(1) Nalefanay teo amin'ny vahoakan'i Noa : "Ilazao ny vahoakanao, mialohan'ny hiavian'ny famaizana mamirifiry amin'izy ireo."
(2) Hoy izy : "Ry vahoakako ! Mpampitandrina mazava ho anareo tokoa aho."
(3) Koa aoka ianareo hanompo an'I Allah, matahora Azy ary mankatoava ahy.
(4) Mba hamelany ny helokareo sy hanomezany fanemoram-potoana ho anareo, hatramin'ny fotoana voafetra. Saingy rehefa tonga ny fotoana noferan'I tompo Allah dia tsy ho azo ahemotra intsony izany, raha mba fantatrareo mantsy !
(5) Dia hoy izy : "Tompo o ! Niantso ny vahoakako andro aman'alina aho."
(6) Kanefa tsy nampitombo afa-tsy ny fandosiran'izy ireo ny antsoko.
(7) Ary isaky ny miantso azy ireo aho, mba hamelanao ny helony, dia nataon'izy ireo teo amin'ny sofiny ny rantsan-tanany, ary nasarony tamin'ny akanjony, be di-doha sady feno fanamboniantena.
(8) Avy eo dia nantsoiko an-karihary izy ireo.
(9) Avy eo nanaovako fanambarana ampahibemaso (izy ireo), sy bitsika miafina.
(10) Ka hoy aho : "Mangataha famelan-keloka amin'ny Tomponareo ianareo, fa Mpamela heloka tokoa Izy."
(11) Mba handefasany ranon'orana maro ho anareo avy eny amin'ny lanitra.
(12) Sy hampitomboiny ny harena sy ireo taranaka ho anareo, ary hanomezany anareo zaridaina sy renirano.
(13) Koa inona no tsy hanajanareo an'i tompo Allah araky ny tokony ho izy ?
(14) Ary anefa dia namboariny tamin'ny dingana isan'ambaratongany ianareo.
(15) Tsy hitanareo va ny naharian'I Allah ny lanitra fito mifanaingina ?
(16) Sy ny nanaovany ny volana ho hazavana, ary ny masoandro ho fanilo ?
(17) Ary Allah no nampitombo anareo avy amin'ny tany tahaka ireo zava-maniry.
(18) Avy eo dia averina ao ianareo ary havoakany avy ao indray.
(19) Fa i tompo Allah no nanao ny tany ho lamaka ho anareo.
(20) Mba hizoranareo amin'ny lalana malalaka.
(21) Hoy i Noa : "Tompo o ! Tsy nankato ahy izy ireo, fa nanaraka ilay nitombo fatiantoka nohon'ny fananany sy ireo zanany.
(22) Ary nanomana tetika goavana izy ireo.
(23) Ary niteny izy ireo hoe : "Aza mandao ireo andriamanitrareo mihitsy ianareo, ary aza miala amin'ny sampy "wadd", "sowa'a", "yaghouth", "ya'ouq" ary "nasr" na oviana na oviana.
(24) Ary efa nahavery olona maro izy ireo. Ary tsy nampitombo afa-tsy ny fahaverezan'ireo mpanao ny tsy rariny.
(25) Rendrika izy ireo nohon'ny hadisoany, avy eo nampidirina tao anaty afo, ka tsy nahita mpamonjy ankoatran'i tompo Allah anefa izy ireo.
(26) Ka hoy i Noa : "Tompo o ! Aza avelanao hisy olona tsy mpino na dia iray aza eto an-tany."
(27) Fa raha avelanao izy ireo dia hamery lalana ireo mpanomponao, ka tsy hiteraka afa-tsy ny mpanota no sady tsy mpino.
(28) Tompo o ! MamelĂ ny heloko sy ireo Ray aman-dReniko, ary izay mpino miditra ao an-tranoko, ary koa ireo lehilahy sy vehivavy mpino ; fa ny fahaverezana ihany no hampitomboy ho an'ireo mpanao ny tsy rariny".