44 - Ad-Dukhaan ()

|

(1) Hà, Mîm.

(2) Mianiana amin’ilay Boky (Koroany) mazava aho.

(3) Nampidininay tamin’ny alina masina tokoa izy, fa Izahay no mpampitandrina,

(4) Nandritra izany no nanapahana ny didy rehetra feno fahendrena.

(5) Didy avy Aminay izany. Izahay no mandefa ireo iraka,

(6) Ho famindram-po avy amin’ny Tomponao, fa Izy no Ilay Mahare, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra,

(7) Tompon’ny lanitra sy ny tany, ary izay rehetra eo anelanelan’izany! Raha miaiky izany tokoa ianareo.

(8) Tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy. Izy no mamelona sy mamono, ary Izy no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha.

(9) Nefa izy ireo dia misangy ao anatin’ny fisalasalana.

(10) Raha izany, andraso ilay andro hitondran’ny lanitra setroka hita maso,

(11) Izay handrakotra ny olona. Ho famaizana mamirifiry tokoa izany.

(12) Tomponay ô ! Alaviro aminay ny famaizana. Fa mino tokoa izahay.

(13) Taiza izany fahatsiarovan-tenan’izy ireo izany, nefa dia efa tonga tamin’izy ireo ny iraka mazava.

(14) Avy eo, dia nihataka taminy izy ireo, sady niteny hoe: “Olona nanovo fahalalana izy io, nidiran’ny devoly.”

(15) Ho foananay fotoana fohy ny famaizana, fa mbola hamerina ianareo.

(16) Ny andro hampiasanay ny famaizana mafy indrindra sy hanaovanay famelan-keloka.

(17) Ary talohan’izy ireo, dia efa nosedrainay ny vahoakan’i Faraona, tamin’ny fahatongavan’ny iraka manan-kaja teo amin’izy ireo.

(18) Izay niteny hoe: “Atolory ahy ireo mpanompon’Allah! Fa iraka mendri-pitokisana ho anareo tokoa aho.

(19) Aza manambon'ny tena eo anatrehan’I Allah ianareo, fa mitondra porofo mazava ho anareo aho.

(20) Ary mitady fiarovana amin’ny Tompoko sy Tomponareo aho, mba tsy ho torahanareo.

(21) Ary raha tsy te-hino ahy ianareo, dia manalavira ahy.”

(22) Dia niantso ny Tompony izy hoe: “ Olona mpanao ratsy tokoa izy ireo ! ”.

(23) Mandehana amin’ny alina miaraka amin’ireo mpanompoko ianao;fa hisy hanaraka ianareo.

(24) Avelao ho tony araka izao ny ranomasina, fa tafika ho maty an-drano izy ireo.

(25) Firifiry ireo zaridaina sy loharano navelan’izy ireo.

(26) Ireo saha sy fonenana mahafinaritra

(27) Ny fahafinaretana nifalian’izy ireo.

(28) Toy izany no niseho, ka nampandovanay vahoaka hafa izany.

(29) Tsy nisy nitomany azy ireo, na ny lanitra, na ny tany, sady tsy nahazo fanemoram-potoana intsony izy ireo.

(30) Ary navotanay tamin’ny famaizana mahafabaraka ireo zanak’Israely,

(31) Tamin’i Faraona, izay mpanambon'ny tena, isan’ireo mpanao ny tafahoatra.

(32) Hamafisina, fa nofidiay teo anivon’izao tontolo izao izy ireo tamim-pahalalana tanteraka.

(33) Ka nitondranay fahagagana izy ireo, izay misy fitsapana miharihary ho azy.

(34) Milaza izy ireny (mponin'i Makkat) hoe:

(35) Tsy misy afa-tsy ny fahafatesana iray voalohany ihany ho anay. Ary tsy hatsangana amin’ny maty izahay.

(36) Avereno àry ireo razambenay, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo.”

(37) Mendrika kokoa va izy ireo nohon'ny vahoakan’i Tobba, sy ireo talohan’izy ireo ? Naringanay izy ireo, fa tena olon-dratsy.

(38) Tsy ho kilalao no naharianay ny lanitra sy ny tany, ary izay eo anelanelan’izany.

(39) Fa tamim-pahamarinana tokoa no naharianay azy ireny. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo.

(40) Hamafisina, fa ny andro ny fitsarana farany no fotoana hihaonan’izy ireo rehetra.

(41) Ny andro izay tsy hilan’ny olona ny namany intsony; ary tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo.

(42) Afa-tsy, izay niantran’I Allah. Fa Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.

(43) Hamafisina, fa ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe),

(44) Dia ho sakafon’ny be fahotana.

(45) Toy ny vy voarendrika hangotraka ao an-kibo.

(46) Tahaka ny fangotrahan’ny rano mamay.

(47) Raisonareo izy, ka avarino any anaty afo mamaivay.

(48) Avy eo, tondrahinareo rano mangotraka eo ambony lohany ho famaizana azy.

(49) Andramo! Fa ianao ilay nihevi-tena ho mahery, ilay manan-kaja.

(50) Izany mantsy ilay nampisalasala anareo.

(51) Ho amin’ny fonenana azo antoka ireo vontom-pinoana,

(52) Ao amin’ireo zaridaina sy loharano,

(53) Akanjo mangirana sy lamba lasoa no fitafin’izy ireo, ary hipetraka mifanatrika.

(54) Toy izany! Ary tovovavy baribary maso no homenay ho vadin'izy ireo.

(55) Hangataka karazam-boankazo am-pilaminana tanteraka izy ireo ao.

(56) Tsy hanandrana fahafatesana izy ireo ao, afa-tsy ilay fahafatesana voalohany ihany. Ary harovana amin’ny famaizan’ny afo mavaivay izy ireo,

(57) Fahasoavana avy amin’ny Tomponao izany. Ary izany no fahombiazana lehibe.

(58) Nataonay ho mora tamin’ny lelanao izany (Koroany), mba hahatsiaro izy ireo.

(59) Koa miandrasa àry ianao, fa miandry koa izy ireo.