19 - Maryam ()

|

(1) Kàf, Hà,Yà,A'in, Swàd.

(2) Tantaran’ny famindram-pon’ny Tomponao, tamin’i Zakaria mpanompony.

(3) Rehefa niantso ny Tompony Izy tamin’ny fitalahoana mangina,

(4) Sady niteny nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Osa ireto taolako, ary nirongatra ny volo fotsy eo amin’ny lohako. ka nefa, tsy mbola diso fanantenana mihitsy Aho amin’ny fitalahoana Aminao, ô ry Tompoko !

(5) Matahotra Aho ny amin’ny fitondran-tenan’ireo mpandova Ahy aoriako. Ary ny vadiko dia momba, ka mba omeo taranaka avy Aminao Aho.

(6) Izay handova Ahy, sy handova ny taranak’i Jakoba. Ka ataovy ho anisan’izay ankasitrahanao Izy, ô ry Tompoko ! ”.

(7) “ Ô ry Zakaria ! Manambara vaovao mahafaly ho Anao Izahay, fa hanana Zanaka lahy Ianao, ary ny anarany dia : Yahya (Jaona). Tsy mbola misy nomenay anarana mitovy amin’izany teo aloha.

(8) Ary niteny izy (Zakaria) nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Ahoana no hananako Zanaka lahy, nefa momba ny vadiko, ary Izaho dia efa tra-pahanterana ? ”

(9) Niteny taminy Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Ho tanteraka izany ! ”. Niteny ny Tomponao ka nanao hoe : “ Mora Amiko izany ! Talohan’izany, nahary Anao Aho, nefa tsy mbola nisy Anao ”.

(10) Niteny Izy (Zakaria) nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Omeo famantarana Aho ”. Dia niteny (Allah) ka nanao hoe : “ Ny famantarana ho Anao dia tsy afaka hiteny aman’olona Ianao mandritra ny telo alina, nefa ho salama tsara Ianao.

(11) Dia nivoaka ny toerana masina Izy, ka nankany amin’ny vahoakany ; dia nanao famantarana tamin’izy ireo izy mba hitalaho (amin’i Allah) maraina sy hariva.

(12) “ Ô ry Yahya (Jaona) ! Raiso ny Boky (Taoraty), ka mifikira mafy aminy ! ”. Ary nomenay fahendrena Izy fony mbola zaza,

(13) Ary koa fitiavana avy Aminay sy fahadiovana, ary Izy dia nanam-patahorana (an’i Allah).

(14) Ary niantra ireo Ray aman-dreniny Izy; ary tsy mba nahery setra sy tsy mba nanota.

(15) Ary ho Aminy anie ny fiadanana, amin’ny Andro izay nahaterahany, sy amin’ny Andro izay ahafatesany, ary amin’ny Andro izay hananganana Azy amin’ny maty ho velona !

(16) Tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Mariamo (Maria), raha nisintaka tamin’ny fianakaviany Izy, nankany amin’ny toerana iray any antsinanana.

(17) Ka nasiany lamba sarona nanelanelana Azy,sy izy ireo. Ary nalefanay Taminy ny Anjelinay (Gabriel), izay niseho Taminy amin’ny endrika lehilahy tomady.

(18) Niteny Izy (Mariamo) ka nanao hoe : “ Izaho dia mangataka fiarovana amin’Ilay be Fiantrana hanoherako Anao; raha tena manam-patahorana Ianao !

(19) Namaly izy (Gabriel) hoe : “Izaho dia tena Iraka avy amin’ny Tomponao, mba hanome anao zaza lahy madio”.

(20) Niteny Izy (Mariamo) ka nanao hoe : “ Ahoana moa no hananako Zanaka lahy, nefa tsy nisy lehilahy nikasika Ahy akory aza, ary tsy mba mpijangajanga Aho ? ”

(21) Niteny Izy (Gabriel) ka nanao hoe : “ Ho tanteraka izany ! ”.Niteny ny Tomponao hoe : “ Mora Amiko izany ! Ary hataonay famantarana ho an’ny Olombelona Izy, sy famindram-po avy Aminay. Ary izany dia didy efa tapaka ”.

(22) Dia nitoe-jaza àry Izy,ka nisintaka niaraka Taminy (zazakely) tamin’ny toerana lavidavitra Izy.

(23) Dia nitondra azy teo am-pototry ny hazo palma (atrendry) rehefa nihetsi-jaza, dia hoy izy tamin’izany : “Loza ho Ahy! Aleoko maty talohan’izao fotoana izao ka nohadinoina tanteraka aho!”

(24) Dia niantso azy ny avy ao ambaniny nanao hoe : “ Aza malahelo ianao; fa nasin’ny Tomponao loharano eo ambaninao ”.

(25) Hozongozono mankany Aminao ny vatan’ny palma (atrendry);fa handatsaka atrendry tsara sady masaka eo Aminao Izy.

(26) Koa mihinàna sy misotroa Ianao, ary aoka hifaly ny masonao ! Raha mahita Olona Ianao dia mitenena hoe : “ Marina fa Izaho dia nanao voady fifehezana tamin’ilay be Fiantrana, ka tsy hiteny amin’ny Olona na iza na iza Aho Androany ”.

