(1) Tena sambatra tokoa ireo mpino.
(2) Ireo izay manetri-tena amin’ny Soalat (vavaka) ataon’izy ireo.
(3) Sy ireo izay manalavitra ny rendrarendra.
(4) Sy ireo izay mamoaka ny Zakat (harena fiantrana).
(5) َAry ireo izay mitandrina ny fitaovam-pananahany amin'ny fahadiovam-pitondra-tenany.
(6) Ka tsy manao firaisana afa-tsy amin'ny vadiny, na amin'ny mpanompony, fa tsy azo omen-tsiny amin'izany izy ireo.
(7) Fa izay mitady fahafinaretana ankoatr'izany kosa, dia izy ireo tokoa no mpandika lalàna.
(8) Izay mitandrina ny fananana nankinina taminy, sy manaja tanteraka ny fifanekena.
(9) Sy ireo izay manatontosa an-tsakany sy an-davany ireo vavaka (Soalat).
(10) Dia izy ireny no mpandova.
(11) Izay handova ny Paradisa «Firdaosy», honina ao mandrakizay izy ireo.
(12) Tena marina fa noharianay avy amin’ny tany (maro isan-karazany) ny olombelona.
(13) Avy eo dia Noharianay avy amin’ny tentin’ny tsirin'aina izy ireo (ka napetrakay) tao amin'ny toerana voaaro (tranon-janaka).
(14) Avy eo dia nataonay ho vaingan-drà izany tsirin'aina izany ; ary avy amin’ny vaingan-drà no nanamboaranay ny vainga-nofo ; ary avy amin’ny vainga-nofo no nanamboaranay ny taolana ; ary notafianay nofo ny taolana. Avy eo dia novanay ho fahariana hafa tanteraka izany. Ka voninahitra anie ho an’I Allah, Ilay tsara indrindra amin’ireo Mpahary !
(15) Avy eo, aorian’izany dia tena ho faty ianareo.
(16) Avy amin’ny Andro Fitsanganana dia hatsangana amin’ny maty ianareo.
(17) Eny, Nahary ny lanitra fito tokoa Izahay eo amboninareo, ary tsy mba variana amin’ny fahariana nataonay Izahay.
(18) Ary nampidina rano avy any an-danitra araka ny fatrany Izahay. Ary notehirizinay tao anaty tany izany, nefa na izany aza dia azonay atao ny mampanjavona azy.
(19) Miaraka amin'ny (rano), nampanirinay ho anareo ny zaridain-kazo palma sy voaloboka izay ahazoanareo ireo voankazo maro, ary hohaninareo ny sasany.
(20) Ary koa ny hazo anankiray (oliva) izay mitsiry eny amin’ny tendrombohitr’i Sinay, izay manome menaka fanosotra sy ampiasaina amin’ny sakafo.
(21) Marina fa amin’ireo biby fiompy dia misy azonareo hodinihana, nomenay hosotroinareo izay anatin’ny kibon’izy ireo, ary ahazoanareo tombontsoa maro samihafa izany raha mihinana amin’izany ianareo.
(22) Izy ireo sy ny sambo no mitondra anareo.
(23) Nalefanay any amin’ny vahoakany I Noa, ka niteny izy hoe : “ Ô ry vahoakako ! Tompoinareo i Allah, tsy manana zanahary hafa ankoatra Azy ianareo. Moa tsy matahotra Azy ve ianareo ?”
(24) Ary dia niteny ireo loholona izay tsy nino tamin’ireo vahoakany hoe : “Tsy iza akory izy, fa olombelona tahaka anareo ihany, izay te-hisongadina ho amboninareo. Raha sitrak’i Allah dia ho nampidina ireo Anjely Izy. Tsy mbola naheno an’izany mihitsy izahay tamin’ireo razambenay fahiny.
(25) Tsy inona akory izany afa-tsy lehilahy azon’ny adalàna, ka andrasanareo fa hodinihana tsara mandritra ny fotoana vitsivitsy ny fihetsiny.
