100 - Al-Aadiyaat ()

|

(1) Mianiana Aho amin'ireo soavaly haingam-pandeha misefosefo.

(2) Ary mamoaka pitik'afo avy amin'ny fidoboky ny kitrony.

(3) Manafika tampoka amin'ny andro vao maraina.

(4) Sy mampitora-jofo ny vovoka.

(5) ary miditra eo afovoan'ny fahavalon'izy ireo.

(6) Tena marina, ny olombelona dia mpaniratsira ny Tompony.

(7) Kanefa izy dia tena vavolombelona tokoa ny amin'izany.

(8) Ary fatra-pitia mafy ihany koa ny harena.

(9) Moa va tsy ho fantany rehefa hifokatra ireo izay ao am-pasana.

(10) Ary haseho miharihary izay rehetra nokobonin'ny fo.

(11) Tena marina; ny Tompon'izy ireo amin'izany andro izany dia Mahalala tsara ny momba azy ireo.