79 - An-Naazi'aat ()

|

(1) Mianiana Aho amin'ireo anjely izay manongotra amin-kery ny aina,

(2) sy amin'ireo anjely izay manala malefaka ny aina;

(3) amin'ireo anjely mpivezivezy mpamita iraka,

(4) amin'ireo anjely izay mitari-dalana ireo fanahin'ireo mpino,

(5) ary mandrindra ny zava-drehetra,

(6) amin'ny andro izay hisian'ny horohoro nohon'ny fidoboky ny anjomara voalohany,

(7) hanaraka izany koa ny fidoboky ny anjomara faharoa,

(8) amin'izay andro izay dia ho feno tebiteby ny fo,

(9) ary ny fijerin'izy ireo dia hitanondrika,

(10) Hiteny izy ireo hoe: "Ahoana no hiverenantsika ho toy ny teo aloha indray?";

(11) " Raha toa isika ka ho taolana sy ho vovoka feno fahalovana? "

(12) hilaza izy ireo hoe: " Dia ho fiverenana hamono antoka izany "

(13) Aza mangataka ny hanalavitra fa tsy hisy afa-tsy antso tokana ihany izany.

(14) Ary dia indro izy ireo ho eo ambonin'ny tanim-pitsarana

(15) Moa ve tonga taminao ny tantaran'i Moosa?

(16) Tamin'ny niantsoan'ny Tompony azy tao an-dohasaha masin'i To'a?

(17) Mandehana ianao any amin'ny Farao, fa raha ny tena marina dia efa mpikomy izy.

(18) Ary lazao azy hoe: " Manana faniriana hanadio tena ve ianao?

(19) Ka hotarihiko ho amin'ny fanompoana ny tomponao mba hanampahatahorana Azy ?

(20) Ary dia nasehony azy ny famantarana lehibe.

(21) Nihevitra izany ho lainga anefa izy ka dia tsy nankato,

(22) Fa nihodina nanda ny finoana izy ireo ary lasa faingana nanao ny faharatsiana

(23) Dia namory ireo olony izy ary nanao fanambarana.

(24) ka nilaza hoe: " Izaho no tomponareo, ilay avo indrindra."

(25) Nohon'izany dia nampiharin'I Allah taminy ny sazy teto an-tany ary homeny koa ny any an-koatra,

(26) Izany toe-javatra izany dia fampieritreretana lehibe tokoa ho an'izay manana fahatahorana an'I Allah.

(27) Moa ve ny fahariana anareo dia nanao sarotra tokoa nohon'ny nahariana ny lanitra izay naoriny.

(28) Nataony ho ambony toerana ary vita mitovy tantana,

(29) Nataony ho maizina ny alina ary nohazavany ny androny,

(30) Ary ny tany kosa taorian'izany dia nataony midadasika,

(31) ka avy taminy no namoahany ny rano sy ny kijana firaofanan'ny biby.

(32) Ary ireo tendrombohitra dia nataony andry iankinany;

(33) Mba hahasoa anareo sy ireo biby fiompinareo,

(34) rehefa ho tonga ny fikorontanana lehibe,

(35) amin'ny andro izay hahatsiarovan'ny olombelona ny asa rehetra nataony,

(36) dia hibaribary amin'izay mijery ny Afo be,

(37) Fa izay nikomy tsy nankato an'I Allah kosa

(38) sy nifidy ny fiainana eto ambonin'ny tany,

(39) dia ny Afo be no hitoeran'izy ireo,

(40) Ary ho an'izay natahotra ny fihaonan'izy ireo eo anoloan'ny Tompony sy nitandrina ny tenany tamin'ny filan-dratsin'ny nofo kosa;

(41) dia ny paradisa no ho fonenan'izy ireo,

(42) Hanontany anao ny amin'ny andro farany izy ireo hoe: "Rahoviana anga no ahatongavan'izany? "

(43) Amin'ny fomba ahoana no hilazanao izany amin'izy ireo?

(44) any amin'ny Tomponao ny fahalalana izany.

(45) Satria ianao dia mpampitandrina ihany an'izay manana fahatahorana an'izany,

(46) Amin'ny andro izay hahitan'izy ireo ny andro farany dia tahaka ny tsy nonina tety an-tany afa-tsy indray maraina na indray hariva fotsiny izy ireo,