(26) Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho amin'ny lainga izay nataon'izy ireo tamiko ”
(27) Nilaza taminy Izahay hoe : “Amboary eto imasonay ny sambofiara, araka ny fanambarànay, ka rehefa tonga ny didinay, sy hangotraka ny lafaoro dia ampidiro tsiroaroa, mpivady avy (lahy sy vavy) ireo zava-manan’aina isaka ny karazany ao anaty sambofiara, ary koa ny fianakavinao afa-tsy ireo izay efa nametrahana teny mialoha tsy ho amin’izany (tsy voaavotra amin’ny safo-drano), koa aza miresaka amiko intsony ianao mahakasika ireo mpanao ny tsy rariny, fa ho rendrika tanteraka izy ireny.
(28) Ka rehefa tafapetraka tsara ao anatin’ny sambofiara ianao sy ireo izay miaraka aminao dia mitenena hoe : “Dera ho an’i Allah izay nanavotra anay tamin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny”.
(29) Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Ampidino amin’ny fidinana voatsodrano aho, fa Ianao Ilay Mpampidina mendrika indrindra”.
(30) Tena marina fa ao anatin’izany dia misy famantarana maro tokoa. Marina fa Izahay no Mampisedra (azy ireo).
(31) Ary, taorian’izy ireo dia nahary taranaka maro hafa Izahay.
(32) Ka nandefa iraka teo amin’izy ireo Izahay, izay avy tamin’izy ireo ihany (mba hiteny hoe) : “ Tompoinareo I Allah. Tsy manana tompo hafa ankoatra Azy ianareo. Moa tsy matahotra Azy ve ianareo ? ”
(33) Ary niteny ireo loholona, izay tsy nino tamin’ny vahoakany no sady nilaza fa lainga ny fihaonana any an-koatra, nefa izy ireo dia nomenay fahafinaretana tamin’izao fiainana izao, hoe : “Tsy iza akory izany fa olombelona tahaka anareo ihany, mihinana izay haninareo, ary misotro izay sotroinareo”.
(34) Raha mankatò olombelona tahaka anareo ianareo dia ho maty antoka tanteraka.
(35) Moa mampanantena anareo ve izy, fa raha maty ianareo ka ho lasa vovoka sy taolana dia havoaka tao indray (fasana) ?
(36) Lavitra dia lavitra tokoa amin’izay ampanantenaina anareo ianareo.
(37) Izany dia tsy inona, afa-tsy izao fiainantsika eto an-tany izao ihany, ho faty ary ho velona isika, fa tsy hatsangana amin’ny maty na oviana na oviana.
(38) Tsy inona akory izy io afa-tsy lehilahy mamoron-dainga mahakasika an’I Allah ihany, ka tsy hino azy velively izahay.
(39) Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho satria milaza ahy ho mpandainga izy ireo”
(40) Ka niteny Izy (Allah) hoe : “Tsy ho ela dia ho latsa-panenenana tokoa izy ireo”.
(41) Noho izany dia niharan’ilay hiaka tamim-pahamarinana tokoa izy ireo. Ary rehefa avy eo dia nataonay tahaka ny fako noentin-driaka. Hanjavona tanteraka anie ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny.
(42) Ary taorian’izy ireo dia Nahary taranaka maro hafa Izahay.
(43) Tsy misy vondron’olona na iray aza afaka hampandroso na hampihemotra ny fe-potoany.
(44) Manarak'izany dia nandefa nifanesy ireo Irakay Izahay. Ka isaky ny tonga amin’ny vahoakany ny Iraka iray, dia lazain’izy ireo ho mpandainga. Ary nampifandimbiasanay ny fandringanana azy ireo, ka nataonay ho tantara izy ireo. Horingana avokoa anie ireo vahoaka tsy mpino.
(45) Avy eo dia nalefanay i Mosesy sy ny rahalahin'i Harona niaraka tamin’ireo fahagagana sy ny porofo miharihary,
(46) Ho any amin’i Faraona sy ny loholony, ka niavonavona izy ireo. Vahoaka feno fianjoanjonana izy ireo.
