَّ أَحَدَكُمْ لَيَعْمَلُ بِعَمَلِ أَهْلِ الجَنَّةِ، حَتَّى مَا يَكُونُ بَيْنَهُ وَبَيْنَهَا إِلَّا ذِرَاعٌ، فَيَسْبِقُ عَلَيْهِ الكِتَابُ، فَيَعْمَلُ بِعَمَلِ أَهْلِ النَّارِ فَيَدْخُلُهَا.

وَإِنَّ أَحَدَكُمْ لَيَعْمَلُ بِعَمَلِ أَهْلِ النَّارِ، حَتَّى مَا يَكُونُ بَيْنَهُ وَبَيْنَهَا إِلَّا ذِرَاعٌ، فَيَسْبِقُ عَلَيْهِ الكِتَابُ، فَيَعْمَلُ بِعَمَلِ أَهْلِ الجَنَّةِ فَيَدْخُلُهَا». رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ ]رقم:3208[، وَمُسْلِمٌ ]رقم:2643[.

 HADITH FAHEFATRA:

Niteny Abo Abdirrahman, Abdollah ibn Mas'oud t nanao hoe:"Nilaza taminay ilay Irak'i Allah ﷺ‬, ary izy ilay mpanambara ny marina sy nanambarana ny marina([9]), ka hoy izy hoe:"Tena marina fa ny tsirairay aminareo dia mandalo dingana maromaro ny fiforonany ao an-kibon-dreniny, efapolo andro izy dia ranon'aina, avy eo lasa vongan-drà mandritra ny fotoana mitovy amin'izany, avy eo lasa vainga-nofo mandritra ny fotoana mitovy amin'izany ihany koa.

Avy eo alefa aminy ny anjely ka mitsoka ny aina ao aminy, ary irahina hanoratra zavatra efatra: hanoratra ny anjaram-pivelomany, sy ny fe-potoana hiainany, sy ny asany, ary olon'ny fijaliana ve izy sa olon'ny fiadanana.

Ary izaho dia mifanta amin'i Allah, izay tsy misy tompo mendrika hotompoina marina ankoatra Azy, fa tena misy aminareo tokoa ny manao asa fanaon'ireo olon'ny Paradisa (araka ny miseho amin'olona sy ny fahitan'izy ireo azy), hany ka tsy misy afa-tsy hakiho([10]) sisa no mampisaraka azy amin'izany, dia iny fa mandresy azy ilay boky, ka manao asan'ireo olon'ny Afobe izy, dia miditra amin'izany.

Ary tena misy aminareo tokoa ny manao asa fanaon'ireo olon'ny Afobe (araka ny miseho amin'olona sy ny fahitan'izy ireo azy), hany ka tsy misy afa-tsy hakiho sisa no mampisaraka azy amin'izany, dia iny fa mandresy azy ilay boky, ka manao asan'ireo olon'ny Paradisa izy, dia miditra amin'izany".

Notaterin'i: Al-bokhari [3208] sy Moslimo [2643].

!!!

الحَدِيثُ الْخَامِسُ:

عَنْ أُمِّ المُؤمِنِينَ، أُمِّ عَبْدِ اللهِ عَائِشَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُا قَالَتْ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «مَنْ أَحْدَثَ فِي أَمْرِنَا هَذَا مَا لَيْسَ مِنْهُ؛ فَهُوَ رَدٌّ». رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ ]رقم:2697[، وَمُسْلِمٌ ]رقم:1718[.

وَفِي رِوَايَةٍ لِمُسْلِمٍ: «مَنْ عَمِلَ عَمَلاً لَيْسَ عَلَيْهِ أَمْرُنَا؛ فَهُوَ رَدٌّ».

 HADITH FAHADIMY:

Niteny Ommol-mo'minina([11]), Ommo([12]) Abdillah, 'Aishah i, fa ny Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Izay mamorona ato anatin'ity finoanay ity zavatra izay tsy nisy tao aminy akory dia averina (aminy) izany"

Notaterin'i: Al-bokhari [2697] sy Moslimo [1718].

Ary amin'ny tatitra hafa notaterin'i Moslimo:"Izay manao asa tsy mifanaraka amin'ny sori-dàlanay dia averina (aminy) izany".

!!!

الحَدِيثُ السَّادِس:

عَنْ أَبِي عَبْدِ اللهِ، النُّعْمَانِ بْنِ بِشِيْرٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ: «إِنَّ الحَلَالَ بَيِّنٌ، وَإِنَّ الحَرَامَ بَيِّنٌ، وَبَيْنَهُمَا أُمُورٌ مُشْتَبِهَاتٌ لاَ يَعْلَمُهُنَّ كَثِيرٌ مِنَ النَّاسِ، فَمَنِ اتَّقَى الشُّبُهَاتِ فَقَدِ اسْتَبْرأَ لِدِينِهِ وعِرْضِهِ، وَمَنْ وَقَعَ فِي الشُّبُهَاتِ وَقَعَ فِي الحَرَامِ؛ كَالرَّاعِي يَرْعَى حَوْلَ الحِمَى يُوشِكُ أَنْ يَقَعَ فِيهِ. أَلَا وَإِنَّ لِكُلِّ مَلِكٍ حِمىً. أَلا وَإِنَّ حِمَى اللهِ مَحَارِمُهُ، أَلَا وَإِنَّ فِي الجَسَدِ مُضْغَةً، إِذَا صَلَحَتْ صَلَحَ الجَسَدُ كُلُّهُ، وإذَا فَسَدَتْ فَسَدَ الجَسَدُ كُلُّهُ؛ أَلَا وَهِيَ القَلْبُ». رَوَاهُ البُخَارِيُّ ]رقم:52[، وَمُسْلِمٌ ]رقم:1599[.

 HADITH FAHENINA:

Niteny Abo Abdillah, An-no'man ibn Bashir k hoe:"Naheno an'ilay Irak'i Allah ﷺ‬ aho nilaza hoe:"Tena marina fa ny Halal (zavatra mety sy azo atao)([13]) dia mazava, ary ny Haram (zavatra fady sy voarara)([14]) dia mazava ihany koa; saingy eo anelanelan'izy roa ireo dia misy zavatra mampisalasala (manjavozavo)([15]), maro amin'olona no tsy mahafantatra (ny tena marina momba) azy ireo; ka izay mihataka ireo zavatra mampisalasala ireo dia efa niaro ny finoany sy ny haja amam-boninahiny([16]). Fa izay latsaka anatin'ireo zavatra mampisalasala kosa dia (ahiana) ho latsaka anatin'ny zavatra Haram. Izany dia toy ny mpiompy iray, izay miandry ireo biby fiompiny akaikin'ny fefy iray, ka ahiana hisy tafiditra amin'izany fefy izany (ireo biby ireo). Eny tokoa fa ny mpanjaka rehetra dia samy manana ny fefiny avokoa, ary ny fefin'i Allah (izay tokony hotandremana) dia ireo fadiny. Eny fa misy nofon-kena iray ao anatin'ny vatan'olona; raha tsara izany dia tsara avokoa ny vatana iray manontolo, ary raha ratsy izany dia ratsy avokoa ny vatana iray manontolo; dia tsy inona izany fa ny fo".

Notaterin'i: Al-bokhari [52] sy Moslimo [1599].

!!!

الحَدِيثُ السَّابِعُ:

عَنْ أَبِي رُقَيَّةَ، تَمِيْمِ بْنِ أَوْسٍ الدَّارِيِّ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «الدِّينُ النَّصِيحَةُ، قُلْنَا: لِمَنْ؟ قَالَ: لِلَّهِ، وَلِكِتَابِهِ، وَلِرَسُولِهِ، وَلأَئِمَّةِ المُسْلِمِينَ، وَعَامَّتِهِمْ». رَوَاهُ مُسْلِمٌ ]رقم:55[.

 HADITH FAHAFITO:

Niteny Abo Rokayyah, Tamiim ibn Aosy Ad-daari t, fa i Mpaminany ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Ny finoana dia fananarana amin'ny fo madio". Dia hoy izahay hoe:"Ho an'iza?". Dia niteny izy hoe:"Ho an'i Allah sy ny bokiny sy ny Irany sy ireo mpitarika an'ireo mpino Islamo ary ho an'izy rehetra amin'ny ankapobeny".

Notaterin'i Moslimo [55].

!!!

الحَدِيثُ الثَّامِنُ:

عَنِ ابْنِ عُمَرَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا أَنَّ رَسُوْلَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «أُمِرْتُ أَنْ أُقَاتِلَ النَّاسَ حَتَّى يَشْهَدُوا أَلَّا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَأَنَّ مُحَمَّداً رَسُولُ اللهِ، وَيُقِيمُوا الصَّلَاةَ، وَيُؤْتُوا الزَّكَاةَ، فَإِذَا فَعَلُوا ذَلِكَ عَصَمُوا مِنِّي دِمَاءَهَمْ وَأَمْوَالَهُمْ إِلَّا بِحَقِّ الإِسْلَامِ، وَحِسَابُهُمْ عَلَى اللهِ تَعَالَى». رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ ]رقم:25[، وَمُسْلِمٌ ]رقم:22[.

 HADITH FAHAVALO:

Niteny Ibn Omar k, fa ilay Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Nirahina hiady amin'ireo olona (tsy mpino) aho mandra-pijoroan'izy ireo vavolombelona fa tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah ary i Mohammad dia Irak'i Allah, ary koa hanangana ny Swalat sy hamoaka ny Zakat izy ireo. Ka rehefa manao izany izy ireo dia lasa fady amiko (voaro) ny ran'izy ireo sy ny fananany, afa-tsy amin'izay zavatra takian'ny finoana Islamo; fa ny fitsarana azy ireo kosa dia amin'i Allah".

Notaterin'i: Al-bokhari [25] sy Moslimo [22].

!!!

الحَدِيثُ التَّاسِعُ:

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ، عَبْدِ الرَّحْمَنِ بْنِ صَخْرٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صلى الله عليه وآله وسلم يَقُولُ: «مَا نَهَيْتُكُمْ عَنْهُ فَاجْتَنِبُوهُ، وَمَا أَمَرْتُكُمْ بِهِ فَأْتُوا مِنْهُ مَا اسْتَطَعْتُمْ، فَإِنَّمَا أَهْلَكَ الَّذِينَ مِنْ قَبْلِكُمْ كَثْرَةُ مَسَائِلِهِمْ، وَاخْتِلَافُهُمْ عَلَى أَنْبِيَائِهِمْ». رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ ]رقم:7288[ وَمُسْلِمٌ ]رقم:1337[.

 HADITH FAHASIVY:

Niteny Abo Horairah, Abdorrahman ibn Soakhr t nanao hoe:"Naheno an'ilay Irak'i Allah ﷺ‬ aho nilaza hoe:"Izay zavatra nandrarako anareo dia ihatahonareo, ary izay zavatra nanirahako anareo dia ataovinareo izay vitanareo amin'izany; satria ny naharingana ireo olona talohanareo dia ny hamaroan'ny fanontaniana sy ny fifandiran'izy ireo tamin'ireo mpaminanin'izy ireo".

Notaterin'i: Al-bokhari [7288] sy Moslimo [1337].

!!!

الحَدِيثُ الْعَاشِرُ:

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صلى الله عليه وآله وسلم: «إِنَّ اللهَ طَيِّبٌ لَا يَقْبَلُ إِلَّا طَيِّباً، وَإِنَّ اللهَ تَعَالَى أَمَرَ الْمُؤْمِنِينَ بِمَا أَمَرَ بِهِ الْمُرْسَلِينَ، فَقَالَ تَعَالَى ﭽ يَٰٓأَيُّهَا ٱلرُّسُلُ كُلُواْ مِنَ ٱلطَّيِّبَٰتِ وَٱعۡمَلُواْ صَٰلِحًاۖﭼ، وقال تعالى ﭽ يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ كُلُواْ مِن طَيِّبَٰتِ مَا رَزَقۡنَٰكُمۡﭼ.

ثُمَّ ذَكَرَ الرَّجُلَ يُطِيلُ السَّفَرَ أَشْعَثَ أَغْبَرَ، يَمُدُّ يَدَيْهِ إِلَى السَّمَاءِ: يَا رَبِّ! يَا رَبِّ!، وَمَطْعَمُهُ حَرَامٌ، وَمَلْبَسُهُ حَرَامٌ، وَغُذِيَ بِالْحَرَامِ، فَأَنَّى يُسْتَجَابُ لِذَلِكَ؟!». رَوَاهُ مُسْلِمٌ ]رقم:1015[.

