104 - Al-Humaza ()

|

(1) Loza ho an'izay mpanendrikendrika sy mpifosa !

(2) Izay nanangona harena sy nanisa izany.

(3) Mihevitra izy fa ny harena dia hampaharitra azy mandrakizay.

(4) Tsia ! Tsy maintsy hatsipiko ao anaty Afo izy.

(5) Moa fantatrao va izany Afo izany ?

(6) Izany dia Afon'I Allah miredareda !

(7) izay miantefa hatrany am-po.

(8) Ka hanepotra azy ireo.

(9) Ao anaty fefy mijoalajoala no sady mivelatra.