(47) Niteny izy ireo hoe : “Moa ve hino ireo lehilahy roa mitovy aminay izahay, nefa ny vahoakan'izy ireo dia andevonay ?
(48) Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga izy roa lahy, dia lasa anisan’ireo ringana tanteraka izy ireo.
(49) Ary tena nomenay an’i Mosesy ny Boky (Tora), angamba hiroso amin’ny làlana mahitsy izy ireo.
(50) Ary nataonay ho fahagagana tena miavaka ny zanak’i Maria (Jesosy) sy ny reniny (Maria), ka nomenay fialofana izy roa teny ambony havoana feno fitoniana, sady misy loharano.
(51) Ô ianareo Iraka ! Mihinana ianareo amin’ireo zavatra tsy voarara sy madio. Ary manaova ny tsara, satria tena mahafantatra izay rehetra ataonareo Aho.
(52) Ary tena marina, fa ity vahoakanareo ity, dia vahoaka tokana ihany, Izaho irery no Tomponareo. Ka matahora Ahy àry ianareo.
(53) Nefa dia nizarazara ho antoko-pinoana maro izy ireo, ka isaky ny antoko-pinoana dia finaritra amin’izay eo am-pelatànany.
(54) Avelao izy ireo, amin’ny fahaverezany mandritra ny fotoana vitsivitsy.
(55) Mihevitra ve izy ireo, fa izay omenay azy ireo amin’ny harena sy zanaka,
(56) Dia ho fanafaingananay ho azy ireo amin’ny fanaovana ireo hatsarana ? Nefa tsy izany, fa izy ireo dia tsy mahatsiaro tena.
(57) Marina fa ireo izay feno fatahorana ny Tompony, dia fatra mpitandrina.
(58) Sy ireo izay mino ireo fanambaran’ny Tompon'izy ireo.
(59) Sy ireo izay tsy manakambana ny Tompony na amin’inona na amin’inona.
(60) Ary ireo manome izay nomena azy, ary feno fatahorana ny fon’izy ireo, fa tsy maintsy hiverina amin’ny Tompony izy ireo.
(61) Izy ireny dia mizotra haingana amin’ny fanaovana ireo asa soa, ary voalohany amin’ny fanatanterahana izany.
(62) Izahay dia tsy mampitondra ny olona ny zavatra izay tsy zakany, ary eo anatrehanay dia misy Boky izay milaza ny marina, ka tsy hambakaina mihitsy izy ireo.
(63) Nefa ny fon’izy ireo dia mitoetra ao anatin’ny habadoana eo anatrehan’izany (Kor’any). Ankoatra izany, dia manana asa (ratsy) izay tanterahany izy ireo.
(64) Mandra-pandefasanay ny famaizana ho amin’ny manan-katao amin’izy ireo, dia indro hikiakiaka hiantso vonjy izy ireo.
(65) Aza mikiakiaka miantso vonjy ianareo androany, fa tsy misy afaka hiaro anareo hanohitra Anay.
(66) Efa novakiana taminareo ireo fanambaranay, nefa notsipahanareo izany.
(67) Feno fiavonavonana ianareo, ary namaivaninareo izany nandritra ny fiaretan-tory nataonareo.
(68) Moa ve tsy mandinika ny teny (Kor’any) izy ireo ? Sa efa tonga tamin’izy ireo izay tsy mbola tonga mihitsy tamin’ireo razambeny fahiny.
(69) Sa tsy nahafantatra ny Iraka tonga taminy ve izy ireo, ka notsipahan’ izy ireo izy ?
(70) Sa hiteny izy ireo hoe : “Azon’ny adalana izy ?”. Tsy izany mihitsy, fa ny fahamarinana no nentiny tamin’izy ireo. Ary ny ankamaroan’izy ireo dia mankahala ny fahamarinana.
(71) Raha ny fahamarinana nifanaraka tamin’ny sitrapon’izy ireo, dia ho simba tokoa ireo lanitra sy ny tany ary izay ao aminy. Tsy izany anefa, fa efa nomenay azy ireo ny fampatsiahivana. Nefa nitodi-damosina tamin’ny fampatsiahivana izy ireo.