 HADITH FAHAFOLO:

Niteny Abo Horairah t, fa ilay Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Tena marina fa Allah dia tsara ary Izy tsy mandray afa-tsy zavatra tsara. Ary Allah dia nandidy an'ireo mpino Islamo amin'izay zavatra nandidiany an'ireo Iraka; ka hoy Izy hoe:

يَٰٓأَيُّهَا ٱلرُّسُلُ كُلُواْ مِنَ ٱلطَّيِّبَٰتِ وَٱعۡمَلُواْ صَٰلِحًاۖ [المؤمنون: ٥١]

"Ô ianareo ry Iraka! Mihinàna amin’ireo zavatra tsara ianareo ary manaova asa soa" [23:51].

Ary niteny Izy hoe:

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ كُلُواْ مِن طَيِّبَٰتِ مَا رَزَقۡنَٰكُمۡ [البقرة: ١٧٢]

"Ô ianareo izay nino! Mihinàna ianareo amin’ireo zavatra tsara nomenay anareo"[2:172].

Avy eo izy ﷺ‬ nanome ohatra lehilahy iray izay manao dìa lavitra, mikorontam-bolo sy feno vovoka, mampiakatra ny tanany amin'ny lanitra izy, ka miantsoantso hoe:"Tompo ô, Tompo ô! Nefa ny sakafony Haram, ny fitafiny Haram, ary izy voky zavatra Haram; ka amin'ny fomba ahoana no hivalian'ny fangatahany?!".

Notaterin'i Moslimo [1015].

!!!

الحَدِيثُ الحَادِيَ عَشَرَ:

عَنْ أَبِي مُحَمَّدٍ الحَسَنِ بنِ عَلِيّ بنِ أبِي طالبٍ - سِبْطِ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ وَرَيْحَانَتِهِ - رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا قَالَ: حَفِظْتَ مِنْ رَسُوْلِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «دَعْ مَا يَرِيْبُكَ إِلَى مَا لاَ يَرِيْبُكَ». رَوَاهُ التِّرْمِذِيُّ ]رقم:2520[، وَالنَّسَائِيُّ ]رقم:5711[، وَقَالَ التِّرْمِذِيُّ: حَدِيثٌ حَسَنٌ صَحِيحٌ.

 HADITH FAHARAIKA AMBIN'NY FOLO:

Niteny Abo Mohammad, Al-hasan ibn 'Ali ibn Abi Twaalib, zafin'ilay Irak'i Allah ﷺ‬ sy solofon'ny ainy k, nanao hoe:"Anisany teny narovako avy tamin'ilay Irak'i Allah ﷺ‬ ny hoe:"Avelao izay manalasala anao eo anatrehan'izay tsy manalasala anao".

Notaterin'i At-tirmizii [2520] sy An-nasaa-i [5711].

!!!

الحَدِيثُ الثَّانِىَ عَشَرَ:

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُوْلُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «مِنْ حُسْنِ إِسْلامِ المَرْءِ تَرْكُهُ مَا لاَيَعْنِيْهِ». حَدِيثٌ حَسَنٌ، رَوَاهُ التِّرْمِذِيُّ ]رقم:2318[، ابْنُ مَاجَه ]رقم:3976[.

 HADITH FAHAROA AMBIN'NY FOLO:

Niteny Abo Horairah t, fa ilay Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Anisan'ny mariky ny hatsaram-pinoan'olona iray ny famelany izay raharaha tsy mikasika azy".

Notaterin'i At-tirmizii [2318], Ibn Maajah [3976].

!!!

الحَدِيثُ الثَّالِثَ عَشَرَ:

عَنْ أَبِي حَمْزَة أَنَسِ بنِ مَالِكٍ رَضِيَ اللهُ تَعَالَى عَنْهُ خَادِمِ رَسُوْلِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَن النبي صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «لاَ يُؤمِنُ أَحَدُكُمْ حَتَّى يُحِبَّ لأَخِيْهِ مَا يُحِبُّ لِنَفْسِهِ». رَوَاهُ البُخَارِيُّ ]رقم:13[، وَمُسْلِمٌ ]رقم:45[.

 HADITH FAHATELO AMBIN'NY FOLO:

Niteny Abo Hamzah, Anas ibn Maalik t, mpanampin'ny Irak'i Allah ﷺ‬, fa i Mpaminany ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Tsy ho feno ny finoan'olona iray aminareo, raha tsy efa mankatia ho an-drahalahiny izy, izay tiany ho an'ny tenany".

Notaterin'i Al-bokhari [13] sy Moslimo [45].

!!!

الحَدِيثُ الرَّابِعَ عَشَرَ:

عَنِ ابْنِ مَسْعُودٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ: «لَا يَحِلُّ دَمُ امْرِئٍ مُسْلِمٍ إِلاَّ بإِحْدَى ثَلاثٍ: الثَّيِّبُ الزَّانِيْ، وَالنَّفْسُ بِالنَّفْسِ، وَالتَّاركُ لِدِيْنِهِ المُفَارِقُ للجمَاعَةِ». رَوَاهُ البُخَارِيُّ ]رقم:6878[، وَمُسْلِمٌ ]رقم:1676[.

 HADITH FAHEFATRA AMBIN'NY FOLO:

Niteny ibn Mas'od t, fa ilay Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Fady ny mandatsaka ny ain'ny mpino Islamo [izay mijoro vavolombelona fa tsy misy tompo mendrika hotompoina marina afa-tsy Allah, ary izaho dia Irak'i Allah], raha tsy noho ny iray amin'ireto antony telo ireto: olona efa nanambady ka nijangajanga, na aina solon'ny aina (sazy ampiharina amin'izay nandatsaka ain'olona), na koa olona namela ny finoany ka niala amin'ny fiombonam-ben'ny vahoaka Islamo".

Notaterin'i Al-bokhari [6878] sy Moslimo [1676].

!!!

الحَدِيثُ الخَامِسَ عَشَرَ

عَن أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «مَنْ كَانَ يُؤمِنُ بِاللهِ وَاليَوْمِ الآخِرِ فَلْيَقُلْ خَيْرَاً أَو لِيَصْمُتْ، وَمَنْ كَانَ يُؤمِنُ بِاللهِ وَاليَومِ الآخِرِ فَلْيُكْرِمْ جَارَهُ، ومَنْ كَانَ يُؤمِنُ بِاللهِ واليَومِ الآخِرِ فَلْيُكْرِمْ ضَيْفَهُ». رَوَاهُ البُخَارِيُّ ]رقم:6018[، وَمُسْلِمٌ ]رقم:47[.

 HADITH FAHADIMY AMBIN'NY FOLO:

Niteny Abo Horairah t, fa ny Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Izay olona mino an'i Allah sy ny Andro farany dia aoka hiteny tsara, fa raha tsy izany dia aoka hangina; ary izay mino an'i Allah sy ny Andro farany dia aoka hanao tsara amin'ny mpifanolo-body rindrina aminy; ary izay mino an'i Allah sy ny Andro farany dia aoka hikarakara tsara ny vahininy".

Notaterin'i Al-bokhari [6018] sy Moslimo [47].

!!!

الحَدِيثُ السَّادِسَ عَشَرَ

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ أَنَّ رَجُلاً قَالَ لِلنَّبيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: أَوْصِنِيْ، قَالَ: «لَا تَغْضَبْ، فَرَدَّدَ مِرَاراً، قَالَ: لَا تَغْضَبْ». رَوَاهُ البُخَارِيُّ ]رقم:6116[.

 HADITH FAHENINA AMBIN'NY FOLO:

Niteny Abo Horairah t, fa nisy lehilahy iray niteny tamin'ny Mpaminany ﷺ‬ hoe:"Omeo fananarana aho". Dia hoy izy hoe:"Aza tezitra". Naverimberiny (ilay lehilahy) imbetsaka izany, dia nilaza hatrany izy (ny Mpaminany ﷺ‬) hoe:"Aza tezitra".

Notaterin'i Al-bokhari [6116].

!!!

الحَدِيثُ السَّابِعَ عَشَرَ

عَنْ أَبِي يَعْلَى شَدَّادِ بنِ أَوْسٍ رَضِيَ اللهُ تَعَالَى عَنْهُ عَنْ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «إِنَّ اللهَ كَتَبَ الإِحْسَانَ عَلَى كُلِّ شَيءٍ، فَإِذَا قَتَلْتُمْ فَأَحْسِنُوا القِتْلَةَ، وَإِذَا ذَبَحْتُمْ فَأَحْسِنُوا الذِّبْحَةَ، وَلْيُحِدَّ أَحَدُكُمْ شَفْرَتَهُ، وَلْيُرِحْ ذَبِيْحَتَهُ». رَوَاهُ مُسْلِمٌ ]رقم:1955[.

 HADITH FAHAFITO AMBIN'NY FOLO:

Niteny Abo Ya'laa, Shaddaad ibn Aos t, fa ny Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Tena marina fa Allah dia naniraka amin'ny fanaovana tsara ny zavatra rehetra; ka raha mamono (biby tsy fihinana sns) ianareo, dia ataovinareo tsara famono, ary raha manapa-tenda (biby fihinana) ianareo, dia ataovinareo tsara fanapaka; ka aoka ny tsirairay aminareo mba handranitra tsara ny lel'antsiny, ary hampiadana ny biby tapahiny".

Notaterin'i Moslimo [1955].

!!!

الحَدِيثُ الثَّامِنَ عَشَرَ

عَنْ أَبِي ذَرٍّ جُنْدُبِ بنِ جُنَادَةَ، وَأَبِي عَبْدِ الرَّحْمَنِ مُعَاذِ بِنِ جَبَلٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا عَنْ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «اتَّقِ اللهَ حَيْثُمَا كُنْتَ، وَأَتْبِعِ السَّيِّئَةَ الحَسَنَةَ تَمْحُهَا، وَخَالِقِ النَّاسَ بِخُلُقٍ حَسَنٍ». رَوَاهُ التِّرْمِذِيُّ ]رقم:1987[، وَقَالَ: حَدِيثٌ حَسَنٌ. وَفِي بَعْضِ النُّسَخِ: حَسَنٌ صَحِيحٌ.

 HADITH FAHAVALO AMBIN'NY FOLO:

Niteny Abo Zarr, Jondob ibn Jonaadah, sy Abo 'Abdirrahman, Mo'aaz ibn Jabal k, fa ny Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Matahora an'i Allah n'aiza n'aiza misy anao, ary ampanaraho asa tsara ny asa ratsy mba hamafa izany, ary miaraha miaina amin'olona amin'ny toetra mendrika".

Notaterin'i At-tirmizii [1987]. Ary hoy izy: Izany dia Hadith Hassan, ary amin'ny dikasoratra sasantsasany dia toy izao: Izany dia Hadith Hassan Swahih.

!!!

الحَدِيثُ التَّاسِعَ عَشَرَ

عَنْ أَبِي عَبَّاسٍ عَبْدِ اللهِ بنِ عَبَّاسٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُما قَالَ: كُنْتُ خَلْفَ النبي صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَومَاً فَقَالَ: «يَا غُلاَمُ إِنّي أُعَلِّمُكَ كَلِمَاتٍ: احْفَظِ اللهَ يَحفَظك، احْفَظِ اللهَ تَجِدهُ تُجَاهَكَ، إِذَاَ سَأَلْتَ فَاسْأَلِ اللهَ، وَإِذَاَ اسْتَعَنتَ فَاسْتَعِن بِاللهِ، وَاعْلَم أَنَّ الأُمّة لو اجْتَمَعَتْ عَلَى أنْ يَنْفَعُوكَ بِشَيْءٍ لَمْ يَنْفَعُوكَ إِلَّا بِشَيْءٍ قَدْ كَتَبَهُ اللهُ لَكَ، وَإِنِ اجْتَمَعُوا عَلَى أَنْ يَضُرُّوكَ بِشَيْءٍ لَمْ يَضُرُّوكَ إلَّا بِشَيْءٍ قَدْ كَتَبَهُ اللهُ عَلَيْكَ، رُفعَتِ الْأَقْلَامُ، وَجَفّتِ الصُّحُفُ». رَوَاهُ التِّرْمِذِيُّ ]رقم:2516[، وَقَالَ: حَدِيثٌ حَسَنٌ صَحِيحٌ.

