(1) Amin'ny anaran'i Allah,ilay Be indrafo,ilay Be fiantrana.
(2) Ny Dera sy ny Voninahitra rehetra dia ho an'Allah Ilay Tompon'izao tontolo izao.
(3) ilay Be Indrafo, ilay Be Fiantrana.
(4) Mpanjakan'ny andro fitsarana
(5) Ianao irery ihany no tompoinay, ary Ianao irery ihany koa no angatahinay ny famonjena.
(6) Tariho mandrakariva amin'ny làlana mahitsy izahay.
(7) Dia làlan'ireo nomenao fahasoavana; fa tsy ny an'ireo izay niharan'ny fahatezerana na ireo very làlana.