(1) Noun; Mianiana amin'ny penina sy izay nosoratan'izy ireo aho !
(2) Fa tsy adala akory ianao nohon'ny fahasoavan'i Tomponao.
(3) Ary hamafisina fa hisy valisoa tsy hitsahatra mihitsy ho anao.
(4) Hamafisina fa ianao dia ambony toetra mendrika tokoa.
(5) Ho hitanao ary ho hitan'izy ireo ihany koa.
(6) Fa iza aminareo no very saina ?
(7) Ny Tomponao no tena mahafantatra izay very lalana ary fantany ireo mankany amin'ny lalana mahitsy.
(8) Koa aoka ianao tsy hankato ireo mpilaza lainga.
(9) Fa tian'izy ireo raha mandefitra amin'izy ireo ianao mba handeferan'izy ireo aminao.
(10) Koa aza mankato ireo fatra mpanozona, mendrika ho tevahina.
(11) Mpanala baraka, mpanendrikendrika.
(12) Mpanakana ny tsara , mpandika lalàna , mpanota.
(13) Mafy fo, ary ankoatr'izany dia tsy manan-dray.
(14) Na dia manana harena sy zaza maro aza izy.
(15) Koa rehefa torina aminy ny faminaniana avy Amiko dia lazainy fa angano sy ariran'ny Ntaolo izany.
(16) Asinay famantarana eo amin'ny vavany.
(17) Nosedranay izy ireo tahaka ny nosedranay ireo Tompon'ny saha, izay niozona fa hanao fiotazana ny maraina.
(18) Saingy tsy niteny hoe : raha sitrapon'I Allah izany.
(19) Ka nisy loza avy any amin'i Tomponao ary nilatsaka nandritra ny natorian'izy ireo.
(20) Ary ny marina dia tahaka ny nokakasana avokoa ny zavatra rehetra.
(21) Nifampiantso izy ireo ny maraina.
(22) Mandehana vao maraina any an-tsaha ianareo, raha te-hioty ny vokatra.
(23) Dia nandeha ary izy ireo no sady niresaka moramora hoe :
(24) Aza avelanareo hidiran'ireo mahantra mihitsy ao androany.
(25) Nandeha vao maraina izy ireo, tapa-kevitra ny hahihitra sady natoky fa fahefan'izy ireo izany.
(26) Ka rehefa hitan'izy ireo izany dia hoy izy ireo : Very lalana tokoa isika.
(27) Na tena niala maina isika.
(28) Hoy ny olo-marina indrindra tamin'izy ireo : "Tsy efa nolazaiko taminareo va raha mba nanome voninahitra an'I Allah mantsy ianareo"
(29) Dia hoy izy ireo : "Voninahitra ho an'i Tomponay ! Eny nanao ny tsy rariny tokoa izahay."
(30) Avy eo dia nifampitodika izy ireo nifanome tsiny.
(31) Ka hoy izy ireo : "loza ho anay ! Nikomy tokoa izahay !"
(32) Maniry izahay ny mba hanoloan'i Tomponay izany amin'ny zavatra tsaratsara kokoa, ny hanantona ny Tomponay no fanirianay.
(33) Toy izany ny famaizana, fa lehibe noho izany ny famaizana any ankoatra, raha mba fantatr'izy ireo mantsy !
(34) Fa mahazo ireo zaridainam-pahasambarana eo akaikin'i Tompony kosa ireo vontom-pinoana.
(35) Moa va ataonay tahaka ireo mpanao ratsy ireo mpankato?
(36) Inona no mahazo anareo ? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo ?
(37) Sa manana Boky hianarana kosa va ianareo ?
(38) Ka ho azonareo amin'izany izay irinareo ?
(39) Sa nahazo fanomezan-toky marina avy Aminay va ianareo hatramin'ny andro fitsanganana, ka hanomezanay araka izay fanapahan-kevitrareo ?
(40) Anontanio azy ireo izay hiantoka izany aminy.
(41) Na koa manana mpiray antoka va izy ireo ? Aoka ary ho entin'izy ireo izany, raha tena mpilaza ny marina izy ireo !
(42) Amin'ny andro hiatrehan'izy ireo ny zavatra mampihorohoro, ka hiantsoana azy ireo amin'ny fiankohofana, kanefa tsy afaka hanao izany intsony izy ireo.
(43) Dia hiondrika ny fijerin'izy ireo, ary hanarona azy ny fahafaham-baraka, kanefa dia nantsoina ho amin'ny fiankohofana izy ireo tamin'ny fotoana nahasalama azy ireo.
(44) Avelao ary aho hiaraka amin'izay miampanga ity lahateny ity ho lainga, fa ho entinay miandalana amin'izay tsy fantany izy ireo !
(45) Ka omeko fe-potoana izy ireo fa tena azo antoka tokoa ny tetiko !
(46) Sa mangataka tambiny amin’izy ireo va ianao hany ka vesaran-trosa maro izy ireo ?
(47) Sa fantatr'izy ireo va ny zava-miafina ; ka avy amin'izany no anoratany (ny laingany).
(48) Zakao amim-paharetana ny didin'ny Tomponao, fa aza manao tahaka ilay olon'ny trondro (jonasy), izay niantso an'I Allah tao anatin'ny tebiteby mafy.
(49) Raha tsy tonga taminy ny fitahiana avy amin'ny Tompony dia ho voatsipy, ka afa-baraka teny amin'ny tany tsy misy olona izy.
(50) Dia nofidin'ny Tompony izy, ka nataony ho isan'ireo olo-mendrika.
(51) Kely fotsiny no tsy handratran'ireo tsy mpino anao amin'ny fijeriny (feno fahatezerana), rehefa mandre ny fampahatsiarovana izy ireo, ka miteny hoe: "Tena adala tokoa izy!"
(52) Ary tsy inona izany fa fampahatsiarovana ihany ho an'izao tontolo izao.