وَفِي رِوَايَةِ غَيْرِ التِّرْمِذِيِّ: «اِحْفَظِ اللهَ تَجٍدْهُ أَمَامَكَ، تَعَرَّفْ إلَى اللهِ فِي الرَّخَاءِ يَعْرِفْكَ فِي الشّدَّةِ، وَاعْلَمْ أَنَّ مَا أَخْطَأَكَ لَمْ يَكُنْ لِيُصِيبَكَ، وَمَا أَصَابَكَ لَمْ يَكُنْ لِيُخْطِئَكَ، وَاعْلَمْ أَنَّ النَّصْرَ مَعَ الصَّبْرِ، وَأَنَّ الفَرَجَ مَعَ الكَرْبِ، وَأَنَّ مَعَ العُسْرِ يُسْراً».

 HADITH FAHASIVY AMBIN'NY FOLO:

Hoy Abol-'abbaas, 'Abdollah ibn 'Abbaas k nanao hoe:"(Nitaingina na nandeha) tao aorian'ny Mpaminany ﷺ‬ aho indray andro, ka niteny izy hoe:"O rankizy! Ireto misy teny maromaro hampianariko anao: Arovy ireo didin'i Allah dia hiaro anao Izy; arovy ireo didin'i Allah dia ho tojonao manatrika anao Izy; raha hangataka zavatra ianao dia mangataha amin'i Allah; raha hangata-pitahiana ianao dia mangataha fitahiana amin'i Allah; ary fantaro fa na dia hitambatra aza ny vahoaka rehetra mba hanasoa anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanasoa anao izy ireo afa-tsy amin'ny zavatra efa nosoratan'i Allah ho azonao; ary raha hitambatra izy ireo mba hanisy ratsy anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanisy ratsy anao izy ireo afa-tsy amin'ny zavatra efa nosoratan'i Allah hanjò anao; efa nampiakarina ny penina, ary efa maina ny takelaka".

Notaterin'i At-tirmizii. Ary hoy izy: Hadith Hassan Swahih.

Ary amin'ny tatitra hafa ankoatra ny an'i At-tirmizii:"Arovy ireo didin'i Allah dia ho tojonao manoloana anao Izy; manaova fantatr'i Allah ianao amin'ny fotoan'ny fiadanana dia ho fantany ianao amin'ny fotoan'ny fahasahiranana. Ary fantaro fa izay voalahatra tsy ho voa anao dia tsy ho voa anao mihitsy, ary izay voalahatra ho voa anao dia tsy handiso anao mihitsy; fantaro fa ny fandresena dia azo am-piaretana, ary ny vahaolana dia manaraka ny olana, ary misy fahamorana hatrany miaraka amin'ny fahasarotana".

!!!

الحَدِيثُ العِشْرُونَ

عَنْ أَبي مَسْعُوْدٍ، عُقْبَةَ بْنِ عَمْرٍو الأَنْصَارِيِّ البَدْرِيِّ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُوْلُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «إِنَّ مِمَّا أَدْرَكَ النَاسُ مِنْ كَلَامِ النُّبُوَّةِ الأُولَى: إِذَا لَمْ تَسْتَحْيِ فَاصْنَعْ مَا شِئْتَ». رَوَاهُ البُخَارِيُّ ]رقم:3483[.

 HADITH FAHAROAPOLO:

Niteny Abo Mas'od, 'Okbato ibn 'Amr Al-answaarii Al-badrii t, fa ny Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Anisany amin'ny tenin'ireo Mpaminany tany aloha, izay mbola voatazon'olona (ankehitriny) ny hoe:"Raha tsy (mahalala) menatra ianao dia ataovy izay tianao atao".

Notaterin'i Al-bokhari [3483].

!!!

الحَدِيثُ الحَادِي وَالعِشْرُونَ

عَنْ أَبِي عَمْرٍو - وَقِيلَ: أَبي عَمْرَةَ - ، سُفْيَانَ بْنِ عَبْدِ اللهِ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: قُلْتُ: يَا رَسُولَ اللهِ! قُلْ لِي فِي الإِسْلَامِ قَوْلاً لَا أَسْأَلُ عَنْهُ أَحَدَاً غَيْرَكَ، قَالَ: «قُلْ آمَنْتُ بِاللهِ، ثُمَّ اسْتَقِمْ». رَوَاهُ مُسْلِمٌ ]رقم:38[.

 HADITH FAHARAIKA AMBY ROAPOLO:

Hoy Abo 'Amr, voalaza koa hoe Abo 'Amrah, Sofyaan ibn 'Abdillah t hoe:"Izaho dia niteny hoe:"Ry Irak'i Allah! Ilazao teny iray (feno sy mazava) aho, amin'ny finoana Islamo, izay tsy ilaiko anontaniana olon-kafa ankoatra anao intsony. Dia niteny izy hoe:"Teneno: Mino an'i Allah aho; dia avy eo mijoroa mahitsy".

Notaterin'i Moslimo [38].

!!!

الحَدِيثُ الثَّانِى وَالعِشْرُونَ

عَنْ أَبي عَبْدِ اللهِ جَابِرِ بْنِ عَبْدِ اللهِ الأَنْصَارِيِّ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ أَنَّ رَجُلاً سَأَلَ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَقَالَ: أَرَأَيْتَ إِذَا صَلَّيْتُ المَكْتُوبَاتِ، وَصُمْتُ رَمَضَانَ، وَأَحْلَلْتُ الحَلَالَ، وَحَرَّمْتُ الحَرَامَ، وَلَمْ أَزِدْ عَلَى ذَلِكَ شَيْئاً؛ أَأَدخُلُ الجَنَّة؟ قَالَ: «نَعَمْ». رَوَاهُ مُسْلِمٌ ]رقم:15[.

 HADITH FAHAROA AMBY ROAPOLO:

Hoy Abo 'Abdillah, Jaabir ibn 'Abdillah Al-answaarii k hoe:"Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Irak'i Allah ﷺ‬ hoe:"Hitanao ve, raha manao ireo Swalat voadidy aho, mifehy Ramadany, manao izay mety, mifady izay tsy mety, ka tsy manampy zavatra hafa ambonin'izany intsony, moa ve miditra amin'ny Paradisa aho? Hoy izy hoe:"Eny!".

Notaterin'i Moslimo [15].

!!!

الحَدِيثُ الثَّالِثُ وَالعِشْرٌونَ

عَنْ أَبِي مَالِكٍ، الحَارِثِ بْنِ عَاصِمٍ الأَشْعَرِيِّ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «الطُّهُورُ شَطْرُ الإِيْمَانِ، وَالحَمْدُ لِلَّهِ تَمْلأُ المِيزَانَ، وَسُبْحَانَ اللهِ وَالحَمْدُ لِلَّهِ تَمْلآنِ - أَوْ تَمْلَأُ - مَا بَيْنَ السَّمَاءِ وَالأَرْضِ، وَالصَّلاةُ نُورٌ، وَالصَّدَقَةُ بُرْهَانٌ، وَالصَّبْرُ ضِيَاءٌ، وَالقُرْآنُ حُجَّةٌ لَكَ أَوْ عَلَيْكَ، كُلُّ النَّاسِ يَغْدُو، فَبَائِعٌ نَفْسَهُ، فَمُعْتِقُهَا، أَوْ مُوبِقُهَا». رَوَاهُ مُسْلِمٌ ]رقم:223[.

 HADITH FAHATELO AMBY ROAPOLO:

Niteny Abo Maalik, Al-haarith ibn Al-ash'arii t, fa ny Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Ny fidiovana dia antsasaky ny finoana; ny fitenenana hoe:"الحَمْدُ لِلَّهِ" "Alhamdolillah" (Dera ho an'i Allah), dia mameno ny mizana; ny fitenenana hoe:"سُبْحَانَ اللهِ وَالحَمْدُ لِلَّهِ" "Sobhaanal-llaahi wal-hamdo lillaahi" (Manadio an'i Allah amin'izay tsy mendrika Azy aho ary dera ho an'i Allah), dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany; ny Swalat (fanompoam-pivavahana) dia hazavana; ny Swadakah (famoahana amin'ny ampahan-karena mba hitadiavana ny hafalian'ny Tompo Allah) dia porofo (amin'ny fahamarinan'ny finoana); ny fiaretana dia fanilo, ary ny Kor'any dia porofo miaro anao na manohitra anao. Ny olona rehetra dia samy mivoaka avokoa amin'ny maraina, ary mivarotra ny tenany (amin'ny alalan'ny fampiasana azy mba hahazoana ny takalo izay ilaina), ka na manavotra azy izy amin'izany, na koa mandentika azy". Notaterin'i Moslimo [223].

!!!

الحَدِيثُ الرَّابِعُ وَالعِشْرُونَ

عَنْ أَبي ذَرٍّ الغِفَارِيِّ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فِيمَا يَرْوِيهِ عَنْ رَبِّهِ عَزَّ وَجَلَّ أَنَّهُ قَالَ: «يَا عِبَادِي! إِنِّي حَرَّمْتُ الظُّلْمَ عَلَى نَفْسِي، وَجَعَلْتُهُ بَيْنَكُمْ مُحَرَّمَاً فَلَا تَظَالَمُوا.

يَا عِبَادِي! كُلُّكُمْ ضَالٌّ إِلَّا مَنْ هَدَيْتُهُ، فَاسْتَهْدُونِي أَهْدِكُمْ.

يَاعِبَادِي! كُلُّكُمْ جَائِعٌ إِلَّا مَنْ أَطْعَمْتُهُ، فَاَسْتَطْعِمُونِي أُطْعِمْكُمْ.

يَا عِبَادِي! كُلُّكُمْ عَارٍ إِلَّا مَنْ كَسَوْتُهُ، فَاسْتَكْسُونِي أَكْسُكُمْ.

يَا عِبَادِي! إِنَّكُمْ تُخْطِئُونَ بِاللَّيْلِ وَالنَّهَارِ، وَأَنَا أَغْفِرُ الذُّنُوبَ جَمِيعَاً، فَاسْتَغْفِرُونِي أَغْفِرْ لَكُمْ.

يَا عِبَادِي! إِنَّكُمْ لَنْ تَبْلُغُوا ضَرِّي فَتَضُرُّونِي، وَلَنْ تَبْلُغُوا نَفْعِي فَتَنْفَعُونِي.

يَا عِبَادِي! لَوْ أَنَّ أَوَّلَكُمْ وَآخِرَكُمْ، وَإِنْسَكُمْ وَجِنَّكُمْ، كَانُوا عَلَى أَتْقَى قَلْبِ رَجُلٍ وَاحِدٍ مِنْكُمْ، مَا زَادَ ذَلِكَ فِي مُلْكِي شَيْئاً.

يَا عِبَادِي! لَوْ أَنَّ أَوَّلَكُمْ وَآخِرَكُمْ، وَإِنْسَكُمْ وَجِنَّكُمْ، كَانُوا عَلَى أَفْجَرِ قَلْبِ رَجُلٍ وَاحِدٍ مِنْكُمْ، مَا نَقَصَ ذَلِكَ مِنْ مُلْكِي شَيْئاً.

يَا عِبَادِي! لَوْ أنَّ أَوَّلَكُمْ وَآخِرَكُمْ، وَإنْسَكُمْ وَجِنَّكُمْ، قَامُوا فِي صَعِيدٍ وَاحِدٍ، فَسَأَلُونِي، فَأَعْطَيْتُ كُلَّ وَاحِدٍ مَسْأَلَتَهُ، مَا نَقَصَ ذَلِكَ مِمَّا عِنْدِي إِلَّا كَمَا يَنْقُصُ المِخْيَطُ إِذَا أُدْخِلَ البَحْرَ.

يَا عِبَادِي! إِنَّمَا هِيَ أَعْمَالُكُمْ أُحْصِيهَا لَكُمْ، ثُمَّ أُوَفِّيكُمْ إِيَّاهَا، فَمَنْ وَجَدَ خَيْراً، فَلْيَحْمَدِ اللهَ، وَمَنْ وَجَدَ غَيْرَ ذَلِكَ فَلَا يَلُومَنَّ إِلَّا نَفْسَهُ». رَوَاهُ مُسْلِمٌ ]رقم:2577[.