(72) Sa mangataka tambiny amin’izy ireo ve ianao ? Fa ny tambiny avy amin’ny Tomponao no mendrika indrindra. Ary Izy no Ilay Mpanome anjara fivelomana tsara indrindra.
(73) Ary ianao no tena miantso azy ireo amin’ny làlana mahitsy.
(74) Nefa ny marina, dia ireo izay tsy mino ny any ankoatra no tena mihataka io lalana io.
(75) Raha namindra fo tamin’izy ireo Izahay sy nanala ny ratsy taminy, dia tena mbola nijanona ihany tao anatin’ny fandikan-dalàna izy ireo, sy mandeha anjambany ary misalasala.
(76) Ary efa noraisinay tamin’ny famaizana tokoa izy ireo, nefa mbola tsy nankato ny Tompon’izy ireo ihany, ary tsy mitalaho mihitsy.
(77) Mandra-pahatongan’ny andro izay hanokafanay ny varavaran’ny famaizana mafy, dia indro fa tena kivy tanteraka izy ireo.
(78) Ary Izy no Nahary ho anareo ny fandrenesana, ireo fahitana sy ireo fo. Nefa zara raha mankasitraka ianareo.
(79) Ary Izy no nampiely anareo eny ambonin’ny tany, ary any Aminy no hanangonana anareo.
(80) Ary Izy no manome ny aina sy manome ny fahafatesana; ary miankina Aminy ny fifandimbiasan’ny alina sy ny atoandro. Moa ve tsy mba misaina ianareo ?
(81) Nefa dia niteny mitovy amin’izany no notenenin’ireo olona talohan’ izy ireo.
(82) Niteny izy ireo hoe : “Raha maty izahay, ka lasa vovoka sy taolana. Moa hatsangana amin’ny maty tokoa ve izahay ?”
(83) Efa nampanantenana izany izahay, sy ireo razam-benay teo aloha ihany koa, dia tsy inona akory izany afa-tsy anganon’ireo Ntaolo fahiny”.
(84) Teneno hoe : “An’iza ny tany sy izay rehetra ao aminy, raha toa ka mahalala ianareo ?”
(85) Hiteny izy ireo hoe : “An’I Allah”. Teneno hoe : “Moa tsy tsaroanareo ve izany ?”
(86) Ka teneno hoe : “Iza no Tompon’ireo lanitra fito, ary iza no Tompon’ny Seza fiandrianana lehibe ?”
(87) Hiteny izy ireo hoe : “An’I Allah”. Teneno hoe : “Moa tsy matahotra ve ianareo ?”
(88) Teneno hoe : “Eo am-pelatanan’iza ny fanjakana fara-tampon’ny zava-drehetra, ary iza no miaro sy tsy mila fiarovana, raha fantatrareo (izany) ?
(89) Hiteny izy ireo hoe : “Ho an’I Allah” Teneno hoe : “Ahoana àry ianareo no mbola hanjakan’ny mosavy, (ka nahatonga anareo tsy hino Azy) ?”
(90) Nefa noentinay tamin’izy ireo ny fahamarinana, ary tena marina fa mpandainga izy ireo.
(91) Tsy manan-janaka velively Allah, ary tsy misy zanahary hafa miaraka Aminy. Raha tsy izany dia samy handeha hiaraka amin’izay nohariany avy ny zanahary tsirairay. Ary ny sasany amin’izy ireo dia ho lasa ambonimbony noho ny hafa. Ho an’i Allah anie ny voninahitra sy ny fahadiovana ! Izy no ambony indrindra amin’izay faritan’izy ireo.
(92) (Izy no) Mahalala ny zava-miafina sy ny hita maso ! Ary Izy dia ambony lavitra noho izay ankamban’izy ireo Aminy !
(93) Teneno hoe : “Tompo ô ! Raha sanatria ka asehonao ahy izay ampanantenainao azy ireo."
