102 - At-Takaathur ()

|

(1) Variana amin'ny fanangonan-karena tokoa ianareo.

(2) Eny , mandra-pahatongavanareo ao am-pasana.

(3) Tsia , mbola ho fantatrareo !

(4) Eny , mbola ho fantatrareo marimarina tokoa !

(5) Raha toa ka fantatrareo am-pahalalana marina.

(6) dia ho hitanareo tokoa ny afobe

(7) ka ho hatrehin’ny masonareo marina izany.

(8) Ka amin'izany fotoana izany dia tsy maintsy hanontaniana ny amin'ireo harena maro be ianareo.