 HADITH FAHEFATRA AMBY ROAPOLO:

Hoy Abo Zarr Al-ghifaarii t hoe:"Nilaza ny Mpaminany ﷺ‬, mitatitra ny resaky ny Tompony ﷻ‬, izay niteny hoe:"Ry mpanompoko! Nataoko fady ahy ny manao ny tsy rariny, ary nataoko fady aminareo samy anareo izany, ka aoka tsy hifanao ny tsy rariny ianareo.

Ry mpanompoko! Very avokoa ianareo afa-tsy izay nahitsiko, ka angatahonareo amiko ny fahitsiana dia hanitsy anareo aho.

Ry mpanompoko! Mosarena avokoa ianareo afa-tsy izay nampihinaniko, ka mangataha sakafo amiko dia hampihinana anareo aho.

Ry mpanompoko! Tsy manana fitafy avokoa ianareo afa-tsy izay nampitafiako, ka mangataha fitafiana amiko ianareo dia hampitafy anareo aho.

Ry mpanompoko! Manao hadisoana andro aman'alina ianareo, ary Izaho dia mamela ny fahotana rehetra, ka mangataha famelan-keloka amiko ianareo dia hamela anareo Aho.

Ry mpanompoko! Ianareo dia tsy hahavita hanisy ratsy Ahy mandrakizay ka hanimba Ahy, ary tsy hahavita hanisy tsara Ahy mandrakizay ka hanasoa Ahy.

Ry mpanompoko! Raha toa ka ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, olombelona sy Jinn, samy nanana fo feno fahatahorana (an'i Allah) mitovy amin'ny fon'olona izay tena manam-pahatahorana indrindra eo aminareo, dia tsy mampitombo na inona na inona amin'ny fanjakako izany.

Ry mpanompoko! Raha toa ka ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, olombelona sy Jinn, samy nanana fo ratsy mitovy amin'ny fon'olona ratsy indrindra eo aminareo, dia tsy mampihena na inona na inona amin'ny fanjakako izany.

Ry mpanompoko! Raha toa ka ianareo rehetra, hatrany amboalohany ka hatramin'ny farany, olombelona sy Jinn, niara-nijoro amin'ny toerana iray, ary nangataka amiko, ka samy nomeko an'izay nangatahiny avy ny tsirairay, dia tsy mampihena ny aty amiko izany, toy ny fanjaitra izay tsy mampihena ny ranomasina raha avarina ao aminy (dia avy eo avoaka).

Ry mpanompoko! Tena marina fa asanareo ihany io, angoniko ho anareo, avy eo omeko anareo feno ny valiny, ka izay nahazo vokatra tsara dia aoka hidera (sy hankasitraka) an'i Allah, fa izay nahazo ankoatra izany kosa dia aoka tsy hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany".

Notaterin'i Moslimo [2577].

!!!

الحَدِيثُ الخَامِسُ وَالعِشْرُونَ

عَنْ أَبي ذَرٍّ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ أَيْضاً، أَنَّ أُنَاساً مِنْ أَصْحَابِ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالُوا للنَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: يَا رَسُولَ الله! ذَهَبَ أَهْلُ الدُّثُورِ بِالأُجُورِ، يُصَلُّونَ كَمَا نُصَلِّي، وَيَصُومُونَ كَمَا نَصُومُ، وَيَتَصَدَّقُونَ بِفُضُولِ أَمْوَالِهِمْ، قَالَ: «أَوَلَيْسَ قَدْ جَعَلَ اللهُ لَكُمْ مَا تَصَّدَّقُونَ؟! إِنَّ بِكُلِّ تَسْبِيحَةٍ صَدَقَةً، وَكُلِّ تَكْبِيرَةٍ صَدَقَةً، وَكُلِّ تَحْمَيدَةٍ صَدَقَةً، وَكُلِّ تَهْلِيلَةٍ صَدَقَةً، وَأَمْرٌ بِالمَعْرُوفِ صَدَقَةٌ، وَنَهْيٌ عَنْ مُنْكَرٍ صَدَقَةٌ، وَفِي بُضْعِ أَحَدِكُمْ صَدَقَةٌ، قَالُوا: يَا رَسُولَ اللهِ! أَيَأْتِي أَحَدُنَا شَهْوَتَهُ، وَيَكُونُ لَهُ فِيهَا أَجْرٌ؟! قَالَ: أَرَأَيْتُمْ لَوْ وَضَعَهَا فَي حَرَامٍ أَكَانَ عَلَيْهِ وِزْرٌ؟! فَكَذَلِكَ إِذَا وَضَعَهَا فِي الحَلَالِ، كَانَ لَهُ أَجْرٌ». رَوَاهُ مُسْلِمٌ ]رقم:1006[.

 HADITH FAHADIMY AMBY ROAPOLO:

Mbola i Abo Zarr t ihany, niteny izy hoe:"Nisy andian'olona tamin'ireo mpanaradian'ny Irak'i Allah ﷺ‬ no niteny tamin'ny Mpaminany ﷺ‬ nanao hoe:"Ry Irak'i Allah! Lasan'ireo mpanan-karena daholo ny valisoa; satria manao Swalat tahaka anay manao Swalat izy ireo, ary mifehy ohatra anay mifehy, saingy mbola mamoaka Swadakah amin'ny ambin-karenany koa izy ireo".

Dia hoy izy hoe:"Tsy efa nomen'i Allah zavatra ahafahanareo mamoaka Swadakah koa va ianareo? Ny Tasbiih (fitenenana Sobhaanallaah) dia Swadakah avokoa, ny Takbiir (fitenenana Allaaho akbaro) dia Swadakah avokoa, ny Tahmiid (fitenenana Alhamdolillaah) dia Swadakah avokoa, ny Tahliil (fitenenana Laa ilaaha illal-llaaho) dia Swadakah avokoa, ary fanirahana amin'ny tsara dia Swadakah, fandrarana amin'ny ratsy dia Swadakah, ary ny firaisana ara-nofo amin'ny vady dia Swadakah". Dia hoy izy ireo hoe:"Raha manatanteraka ny filam-batany (miaraka amin'ny vadiny) ve ny anankiray aminay dia ahazoany valisoa izany? Dia hoy izy hoe:"Hitanareo! Raha nataony amin'ny làlana fady izany, tsy mahazo fahotana ve izy? Toraka izany ihany koa, raha ataony amin'ny làlana mety, dia ahazoany valisoa".

Notaterin'i Moslimo [1006].

!!!

الحَدِيثُ السَّادِسُ وَالعِشْرُونَ

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «كُلُّ سُلَامَى مِنَ النَّاسِ عَلَيْهِ صَدَقَةٌ، كُلَّ يَوْمٍ تَطْلُعُ فِيهِ الشَّمْسُ: تَعْدِلُ بَيْنَ اثْنَيْنِ صَدَقَةٌ، وَتُعِينُ الرَّجُلَ فِي دَابَّتِهِ، فَتَحْمِلُهُ عَلَيْهَا، أَوْ تَرْفَعُ لَهُ عَلَيْهَا مَتَاعَهُ صَدَقَةٌ، وَالكَلِمَةُ الطَّيِّبَةُ صَدَقَةٌ، وَبِكُلِّ خُطْوَةٍ تَمْشِيهَا إِلَى الصَّلَاةِ صَدَقَةٌ، وَتُمِيطُ الأَذَى عَنِ الطَّرِيقِ صَدَقَةٌ». رَوَاهُ البُخَارِيُّ ]رقم:2989[، وَمُسْلِمٌ ]رقم:1009[.

 HADITH FAHENINA AMBY ROAPOLO:

Niteny Abo Horairah t, fa ilay Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Tokony hamoahana Swadakah avokoa ireo tonontaolana rehetra amin'olombelona, isan'andro vaky iposahan'ny masoandro; ary ny fampihavanana araky ny marina eo amin'olon-droa dia efa Swadakah; ny fanampiana olona amin'ny biby fitainginy dia Swadakah, na amin'ny fanampiana azy hiakatra ambonin'izany, na koa amin'ny fibatana ireo entany ho eo ambonin'izany; ny teny tsara dia Swadakah; isaky ny famindra atao rehefa mandeha mamonjy Swalat (any amin'ny Masjid) dia Swadakah; ny fanalana an'izay manelingelina eny an-dàlana dia Swadakah".

Notaterin'i Al-bokhari [2989] sy Moslimo [1009].

!!!

الحَدِيثُ السَّابِعُ وَالعِشْرُونَ

عَنِ النَّوَّاسِ بْنِ سِمْعَانَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُما، عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «البِرُّ حُسْنُ الخُلُقِ، وَالإِثْمُ مَا حَاكَ فِي نَفْسِكَ وَكَرِهْتَ أَنْ يَطَّلِعَ عَلَيْهِ النَّاسُ». رَوَاهُ مُسْلِمٌ ]رقم:2553[.

وَعَنْ وَابِصَةَ بْنِ مَعْبَدٍ رضى الله عنه، قَالَ: أَتَيْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: «جِئْتَ تَسْأَلُ عَنِ البِرِّ وَالإِثْمِ؟ قُلْتُ: نَعَمْ؛ قَالَ: اسْتَفْتِ قَلْبَكَ، البِرُّ مَا اطْمَأَنَّتْ إِلَيْهِ النَّفْسُ وَاطْمَأَنَّ إِلَيْهِ الْقَلْبُ، وَالإِثْمُ مَا حَاكَ فِي النَّفْسِ وَتَرَدَّدَ فِي الصَّدْرِ؛ وَإِنْ أَفْتَاكَ النَّاسُ وَأَفْتَوْكَ». حَدِيثٌ حَسَنٌ، رُوِّينَاهُ فِي مُسْنَدَيْ الإِمَامَيْنِ أَحْمَدَ بْنِ حَنْبَلٍ ]227/4[، وَالدَّارِمِيِّ ]246/2[، بِإِسْنَادٍ حَسَنٍ.

 HADITH FAHAFITO AMBY ROAPOLO:

Niteny An-nawwaas ibn Sim'aan t, fa i Mpaminany ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Ny hatsarana dia ny fananana toetra mendrika, ary ny fahotana dia izay mampijaly eritreritra anao ary tsy tianao hitan'olona".

Notaterin'i Moslimo.

Ary hoy Waabiswat ibn Ma'bad t hoe:"Tonga teo amin'ny Irak'i Allah ﷺ‬ aho, dia hoy izy:"Tonga hanontany momba ny hatsarana sy ny fahotana va ianao?". Dia niteny aho hoe:"Eny". Dia nilaza izy:"Anontanio ny fonao; (satria) ny hatsarana dia izay mampiadana ny eritreritra sy mampilamina ny fo; ary ny fahotana dia izay mampijaly ny eritreritra sy mampiahiahy ny fo; na dia mifanohitra amin'izany aza no averimberin'olona ambara anao".

Hadith Hassan, izay voatatitra ao amin'ireo Mosnad roa, an'ireo Imamo roa lehibe, Ahmad ibn Hanbal [4/227] sy Ad-daarimi [2/246], amin'ny Isnaad Hassan.

الحَدِيثُ الثَّامِنُ وَالعِشْرُونَ

عَنْ أَبِي نَجِيحٍ، العِرْبَاضِ بْنِ سَاريَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: وَعَظَنَا رَسُولُ اللهِ مَوْعِظَةً وَجِلَتْ مِنْهَا القُلُوبُ، وَذَرَفَتْ مِنْهَا العُيُونُ، فَقُلْنَا: يَا رَسُولَ اللهِ! كَأَنَّهَا مَوْعِظَةُ مُوَدِّعٍ؛ فَأَوصِنَا، قَالَ: «أُوصِيكُمْ بِتَقْوَى اللهِ عَزَّ وَجَلَّ، وَالسَّمْعِ وَالطَّاعَةِ، وَإِنْ تَأَمَّرَ عَلَيْكُمْ عَبْدٌ، فَإِنَّهُ مَنْ يَعِشْ مِنْكُمْ فَسَيَرَى اخْتِلَافاً كَثِيراً؛ فَعَلَيْكُمْ بِسُنَّتِي، وَسُنَّةِ الخُلَفَاءِ الرَّاشِدِينَ المّهْدِيِّينَ، عَضُّوا عَلَيْهَا بِالنَّوَاجِذِ، وَإِيَّاكُمْ وَمُحْدَثَاتِ الأُمُورِ، فَإنَّ كُلَّ مُحْدَثَةٍ بِدْعَةٌ، وكُلَّ بِدْعَةٍ ضَلَالَةٌ».رَوَاهُ أَبُو دَاوُدَ ]رقم:4607[، وَالتِّرْمِذِيُّ ]رقم:266[، وَقَالَ: حَدِيثٌ حَسَنٌ صَحِيحٌ.

