(1) Tena marina fa nampidiniko tamin'ny alin'ny lahatra tokoa ny Kor'any.
(2) Moa fantatrao va inona izany alin'ny lahatra izany ?
(3) Ny alin'ny lahatra dia tsara lavitra mihoatra ny arivo volana.
(4) Alina izay hidinan'ireo anjely sy ny fanahy nohon'ny alàlana avy amin'ny Tompon'izy ireo ho fanatanterahana ny baiko rehetra.
(5) Ary alina feno fiadanana izany mandra-pahatongavan'ny maraina vao mangiran-dratsy.