(94) "Tompo ô ! Aza atao ho anisan’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny aho !”
(95) Ary ho afaka tokoa hampiseho aminao izay nampanantenanay azy ireo Izahay.
(96) Atoseho amin’ny alalan’izay tena tsara ny ratsy. Izahay no tena mahalala izay faritan’izy ireo.
(97) Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Mangataka fiarovana Aminao aho, mba hanoherana ireo fanangolen’ireo satana."
(98) " Ary mangata-piarovana Aminao ihany koa aho ry Tompo, mba tsy hanatonan’izy ireo ahy”.
(99) Koa rehefa tonga amin’ny anankiray amin’izy ireo ny fahafatesana, dia hiteny izy hoe : ”Ry Tompoko ! avereno indray (eny ambonin’ny tany) aho.
(100) "Mba hanaovako ny tsara tamin’izay navelako”. Tsia ! Izany dia teny lazaina fotsiny ihany. Ary aorian’izy ireo anefa dia misy sakana (barzakh) hatramin’ny andro izay hananganana azy ireo amin’ny maty.
(101) Ary raha ho tsofina ny Trompeta (Anjomara) dia tsy hisy intsony ny fihavanana amin’izy ireo amin’izany andro izany, ary tsy hifanontany izy ireo.
(102) Ka izay mavesatra ny mizànany, dia izy ireny no olon-tsambatra.
(103) Fa ireo izay maivana kosa ny mizànany, dia maty antoka ny tenan'izy ireo, ka hitoetra ao anatin’ny afobe mandrakizay izy ireo.
(104) Handoro ny tavan’izy ireo ny afo, ary hikainkona ny molotr’izy ireo amin’izany.
(105) “Moa ve tsy novakiana taminareo ireo fanambarako, nefa nolazainareo fa lainga izy ireny”.
(106) Niteny izy ireo hoe : “Tomponay ô ! Resin’ny fahorianay izahay, ary olona very làlana izahay”.
(107) "Tomponay ô ! Avoahy amin’izao (afobe) izahay ! Ka raha mamerina indray izahay dia mpanao ny tsy rariny tokoa”.
(108) Niteny Izy ka namaly hoe : “Mijanona ao ianareo (afa-baraka), ary aza miteny Amiko intsony”.
(109) Misy andiany tamin’ireo mpanompoko izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Mino izahay, ka avelao ny helokay ary hamindrao fo izahay, fa Ianao no Mendrika indrindra amin’ireo mpamindra fo.”
(110) Ka nanesoheso azy ireny ianareo, hany ka adinonareo tanteraka ny fahatsiarovana Ahy, ary nataonareo fihomezana izy ireo.
(111) Tena marina fa Izaho indrindra no hanome valisoa azy ireo anio, noho izy ireo naharitra, ary izy ireo tokoa no mpandresy.
(112) Niteny Izy nanao hoe : “Firy taona no nipetrahanareo teny ambonin’ny tany ?”
(113) Niteny izy ireo, ka namaly hoe : “Nipetraka andro iray izahay teny, na tapak’andro (ampahan’ny andro), koa anontanio àry ireo mpanisa”.
(114) Niteny Izy hoe : “Tsy nipetraka raha tsy fotoana vitsy monja ianareo, raha mba fantatrareo tokoa izany”.
(115) Moa ve mihevitra ianareo, fa noharianay tsy amin’ny antony, ary tsy haverinay aty Aminay ianareo ?
(116) Fiderana avo indrindra ho an’I Allah, Ilay Mpanjaka tena marina. Tsy misy tompo afa-tsy Izy. Tompon’ny Seza fiandrianana be voninahitra.
(117) Ary na iza na iza miantso tompo hafa miaraka amin’I Allah, ka tsy manana porofo mazava ny amin’izany izy, dia eo anatrehan’ny Tompony. ny fitsarana azy. Tena marina fa tsy hahita fahombiazana ireo tsy mpino.
(118) Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Mamelà sy mamindrà fo, fa Ianao no Mendrika indrindra amin’ireo mpamindra-fo."