 HADITH FAHAVALO AMBY ROAPOLO:

Hoy Abo Najiih, Al-'irbaadh ibn Saariyah t nanao hoe:"Nanao toriteny mafonja taminay ny Irak'i Allah ﷺ‬, toriteny izay nampatorotoro ny fo sy nampalatsa-dranomaso; ka hoy izahay hoe:"Ry Irak'i Allah! Ohatra ny toritenin'ny mpanao veloma izy izany ka omeo petra-bolana izahay. Dia hoy izy hoe:"Manafatra anareo aho mba hatahotra an'i Allah, ary hihaino sy hankato (ny mpitondra) hatrany, na dia andevo aza no lasa mpitondra anareo. Ary izay ho ela velona aminareo dia hahita tsy fitovian-kevitra maro; ka mifikira amin'ny fomba amam-panaoko sy ny fomba amam-panaon'ireo mpitondra mpandimby ahy (Kholafà), izay mendrika sy nahazo fahitsiana; tazoninareo mafy izany; ary tandremonareo ireo zava-baovao (amin'ny finoana), fa ny zava-baovao rehetra (amin'ny finoana) dia forona avokoa; ary ny forona rehetra (amin'ny finoana) dia fahaverezana avokoa".

Notaterin'i Abo Dawod [4607] sy At-tirmizii [266].

!!!

الحَدِيثُ التَّاسِعُ وَالعِشْرُونَ

عَنْ مُعَاذِ بْنِ جَبَلٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: قُلتُ: يَا رَسُولَ اللهِ! أَخْبِرْنِي بِعَمَلٍ يُدْخِلُنِي الجَنَّةَ، وَيُبَاعِدُنِي مِنَ النَّارِ، قَالَ: «لَقَدْ سَأَلْتَ عَنْ عَظِيمٍ، وَإِنَّهُ لَيَسِيرٌ عَلَى مَنْ يَسَّرَهُ اللهُ تَعَالَى عَلَيْهِ: تَعْبُدُ اللهَ لَا تُشْرِكُ بِهِ شَيْئاً، وَتُقِيمُ الصَّلَاةَ، وَتُؤْتِي الزَّكَاةَ، وَتَصُومُ رَمَضَانَ، وَتَحُجُّ البَيْتَ.

ثُمَّ قَالَ: أَلَا أَدُلُّكَ عَلَى أَبْوَابِ الخَيْرِ؟ الصَّوْمُ جُنَّةٌ، وَالصَّدَقَةُ تُطْفِئُ الخَطِيئَةَ كَمَا يُطْفِئُ المَاءُ النَّارَ، وَصَلَاةُ الرَّجُلِ فِي جَوْفِ اللَّيْلِ، ثُمَّ تَلَا: ﭽتَتَجَافَىٰ جُنُوبُهُمۡ

عَنِ ٱلۡمَضَاجِعِ ﭼ حَتَّى بَلَغَ: ﭽ يَعۡمَلُونَ ١٧ ﭼ ]السجدة: ١٦-١٧[

ثُمَّ قَالَ: أَلَا أُخْبِرُكَ بِرَأْسِ الأَمْرِ، وَعَمُودِهِ، وَذِرْوَةِ سَنَامِهِ؟ قُلْتُ: بَلَى يَا رَسُولَ اللهِ! قَالَ: رَأْسُ الأَمْرِ الإِسْلامُ، وَعَمُودُهُ الصَّلَاةُ، وَذِرْوَةُ سَنَامِهِ الجِهَادُ.

ثُمَّ قَالَ: أَلَا أُخْبِرُكَ بِمِلَاكِ ذَلِكَ كُلِّهِ؟ قُلْتُ: بَلَى يَا رَسُولَ اللهِ! فَأَخَذَ بِلِسَانِهِ، وَقَالَ: كُفَّ عَلَيْكَ هَذَا. قُلْتُ يَا نَبِيَّ اللهِ! وَإِنَّا لَمُؤَاخَذُونَ بِمَا نَتَكَلَّمُ بِهِ؟! فَقَالَ: ثَكِلَتْكَ أُمُّكَ، وَهَلْ يَكُبُّ النَّاسَ فِي النَّارِ عَلَى وُجُوهِهِمْ - أَوْ عَلَى مَنَاخِرِهِمْ - إِلَّا حَصَائِدُ أَلْسِنَتِهِمْ؟!». رَوَاهُ التِّرْمِذِيُّ ]رقم:2616[، وَقَالَ: حَدِيثٌ حَسَنٌ صَحِيحٌ.

 HADITH FAHASIVY AMBY ROAPOLO:

Hoy Mo'aaz ibn Jabal t hoe:"Nilaza aho:"Ry Irak'i Allah! Ambarao asa mampiditra ahy amin'ny Paradisa aho, ary manalavitra ahy amin'ny Afobe. Dia hoy izy:"Lehibe tokoa izany zavatra anontanianao izany, saingy mora izany ho an'izay nanamoran'i Allah azy. Manompo an'i Allah ianao ary tsy manambatra zavatra hafa miaraka aminy, manangana ny Swalat, mamoaka ny Zakat, mifehy Ramadany, ary manatanteraka ny Hajj amin'ilay trano masina. Dia hoy izy avy teo:"Tsy atoroko anao ve ireo varavaran'ny hatsarana? Ny fifehezana dia fiarovana, ny Swadakah dia manototra ny fahotana ohatra ny rano mamono ny afo, ary toraka izany ihany koa ny Swalat ataon'olona mandritry ny sasak'alina. Avy teo namaky (ireto andininy masina ireto) izy:

ﭽ تَتَجَافَىٰ جُنُوبُهُمۡ عَنِ ٱلۡمَضَاجِعِ ﭼ [السجدة: ١٦]

"Miarina miala ny fandriana izy ireo…", hatramin'ny:

ﭽ يَعۡمَلُونَ ١٧ ﭼ [السجدة: ١٧]

"…nataon'izy ireo"[32:16-17]([17]) .

Dia hoy izy avy teo:"Tsy ambarako anao ve ny lohan'ny zava-drehetra sy ny andriny ary ny tampony ambony indrindra? Dia nilaza aho hoe:"Eny, ry Irak'i Allah!". Dia hoy izy:"Ny lohan'ny zava-drehetra dia ny finoana Islamo, ary ny Swalat no andrin'izany, ary ny ady masina (Jihad) no tampony ambony indrindra". Dia hoy izy avy teo:"Tsy ambarako anao ve ny fomba ahazoanao izany rehetra izany?". Dia nilaza aho hoe:"Eny, ry Irak'i Allah!". Dia noraisiny ny lelany ka hoy izy:"Fehezo ity". Dia hoy aho:"Ry Mpaminanin'i Allah! Ngaha mbola hotsaraina amin'izay teneninay izahay? Dia hoy izy:"Andray! Izany lozanao! Inona moa no tena mahatonga ny olona hatsipy amin'ny tarehin'izy ireo na amin'ny oron'izy ireo mankao amin'ny Afobe; raha tsy vokatry ny lelan'izy ireo?".

Notaterin'i At-tirmizi [2616].

الحَدِيثُ الثَّلَاثُونَ

عَنْ أَبِي ثَعْلَبَةَ الخُشَنِيِّ، جُرْثُومِ بْنِ نَاشِرٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ عَنْ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «إِنَّ اللهَ فَرَضَ فَرَائِضَ فَلَا تُضَيِّعُوهَا، وَحَدَّ حُدُوداً فَلَا تَعْتَدُوهَا، وَحَرَّمَ أَشْيَاءَ فَلَا تَنْتَهِكُوهَا، وَسَكَتَ عَنْ أَشْيَاءَ رَحْمَةً لَكُمْ غَيْرَ نِسْيَانٍ، فَلَا تَبْحَثُوا عَنْهَا». حَدِيثٌ حَسَنٌ، رَوَاهُ الدَّارَقُطْنِيُّ فِي سُنَنِهِ ]184/4[، وَغَيْرُهُ.

 HADITH FAHATELOPOLO:

Niteny Abo Sa'labah Al-khoshanii, Jorsoom ibn Naashir t, fa ny Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Tena marina fa Allah dia nandidy zavatra tsy maintsy atao, ka aza ataonareo tsirambina izany; ary namaritra lalàna Izy ka aza dikainareo; ary nandrara zavatra Izy ka aza ataonareo izany, ary nangina Izy amin'ny zavatra maro, noho ny indrafony aminareo fa tsy noho ny fanadinoana akory, ka aza karohinareo intsony izany".

Notaterin'i Ad-daarakotnii [184/4] sy hafa ankoatra azy.

!!!

الحَدِيثُ الحَادِي وَالثَّلَاثُونَ

عَنْ أَبي العَبَّاسِ، سَهْلِ بْنِ سَعْدٍ السَّاعِدِيِّ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: جَاءَ رَجُلٌ إِلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ! دُلَّنِي عَلَى عَمَلٍ إِذَا عَمِلْتُهُ أَحَبَّنِي اللهُ، وَأَحَبَّنِي النَاسُ، فَقَالَ: «ازْهَدْ فِي الدُّنْيَا يُحِبَّكَ اللهُ، وَازْهَدْ فِيمَا عِنْدَ النَّاسِ يُحِبَّكَ النَّاسُ». حَدِيثٌ حَسَنٌ، رَوَاهُ ابْنُ مَاجَهْ ]رقم:4102[، وَغَيْرُهُ بِأَسَانِيدَ حَسَنَةٍ.

 HADITH FAHARAIKA AMBY TELOPOLO:

Niteny Abo Al-'abbaas, Sahl ibn Sa'd As-saa'idi t, fa nisy lehilahy iray tonga tamin'ny Mpaminany ﷺ‬ ka nilaza hoe:"Ry Irak'i Allah! Atoroy asa aho, raha manao azy aho dia ho tian'i Allah ary ho tian'olona. Dia hoy izy:"Aza miraiki-po amin'ny fiainana eto an-tany dia ho tian'i Allah ianao; ary aza misahirana amin'izay eny am-pelatanan'olona dia ho tian'olona ianao".

Notaterin'i ibn Maajah [4102] sy hafa ankoatra azy.

!!!

الحَدِيثُ الثَّانِي وَالثَّلَاثُونَ

عَنْ أَبِي سَعيدٍ، سَعْدِ بْنِ مَالِكِ بْنِ سِنَانٍ الخُدْرِيِّ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «لَا ضَرَرَ وَلَا ضِرَارَ». حَدِيثٌ حَسَنٌ، رَوَاهُ ابْنُ مَاجَهْ ]راجع رقم:2341[، وَالدَّارَقُطْنِيُّ ]228/4[، وَغَيْرُهُمَا مُسْنَداً. وَرَوَاهُ مَالِكٌ ]746/2[ فِي المُوَطَّأِ مُرْسَلاً، عَنْ عَمْرِو بْنِ يَحْيَى، عَنْ أَبِيهِ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَأَسْقَطَ أَبَا سَعِيدٍ. وَلَهُ طُرُقٌ يُقَوِّي بَعْضُهَا بَعْضاً.

 HADITH FAHAROA AMBY TELOPOLO:

Niteny Abo Sa'iid, Sa'd ibn Maalik ibn Sinaan Al-khodrii t, fa ny Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Aza manao ratsy amin'ny tenanareo ary aza manao ratsy ny hafa"([18]) .

Notaterin'i ibn Maajah [2341] sy Ad-daarakotnii [4/228] ary hafa ankoatra azy ireo, amin'ny Isnaad mitohy hatramin'ny Mpaminany ﷺ‬. Ary notaterin'i Malik ao amin'ny Mowattwa [2/746], toy izao: hoy 'Amr ibn Yahya hoe: niteny ny rainy fa i Mpaminany ﷺ‬ dia nilaza hoe:…, amin'ny Isnaad tsy mitohy, satria latsaka tsy voatonona i Abo Sa'iid. Saingy na izany aza dia voatatitra amin'ny fomba maro izay manamafy azy izany.

!!!

الحَدِيثُ الثَّالِثُ وَالثَّلَاثُونَ

عَنِ ابْنِ عَبَّاسٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «لَوْ يُعْطَى النَّاسُ بِدَعْوَاهُمْ، لَادَّعَى رِجَالٌ أَمْوَالَ قَوْمٍ وَدِمَاءَهُمْ، وَلَكِنِ البَيِّنَةُ عَلَى المُدَّعِي، وَاليَمينُ عَلَى مَنْ أَنْكَرَ». حَدِيثٌ حَسَنٌ، رَوَاهُ البَيْهَقِيُّ ]فِي السُّنَن:252/10[، وَغَيْرُهُ هَكَذَا، وَبَعْضُهُ فِي الصَّحِيحَيْنِ.

 HADITH FAHATELO AMBY TELOPOLO:

Niteny ibn 'Abbaas k, fa ny Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Raha omena amin'izao fotsiny izay niampangany olona ny mpitory rehetra, dia ho avy ny sasany hisandoka fananan'olona sy ràn'izy ireo; ka tsy maintsy mitondra porofo izay miampanga, ary mifanta izay mandà ny fiampangana natao azy".

Notaterin'i Al-baihakii [10/252] sy hafa ankoatra azy, tahaka izao, ary ny ampahan'izy io dia voatatitra ao amin'ny Al-bokhari sy Moslimo.

!!!

الحَدِيثُ الرَّابِعُ وَالثَّلَاثُونَ

عَنْ أَبِي سَعيدٍ الخُدْرِيِّ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ: «مَنْ رَأَى مِنْكُمْ مُنْكَراً فَلْيُغَيِّرْهُ بِيَدِهِ، فَإِنْ لَمْ يَسْتَطِعْ فَبِلِسَانِهِ، فَإِنْ لَمْ يَسْتَطِعْ فَبِقَلْبِهِ، وَذَلِكَ أَضْعَفُ الإيمَانِ». رَوَاهُ مُسْلِمٌ ]رقم:49[.

 HADITH FAHEFATRA AMBY TELOPOLO:

Hoy Abo Sa'iid Al-khodrii t hoe:"Naheno ny Irak'i Allah ﷺ‬ aho niteny hoe:"Izay mahita zavatra tsy mety aminareo, dia aoka izy hanova an'izany amin'ny tanany; fa raha tsy vitany dia amin'ny lelany, ary raha tsy vitany dia (laviny) amin'ny fony; ary izany no farany ambany indrindra amin'ny finoana".

Notaterin'i Moslimo [49].

!!!

الحَدِيثُ الخَامِسُ وَالثَّلَاثُونَ

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «لَا تَحَاسَدُوا، وَلَاتَنَاجَشُوا، وَلَا تَبَاغَضُوا، وَلَا تَدَابَرُوا، وَلَا يَبِعْ بَعْضُكُمْ عَلَى بَيْعِ بَعْضٍ، وَكُونُوا عِبَادَ اللهِ إِخْوَاناً. المُسْلِمُ أَخُو المُسْلِمِ، لَا يَظْلِمُهُ، وَلَا يَخْذُلُهُ، وَلَا يَكْذِبُهُ، وَلَا يَحْقِرُهُ، التَّقْوَى هَاهُنَا - وَيُشِيرُ إِلَى صَدْرِهِ ثَلَاثَ مَرَّاتٍ -. بِحَسْبِ امْرِىءٍ مِنَ الشَّرِّ أَنْ يَحْقِرَ أَخَاهُ المُسْلِمَ. كُلُّ المُسْلِمِ عَلَى المُسْلِمِ حَرَامٌ: دَمُهُ، وَمَالُهُ، وَعِرْضُهُ». رَوَاهُ مُسْلِمٌ ]رقم:2564[.

 HADITH FAHADIMY AMBY TELOPOLO:

Niteny Abo Horairah t, fa ilay Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Aza mifampialona ianareo, aza mifanongom-barotra amin'ny lavanty raha tsy hividy, aza mifankahala, aza mifanome lamosina, aza mivarotra zavatra mba handravana ny varotry ny hafa([19]); fa manaova toy ny mpirahalahy ianareo ry mpanompon'i Allah. Ny mpino Islamo dia rahalahin'ny mpino Islamo; ka tsy anaovany ny tsy rariny izy, tsy avelany irery (rehefa mila azy), tsy andaingany, tsy ambanimbaniny. Ny fahatahorana an'i Allah dia ato, naveriny intelo izany, sady manondro ny fony izy miteny azy. Ampy mampiseho ny haratsiam-panahin'olona iray ny fanambaniany ny rahalahiny mpino Islamo. Ny rehetra mikasika ny mpino Islamo dia fady avokoa, tsy azon'ny mpino Islamo kasikasihina: ny ràny (ainy) sy ny fananany ary ny haja amam-boninahiny".

Notaterin'i Moslimo [2564].

!!!

الحَدِيثُ السَّادِسُ وَالثَّلَاثُونَ

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «مَنْ نَفَّسَ عَنْ مُؤْمِنٍ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ الدُّنيَا، نَفَّسَ اللهُ عَنْهُ كُرْبَةً مِنْ كُرَبِ يَوْمِ القِيَامَةِ. وَمَنْ يَسَّرَ عَلَى مُعْسِرٍ، يَسَّرَ اللهُ عَلَيْهِ فِي الدُّنْيَا والآخِرَةِ. وَمَنْ سَتَرَ مُسْلِماً، سَتَرَهُ اللهُ فِي الدُّنْيَا وَالآخِرَةِ. وَاللهُ فِي عَوْنِ العَبْدِ مَا كَانَ العَبْدُ فِي عَوْنِ أَخِيهِ. وَمَنْ سَلَكَ طَرِيقاً يَلْتَمِسُ فِيهِ عِلْماً، سَهَّلَ اللهُ لَهُ بِهِ طَرِيقاً إِلَى الجَنَّةِ. وَمَا اجْتَمَعَ قَوْمٌ فِي بَيْتٍ مِنْ بُيُوتِ اللهِ، يَتْلُونَ كِتَابَ اللهِ، وَيَتَدَارَسُونَهُ بَيْنَهُمْ، إِلَّا نَزَلَتْ عَلَيْهِمُ السَّكِينَةُ، وَغَشِيَتْهُمُ الرَّحْمَةُ، وَحَفَّتْهُمُ المَلَائِكَةُ، وَذَكَرَهُمُ اللهُ فِيمَنْ عِنْدَهُ. وَمَنْ بَطَّأَ بِهِ عَمَلُهُ، لَمْ يُسْرِعْ بِهِ نَسَبُهُ». رَوَاهُ مُسْلِمٌ ]رقم:2699[ بِهَذَا اللَّفْظِ.

 HADITH FAHENINA AMBY TELOPOLO:

Niteny Abo Horairah t, fa i Mpaminany ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Izay mampitony fahoriana iray amin'olona mpino, amin'ny fiainana eto an-tany, Allah dia hampitony azy amin'ny fahorian'ny Andro farany. Izay manamora raharaha amin'olona sahirana, dia hamorain'i Allah ny raharahany eto an-tany sy any ankoatra. Izay manafina ny henatry ny mpino Islamo iray, dia hafenin'i Allah ny henatrany, eto an-tany sy any ankoatra. Allah dia manampy hatrany ny mpanompo raha manampy ny rahalahiny izy. Izay mizotra amin'ny làlan'ny fianarana mba hikatsaka fahalalana dia hamorain'i Allah ho azy noho izany ny làlana mitondra amin'ny Paradisa. Ary tsy misy andian'olona, mivorivory anatin'ny trano iray amin'ireo tranon'i Allah, mamaky ny Bokin'i Allah, ary mifampianatra izany eo amin'ny samy izy ireo, afa-tsy hoe midina amin'izy ireo ny fahatoniana, mandrakotra azy ireo ny indrafo, manodidina azy ireo ireo Anjely, ary miresaka azy ireo Allah, amin'ireo (Anjely) any aminy. Izay latsaka afara noho ny asany, dia tsy aroso aloha noho ny firazanany".

Notaterin'i Moslimo [2699].

!!!

الحَدِيثُ السَّابِعُ وَالثَّلَاثُونَ

عَنِ ابْنِ عَبَّاسٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فِيمَا يَرْوِيهِ عَنْ رَبِّهِ تَبَارَكَ وَتَعَالَى أَنَّهُ قَالَ: «إِنَّ اللهَ كَتَبَ الحَسَنَاتِ وَالسَّيِّئَاتِ، ثُمَّ بَيَّنَ ذَلِكَ: فَمَنْ هَمَّ بِحَسَنَةٍ فَلَمْ يَعْمَلْهَا، كَتَبَهَا اللهُ عِنْدَهُ حَسَنَةً كَامِلَةً. وَإِنْ هَمَّ بِهَا فَعَمِلَهَا، كَتَبَهَا اللهُ عِنْدَهُ عَشْرَ حَسَنَاتٍ، إِلَى سَبْعِمِائَةِ ضِعْفٍ، إِلَى أَضْعَافٍ كَثِيرَةٍ. وَإِنْ هَمَّ بِسَيِّئَةٍ فَلَمْ يَعْمَلْهَا، كَتَبَهَا اللهُ عِنْدَهُ حَسَنَةً كَامِلَةً. وَإِنْ هَمَّ بِهَا فَعَمِلَهَا، كَتَبَهَا اللهُ سَيِّئَةً وَاحِدَةً». رَوَاهُ البُخَارِيُّ ]رقم:6491[، وَمُسْلِمٌ ]رقم:131[، في صَحِيحَيْهِمَا بِهَذِهِ الحُرُوفِ.

 HADITH FAHAFITO AMBY TELOPOLO:

Niteny ibn 'Abbaas k, fa nilaza ny Irak'i Allah ﷺ‬, mitatitra ny resaky ny Tompony f, ka hoy izy hoe:"Tena marina fa Allah dia manoratra ireo asa tsara sy asa ratsy, avy eo nazavainy (toy izao) izany: izay mikasa feno ny hanao asa soa iray, nefa tsy tanterakany izany, dia soratan'i Allah ho asa soa feno izany any aminy; fa raha mikasa feno kosa izy ka tanterakany, dia soratan'i Allah any aminy izany ho asa soa folo, hatramin'ny fitonjato heny, na mihoatra betsaka noho izany. Ary raha mikasa feno ny hanao asa ratsy iray izy, nefa tsy nataony izany, dia soratan'i Allah ho asa soa feno izany any aminy; fa raha mikasa feno izy ary nataony, dia soratan'i Allah ho asa ratsy iray izany".

Notaterin'i Al-bokhari [6491] sy Moslimo [131].

الحَدِيثُ الثَّامِنُ وَالثَّلَاثُونَ

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «إِنَّ اللهَ تَعَالَى قَالَ: مَنْ عَادَى لِي وَلِيًّا، فَقَدْ آذَنْتُهُ بِالحَرْبِ. وَمَا تَقَرَّبَ إِلَيَّ عَبْدِي بِشَيْءٍ أَحَبَّ إِلَيَّ مِمَّا افْتَرَضْتُهُ عَلَيْهِ. وَلَا يَزَالُ عَبْدِي يَتَقَرَّبُ إِلَيَّ بِالنَّوَافِلِ حَتَّى أُحِبَّهُ؛ فَإِذَا أَحْبَبْتُهُ، كُنْتُ سَمْعَهُ الَّذِي يَسْمَعُ بِهِ، وَبَصَرَهُ الَّذِي يُبْصِرُ بِهِ، وَيَدَهُ الَّتِي يَبْطِشُ بِهَا، وَرِجْلَهُ الَّتِي يَمْشِي بِهَا. وَلَئِنْ سَأَلَنِي لَأُعْطِيَنَّهُ، وَلَئِنْ اسْتَعَاذَنِي لَأُعِيذَنَّهُ». رَوَاهُ البُخَارِيُّ ]رقم:6502[.

 HADITH FAHAVALO AMBY EFAPOLO:

Niteny Abo Horairah t, fa ny Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Tena marina fa Allah dia niteny hoe:"Izay mandray sakaizako([20]) ho fahavalony, dia efa mampilaza ady aminy Aho. Tsy misy zavatra ataon'ny mpanompoko anakaikezana Ahy tiako mihoatra ny fanaovany an'izay nandidiako azy. Ary tsy mitsahatra manakaiky Ahy amin'ny alalan'ireo Nafilah([21]) hatrany ny mpanompoko (aorian'ny fanatanterahany ireo zavatra nandidiako azy) hany ka lasa tiako izy. Ka rehefa mankatia azy Aho, dia Izaho no hiahy ny sofiny izay andrenesany, ny masony izay ahitany, ny tanany izay anamborany, ary ny tongony izay andehanany. Raha mangataka amiko izy dia homeko, ary raha mangata-piarovana amiko izy dia harovako".

Notaterin'i Al-bokhari [6502].

!!!

الحَدِيثُ التَّاسِعُ وَالثَّلَاثُونَ

عَنِ ابْنِ عَبَّاسٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَال: «إِنَّ اللهَ تَجَاوَزَ لِي عَنْ أُمَّتِي الخَطَأَ وَالنِّسْيَانَ وَمَا اسْتُكْرِهُوا عَلَيْهِ». حَدِيثٌ حَسَنٌ رَوَاهُ ابْنُ مَاجَهْ ]رقم:2045[، وَالبَيْهَقِيُّ ]السُّنَن 7[ وَغَيْرُهُمَا.

 HADITH FAHASIVY AMBY TELOPOLO:

Niteny ibn 'Abbaas k, fa ny Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Tena marina fa Allah dia namela ny vahoakako, noho izaho, amin'izay hadisoana tsy nahy na adino na koa nanerena azy ireo".

Hadith Hassan, notaterin'i ibn Maajah [2045] sy Al-baihakii [7].

!!!

الحَدِيثُ الأَرْبَعُونَ

عَنِ ابْنِ عُمَرَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا قَالَ: أَخَذَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ بِمنْكِبِيَّ فَقَالَ: «كُنْ فِي الدُّنْيَا كَأَنَّكَ غَرِيبٌ، أَوْ عَابِرُ سَبِيلٍ».

وَكَانَ ابْنُ عُمَرَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا يَقُولُ: «إِذَا أَمْسَيْتَ فَلَا تَنْتَظِرِ الصَّبَاحَ، وَإِذَا أَصْبَحْتَ فَلَا تَنْتَظِرِ المَسَاءَ، وَخُذْ مِنْ صِحَّتِكَ لِمَرَضِكَ، وَمِنْ حَيَاتِكَ لمَوْتِكَ». رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ ]رقم:6416[.

 HADITH FAHEFAPOLO:

Hoy ibn 'Omar k hoe:"Noraisin'ny Irak'i Allah ﷺ‬ avy teo an-tsoroko aho dia hoy izy:"Manaova tahaka ny vahiny na mpandeha ianao amin'ny fiainana eto an-tany ".

Ary ibn 'Omar k dia nilaza hoe:"Raha tratry ny hariva ianao dia aza miandry ny maraina, ary raha tratry ny maraina ianao dia aza miandry ny hariva; ary miezaha dieny mbola salama fa rehefa marary tsy afaka intsony, ary miezaha dieny mbola velona fa rehefa maty tsy afaka intsony".

Notaterin'i Al-bokhari [6416].

!!!

الحَدِيثُ الحَادِي وَالأَرْبَعُونَ

عَنْ أَبِي مُحَمَّدٍ، عَبْدِ اللهِ بْنِ عَمْرِو بْنِ العَاصِ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «لَا يُؤْمِنُ أَحَدُكُمْ حَتَّى يَكُونَ هَوَاهُ تَبَعاً لِمَا جِئْتُ بِهِ». حَدِيثٌ حَسَنٌ صَحِيحٌ، رُوِّينَاهُ فِي كِتَابِ الحُجَّةِ بِإِسْنَادٍ صَحِيحٍ.

 HADITH FAHARAIKA AMBY EFAPOLO:

Niteny Abo Mohammad, 'Abdollah ibn 'Amr ibn Al-'aas k, fa ny Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Tsy ho feno ny finoan'olona iray aminareo, raha tsy manaraka an'izay nentiko ny sitrapony".

Hadith Hassan Swahih, voatatitra ao amin'ny boky Al-hojjah, amin'ny Isnaad Swahih.

!!!

الحَدِيثُ الثَّانِي وَالأَرْبَعُونَ

عَنْ أَنَسِ بْنِ مَالِكٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ يَقُولُ: «قَالَ اللهُ تَعَالَى: يَا ابْنَ آدَمَ! إِنَّكَ مَا دَعَوْتَنِي وَرَجَوْتَنِي، غَفَرْتُ لَكَ عَلَى مَا كَانَ مِنْكَ وَلَا أُبَالِي.

يَا ابْنَ آدَمَ! لَوْ بَلَغَتْ ذُنُوبُكَ عَنَانَ السَّمَاءِ، ثُمَّ اسْتَغْفَرْتَنِي، غَفَرْتُ لَكَ.

يَا ابْنَ آدَمَ! إِنَّكَ لَوْ أَتَيْتَنِي بِقُرَابِ الأَرْضِ خَطَايَا، ثُمَّ لَقِيتَنِي لَا تُشْرِكُ بِي شَيْئاً، لَأَتَيْتُكَ بِقُرَابِهَا مَغْفِرَةً». رَوَاهُ التِّرْمِذِيُّ ]رقم:3540[، وَقَالَ: حَدِيثٌ حَسَنٌ صَحِيحٌ.

 HADITH FAHAROA AMBY EFAPOLO:

Hoy Anas ibn Maalik t hoe:"Naheno ny Irak'i Allah ﷺ‬ aho niteny hoe:"Allah dia nilaza an'izao:"Ry taranak'i Adama! Raha mangataka amiko sy mametraka fanantenana amiko ianao dia hamela heloka anao Aho, amin'izay hadisoana nataonao, ary tsy mampaninona Ahy izany. Ry taranak'i Adama! Na dia tonga hatramin'ny fara tampon'ny lanitra aza ny (habetsahan'ireo) fahotanao, ka mangataka famelan-keloka amiko ianao, dia hamela anao Aho. Ry taranak'i Adama! Raha tonga aty amiko ianao, miaraka amin'ny fahotana mitovy amin'ny Tany, ka tonga mihaona amiko ianao, ary tsy mbola nanakambana zavatra hafa niaraka tamiko na dia indraika aza, dia hitondrako famelan-keloka mitovy amin'izany ianao".

Notaterin'i At-tirmizii [3540], ary hoy izy: Hadith Hassan Swahih.

!!!

الحَدِيثُ الثَّالِثُ وَالْأَرْبَعُونَ

عَنْ ابْنِ عَبَّاسٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «أَلْحِقُوا الْفَرَائِضَ بِأَهْلِهَا فَمَا أَبْقَتِ الْفَرَائِضُ فَلِأَوْلَى رَجُلٍ ذَكَرٍ». رَوَاهُ البُخَارِيُّ ]رقم:6732[ وَمُسْلِمُ ]رقم:1615[.

 HADITH FAHATELO AMBY EFAPOLO:

Niteny ibn 'Abbaas t, fa ilay Irak'i Allah ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Omeonareo an'ireo tompony ny anjara lovan'izy ireo izay efa voafaritra, ka ny sisa tavela amin'izany dia ho an'ny lehilahy (havana) akaiky indrindra an'ilay maty".

Notaterin'i Al-bokhari [6732] sy Moslimo [1615].

!!!

الحَدِيثُ الرَّابِعُ وَالْأَرْبَعُونَ

عَنْ عَائِشَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُا عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «الرَّضَاعَةُ تُحَرِّمُ مَا تُحَرِّمُ الْوِلَادَةُ». رَوَاهُ البُخَارِيُّ ]رقم:2646[ وَمُسْلِمُ ]رقم:1444[.

 HADITH FAHEFATRA AMBY EFAPOLO:

Niteny 'Aishah i, fa i Mpaminany ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Fady amin'ny alalan'ny fampinonoana izay fady amin'ny alalan'ny rohim-pihavanana".

Notaterin'i Al-bokhari [2646] sy Moslimo [1444].

!!!

الحَدِيثُ الخَامِسُ وَالْأَرْبَعُونَ

عَنْ جَابِرِ بْنِ عَبْدِ اللهِ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا أَنَّهُ سَمِعَ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، عَامَ الْفَتْحِ يَقُولُ: «إِنَّ اللهَ عَزَّ وَجَلَّ حَرَّمَ بَيْعَ الْمَيْتَةِ وَالْخِنْزِيرِ وَالْأَصْنَامِ، فَقِيلَ: يَا رَسُولَ اللهِ أَرَأَيْتَ شُحُومَ الْمَيْتَةِ فَإِنَّهُ يُطْلَى بِهَا السُّفُنُ وَيُدْهَنُ بِهَا الْجُلُودُ، وَيَسْتَصْبِحُ بِهَا النَّاسُ؟ قَالَ: لَا، هِيَ حَرَامٌ، ثُمَّ قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عِنْدَ ذَلِكَ: قَاتَلَ اللهُ الْيَهُودَ إِنَّ اللهَ حَرَّمَ عَلَيْهِمُ الشُّحُومَ فَأَجْمَلُوهُ ثُمَّ بَاعُوهُ فَأَكَلُوا ثَمَنَهُ». رَوَاهُ البُخَارِيُّ ]رقم:2236[ وَمُسْلِمُ ]رقم:1581[.

 HADITH FAHADIMY AMBY EFAPOLO:

Niteny Jaabir ibn Abdillah t fa izy dia naheno an'ilay Irak'i Allah ﷺ‬ tamin'ny taonan'ny Fath (taona nanokafana tanana Makkah), tamin'ny fotoana izy ﷺ‬ tao Makkah, nilaza hoe:"Allah sy ny Irany dia nandrara ny fivarotan-toaka sy biby maty ho azy sy kisoa ary sampy". Ka nisy niteny hoe:"Ry Irak'i Allah, ahoana ny tavin-kena amin'ireo biby maty ho azy; satria izany dia andokoana sambo, sy hosorana amin'ny vatana, ary ampiasain'olona andrehetana jiro? Dia nilaza izy hoe: "Tsia, izany dia Haram". Ary niteny ilay Irak'i Allah ﷺ‬ tamin'izany hoe: "Allah anie handringana ireo jiosy; nataon'i Allah fady azy ireo ny tavin-kena nefa noravan'izy ireo izany, dia namidin'izy ireo avy teo, ary nohanin'izy ireo ny vola azo tamin'izany".

Notaterin'i Al-bokhari [2236] sy Moslimo [1581].

!!!

الحَدِيثُ السَّادِسُ وَالْأَرْبَعُونَ

عَنْ أَبِي بُرْدَةَ عَنْ أَبِيهِ عَنْ أَبِي مُوسَى الْأَشْعَرِيِّ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ بَعَثَهُ إِلَى الْيَمَنِ، فَسَأَلَهُ عَنْ الْأَشْرِبَةِ تُصْنَعُ بِهَا فَقَالَ: وَمَا هِيَ؟ قَالَ: الْبِتْعُ وَالْمِزْرُ، فَقِيلَ لِأَبِي بُرْدَةَ: مَا الْبِتْعُ؟ قَالَ: نَبِيذُ الْعَسَلِ، وَالْمِزْرُ نَبِيذُ الشَّعِيرِ، فَقَالَ: كُلُّ مُسْكِرٍ حَرَامٌ». رَوَاهُ الْبُخَارِيُّ ]رقم:4343[.

 HADITH FAHENINA AMBY EFAPOLO:

Niteny Abo Bordah, nitatitra avy tamin'ny rainy, fa Abo Mossa Al-ash'ari t dia nilaza fa i Mpaminany ﷺ‬ dia nandefa azy tany Yemen; ka nanontany an'i Mpaminany momba zava-pisotro izay amboarin'olona amin'io tanana io izy. Ka hoy izy ﷺ‬ hoe:"Inona ilay izy? Dia nambarany hoe: Al-bit'o sy Al-mizr. Nisy nanontany i Abo Bordah hoe: Inona ny Al-bit'o? dia nilaza izy fa izany dia divay vita amin'ny tantely; ary Al-mizr dia divay vita amin'ny vary hordea (karazam-barimbazaha). Dia nilaza izy ﷺ‬ hoe:"Izay rehetra mahamamo dia Haram".

Notaterin'i Al-bokhari [4343].

!!!

الحَدِيثُ السَّابِعُ وَالْأَرْبَعُونَ

عَنْ الْمِقْدَامِ بْنِ مَعْدِي كَرِبَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ: «مَا مَلَأَ ابْنُ آدَمَ وِعَاءً شَراًّ مِنْ بَطْنِهِ، بِحَسْبِ ابْنِ آدَمَ لُقَيْمَاتٌ يُقِمْنَ صُلْبَهُ، فَإِنْ كَانَ لَا مَحَالَةَ، فَثُلُثٌ لِطَعَامِهِ، وَثُلُثٌ لِشَرَابِهِ، وَثُلُثٌ لِنَفَسِهِ». رَوَاهَ أَحْمَدُ ]رقم:132/4[، وَالتِّرْمِذِيُّ ]رقم:2380[، وَابْنُ مَاجَهْ ]رقم:3349[، وَقَالَ التِّرْمِذِيُّ: حَدِيثٌ حَسَنٌ.

 HADITH FAHAFITO AMBY EFAPOLO:

Niteny Mikdaam ibn Ma'diikarib t hoe: Naheno an'ilay Irak'i Allah ﷺ‬ aho nilaza hoe:"Tsy misy zavatra fenoin'olombelona ratsy mihoatra ny kibo. Ampy ny olombelona sakafo vitsivitsy afaka mampitraka ny hazon-damosiny. Saingy raha tsy vitany mihitsy, dia aoka àry ny ampahatelony ho an'ny sakafony, ampahatelony ho an'ny fisotrony, ary ny ampahatelony ho an'ny rivotra iainany”.

Notaterin'i Ahmad [4/132] sy At-tirmizii [2380] ary Ibn Maajah [3349]. Ary hoy At-tirmizii: Hadith Hassan.

!!!

الحَدِيثُ الثَّامِنُ وَالْأَرْبَعُونَ

عَنْ عَبْدِ اللهِ بْنِ عَمْرٍو رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «أَرْبَعٌ مَنْ كُنَّ فِيهِ كَانَ مُنَافِقاً، وَمَنْ كَانَتْ فِيهِ خَصْلَةٌ مِنْهُنَّ كَانَتْ فِيهِ خَصْلَةٌ مِنْ النِّفَاقِ حَتَّى يَدَعَهَا: مَنْ إِذَا حَدَّثَ كَذَبَ، وَإِذَا وَعَدَ أَخْلَفَ، وَإِذَا خَاصَمَ فَجَرَ، وَإِذَا عَاهَدَ غَدَرَ». رَوَاهُ البُخَارِيُّ ]رقم:34[ وَمُسْلِمُ ]رقم:58[.

 HADITH FAHAVALO AMBY EFAPOLO:

Niteny 'Abdollah ibn 'Amr t, fa i Mpaminany ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Misy toetra efatra, izay olona misy azy ireo dia mpihatsaravelatsihy, ary raha ampahany amin'izany no misy aminy dia misy toetry ny mpihatsaravelatsihy izy mandra-pamelany izany toetra izany: olona izay mandainga rehefa miresaka, tsy manatanteraka ny teniny rehefa mampanantena zavatra, miala làlana (tsy milaza ny marina fa mitaky izay tsy azy na mandà ny zon'ny hafa aminy) rehefa misy disadisa, ary mivadika rehefa manao fifanekena”.

Notaterin'i Al-bokhari [34] sy Moslimo [58].

!!!

الحَدِيثُ التَّاسِعُ وَالْأَرْبَعُونَ

عَنْ عُمَرَ بْنِ الْخَطَّابِ -رَضِيَ اللهُ عَنْهُ- عَنْ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «لَوْ أَنَّكُمْ تَوَكَّلُونَ عَلَى اللهِ حَقَّ تَوَكُّلِهِ لَرَزَقَكُمْ كَمَا يَرْزُقُ الطَّيْرَ تَغْدُو خِمَاصاً وَتَرُوحُ بِطَاناً». رَوَاهُ أَحْمَدُ ]رقم:1 و52[، وَالتِّرْمِذِيُّ ]رقم:2344[، وَالنَّسَائِيُّ فِي الْكُبْرَى كَمَا فِي التُّحْفَة ]رقم:79/8[، وَابْنُ مَاجَهْ ]رقم:4164[، وَصَحَّحَهُ ابْنُ حِبَّانَ (730) وَالْحَاكِمُ (418)، وَقَالَ التِّرْمِذِيُّ: حَسَنٌ صَحِيحٌ.

 HADITH FAHASIVY AMBY EFAPOLO:

Niteny Omar Ibn Al-khattab t, fa i Mpaminany ﷺ‬ dia nilaza hoe:"Raha tena manankina marina ny fiainanareo amin'i Allah ianareo, dia hanome anjara masoandro anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy mibontsina hatrany ny kibony (voky) rehefa izy miverina([22])".

Notaterin'i Ahmad [1 sy 52] sy At-tirmizii [2344] sy An-nasaa-i ao amin'ny As-sonan Al-kobraa araka ny voalaza ao amin'ny At-tohfah [8/79], ary Ibn Maajah [4164]. Nilaza Ibn Hibbaan [730] sy Al-haakim [418] fa Hadith Swahih izany. Ary hoy At-tirmizii: Hadith Hassan Swahih.

!!!

الحَدِيثُ الْخَمْسُونَ

عَنْ عَبْدِ اللهِ بْنِ بُسْرٍ قَالَ: «أَتَى النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ رَجُلٌ فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ، إِنَّ شَرَائِعَ الْإِسْلَامِ قَدْ كَثُرَتْ عَلَيْنَا، فَبَابٌ نَتَمَسَّكُ بِهِ جَامِعٌ؟ قَالَ: لَا يَزَالُ لِسَانُكَ رَطْباً مِنْ ذِكْرِ اللهِ عَزَّ وَجَلَّ». رَوَاهُ أَحْمَدُ ]رقم:188 و190[.

 HADITH FAHADIMAMPOLO:

Niteny Abdollah ibn Bosr t hoe: Nisy lehilahy tonga tamin'ny Mpaminany ﷺ‬ ka nilaza hoe: Ry Irak'i Allah ﷺ‬! Efa lasa maro karazana be aminay ireo asa fanompoana amin'ny finoana Islamo([23]), ka atoroy zavatra feno sy mafonja izahay mba hifikiranay? Dia hoy izy:"Aoka ny lelanao ho mando mandrakariva amin'ny fahatsiarovana an'i Allah".

Notaterin'i Ahmad [188 sy 190].

!!!

IslamHouse.com

Mampiely ny finoana Islamo amin'ny fiteny marobe maneran-tany

-----------------------

Ho an'izay manana soso-kevitra na fanamarihana na fanitsiana sns, dia aza misalasala mifandray aminay:

E-mail: [email protected]

Tel: +261 32 74 640 72/ +261 34 92 93 807

Facebook: Zakaria Managna



([1]) Amirol-mo'minina: anaram-boninahitra fiantsoana ny mpitondra sy lehiben'ny vahoaka mpino Islamo.

([2]) Abo: rain'i…

([3]) Ibn: zanak'i…

([4]) Ny fikasana no manavaka ny fanompoana amin'ny fomba fanao mahazatra, toy ny fandroana ho fidiovana tsotra sy ny fandroana ho fidiovana amin'ny Janabah. Ary ny= =fikasana no mampiavaka ny asa fanompoana tsirairay avy, toy ny Soalat Rak'ah roa alohan'ny Fajr sy Soalat Fajr, izay tsisy mampiavaka azy amin'ny endriny afa-tsy ny fikasana ihany.

([5]) Imamo momba ny Hadith: lohany amin'ny fahalalana momba ny Hadith.

([6]) Ohatra ny fomba fipetrahana anatin'ny Soalat. Izany dia mariky ny fanajana feno.

([7]) Tompo marina: izany hoe tompoina am-pahamarinana. Ny zavatra rehetra tompoin'olona ankoatran'i Allah dia tompo sandoka avokoa satria tsy am-pahamarinana ny fanompoana azy ireo, satria zavaboary avokoa izy rehetra, ary ny zavaboary dia tsy natao hanompo zavaboary mira azy fa hanompo kosa an'ilay Mpahary, dia Allah irery ihany.

([8]) Ny fiterahan'ny andevo vavy ny andriambaviny: izany hoe ny andevo vavy dia miteraka olona ho lasa andriana sy lehibe eo amin'ny fiarahamonina. Izany dia manambara fa misy fivadihan-javatra miseho haingana amin'ny fiainana, ka ny zanaka andevo no lasa andriana.

([9]) Mpanambara ny marina: miteny ny marina mandrakariva. Nanambarana ny marina: nahazo fanambarana marina, dia ny fanambarana azony avy tamin'i Allah, izay marina avokoa. Ka ny olona rehefa nahazo fanambarana marina no sady milaza ny marina dia tsy isalasalana fa marina tanteraka izay voalazany.

([10]) Hakiho: halavan-drefy avy eo amin'ny tendron'ny rantsantanana ka hatreo amin'ny kiho. Ary ny tiana ambara amin'izany eto dia efa akaiky dia akaiky ny fahafatesan'ilay olona, fa tsy hoe akory mitovy amin'ny hakiho no sisa tsy ampy amin'ny asa soa nataony tsy hahazoany ny Paradisa; satria raha ny tena marina dia tsy asa soa akory no betsaka tamin'ny asa nataony fa asa ratsy, saingy ny fahitan'olona azy no hoe mpanao asa tsara, fa ny asa fanaony any ambadimbadika any kosa dia asa ratsy no betsaka; ka miseho izany amin'ny farany.

([11]) Ommol-mo'minina: Renin'ireo mpino: fiantsoana an'ireo vadin'ny Mpaminany ﷺ‬.

([12]) Ommo: renin'i…

([13]) Halal: zavatra mety no tsy ahazoana fahotana ny fanaovana na fampiasana azy. Halal mazava izay fantatry ny rehetra, toy ny: fihinanana sakafo, fitafiana lamba, sns izay tsy voatanisa.

([14]) Haram: zavatra tsy mety ka ahazoana fahotana ny fanaovana na fampiasana azy. Haram mazava izay iarahan'ny rehetra mahafantatra, toy ny: fijangajangana, fangalarana, fisotroan-toaka sns.

([15]) Mampisalasala (manjavozavo): zavatra tsy fantatra mazava hoe Halal na Haram.

([16]) Efa niaro ny finoany: eo aminy sy ny Tompony. Efa niaro ny haja amam-boninahiny: eo aminy sy ny mpiara-belona aminy. Satria raha manao an'ireo zavatra mampisalasala ireo izy dia ahitan'olona izay tenenina; ka hiteny izy ireo hoe: ranona manao an'izao sy izao; ka ho very hasina sy haja izy eo anatrehan'ireo mpiarabelona aminy.

([17]) Izany hoe namaky ny tenin'i Allah hoe:

ﭽ تَتَجَافَىٰ جُنُوبُهُمۡ عَنِ ٱلۡمَضَاجِعِ يَدۡعُونَ رَبَّهُمۡ خَوۡفٗا وَطَمَعٗا وَمِمَّا رَزَقۡنَٰهُمۡ يُنفِقُونَ ١٦ فَلَا تَعۡلَمُ نَفۡسٞ مَّآ أُخۡفِيَ لَهُم مِّن قُرَّةِ أَعۡيُنٖ جَزَآءَۢ بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ ١٧ﭼ [السجدة: ١٦ - ١٧]

"Miarina miala ny fandriana izy ireo, mivavaka amin’ny Tompony, amim-pahatahorana sy fanantenana; ary izy ireo dia manome (ny hafa) amin'ireo anjara nomenay azy ireo ! Tsy misy ny mahafantatra ireo fahafinaretan'ny maso izay nomanina ho azy ireo, ho valisoa amin'izay nataon’izy ireo"[32:16-17].

([18]) Marobe ny fanazavan'ireo manam-pahaizana ny dikan'io Hadith io; ka anisan'izany io voalaza ambony io, ary koa ity hita eto ambany ity:

"Tsy misy zavatra ratsy (amin'ny finoana Islamo) ka aza mifanao ratsy".

([19]) Izany hoe raha efa nifanaraka ny mpividy sy ny mpivarotra.

([20]) Ny atao hoe Waliyyollah, izay adika hoe sakaizan'i Allah matetika dia: olona mpino matahotra an'i Allah.

([21]) Nafilah dia midika hoe Sonnah, izany hoe ireo asa izay ahazoana valisoa ny fanaovana azy, fa raha tsy atao kosa dia tsy ahazoana fahotana.

([22]) Izany hoe mandehana mitady dia ankino amin'i Allah ny fiainana, fa hanome anao Izy; fa tsy hoe mijanona tsy manao na inona na inona dia milaza hoe manankina ny fiainana amin'i Allah.

([23]) Izany hoe ireo fanompoana Sonnah fa tsy ireo fanompoana tsy maintsy atao akory no tiany ambara.