(27) Avy eo dia tonga teo anatrehan’ny mpiara-monina Aminy Izy nitondra ilay Zazakely. ka Niteny izy ireo (mpiara-monina) nanao hoe : “ Ô Mariamo (Maria) ! Nanao zavatra mahatsiravina Ianao ! ”

(28) Ô ry anabavin’i Harona ! Ny Rainao dia tsy mba Olon-dratsy, ary ny Reninao dia tsy mba mpijangajanga akory.

(29) Ka nanondro ilay Zazakely Izy (Mariamo). ka Niteny izy ireo nanao hoe : “ Ahoana no hitenenanay amin’ny Zazakely mbola eo am-pandriana ? ”

(30) Niteny izy (ilay zazakely) nanao hoe : “ Tena marina fa Izaho dia mpanompon’i Allah. Nomeny Ahy ny Boky, ary nanendry Ahy ho Mpaminany Izy,

(31) Ary na aiza na aiza misy ahy, dia nohamasininy aho, ary nandidy ahy hanatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat) sy ny harena fiantrana (zakat) Izy, raha mbola velona aho.

(32) Ary mba hiantra (hanao soa) ny reniko. Fa tsy nataony mahery setra, na ory Aho.

(33) Ary ho Amiko ny fiadanana tamin’ny Andro izay nahaterahako, sy amin’ny Andro izay ahafatesako, ary amin’ny Andro izay hananganana Ahy ho velona.

(34) Izany no Issa (A.s) i (Jesoa) Zanakin’i Mariamo (A.s) (Maria), tenin’ny fahamarinana izay mampisalasala azy ireo.

(35) Tsy mendrika an’i Allah ny hanan-janaka fa Azy ny voninahitra sy ny fahadiovana ! Rehefa mandidy zavatra iray Izy, dia miteny hoe : “ Misia ! ” dia misy tokoa izany.

(36) Ary tena marina fa i Allah no Tompoko sy Tomponareo ka tompoinareo Izy, izany no làlana mahitsy.

(37) Tsy nitovy hevitra ireo antokon’Olona teo amin’ny samy izy ireo (taty aoriana), loza ho an’ireo izay tsy nino ny fiatrehana ilay Andro lehibe.

(38) Tahaka ny handrenesan’izy ireo sy ny ahitany tsara ilay Andro hiaviany any Aminay ! Nefa ankehitriny, ireo mpanao ny tsy rariny dia ao anatin’ny fahaverezana tanteraka.

(39) Ary ampitandremo azy ireo ny Andron’ny Fanenenana, rehefa tapaka ny didy; nefa izy ireo dia mbola variana ihany (eto an-tany) no sady tsy mino.

(40) Tena marina fa Izahay tokoa no handova ny tany sy izay rehetra ao aminy, ary any Aminay no hamerenana azy ireo.

(41) Ary tsiahivo Ibrahimo (A.s), ao anatin’ny Boky (Koroany), fa Olona tena marina sady Mpaminany Izy.

(42) Koa rehefa niteny tamin’ny Rainy izy ka nanao hoe : “ Ô ry dada ! Nahoana ianao no manompo izay sady tsy maheno no tsy mahita, ary tsy hitera-bokatsoa aminao na amin’inona na amin’inona io? ”

(43) Ô ry dada ! Marina fa tonga Tamiko ny fahalalana izay tsy nanananao; koa araho Aho,fa hotarihiko amin’ny làla-mahitsy Ianao.

(44) Ô ry Dada ! Aza manompo ny Satana ianao. Marina fa ny Satana dia tsy nankatò ilay be Fiantrana.

(45) “ Ô ry Dada ! Tena matahotra Aho, sao ho azon’ny famaizana avy amin’Ilay be Fiantrana Ianao, ka ho lasa naman’ny Satana Ianao ”.

(46) Niteny Izy (dadan’i Ibrahimo) ka nanao hoe : Ô ry Ibrahimo (A.s) ! Tsy mankasitraka ireo Zanahariko ve Ianao ? Raha tsy mitsahatra amin’izany Ianao dia hotorahako vato, halaviro Aho mandritra ny fotoana maharitra.

(47) Niteny izy (Ibrahimo) ka nanao hoe : “ Ho Aminao anie ny fiadanana ! Hangataka famelan-keloka ho Anao Aho amin’ny Tompoko. Nanome Ahy fahasoavana mandrakariva Izy.

(48) Hisintaka anareo aho sy amin’izay italahoanareo ankoatr’i Allah, ary hitalaho amin’ny Tompoko aho, manantena aho fa tsy ho ory amin’ny antso ataoko amin’ny Tompoko.

(49) Rehefa nisaraka tamin’izy ireo, sy izay nitompoin’izy ireo ankoatran’i Allah Izy, dia nomenay an’i Isaka (A.s) sy i Jakoba (A.s),ary samy nataonay ho Mpaminany izy Roa ireo.

(50) Ary nomenay ny indrafonay izy ireo,sady nomenay ny fiteny ambony feno fahamarinana.

(51) Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Mosa (A.s) (Mosesy), fa tena Olo-marina tokoa izy, sady Iraka no Mpaminany.

(52) Ary nantsoinay Izy teo akaikin’ny tendrombohitra Sinaï, tamin’ny ilany havanana, ary nampanatoninay akaiky dia akaiky Izy sady nitenenanay.

(53) Ary nohon'ny indrafonay dia nomenay Azy i Harona rahalahiny, ho Mpaminany.

(54) Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koo’any) i Ismael, mitana ny teny nomena izy, sady iraka no Mpaminany.

(55) Ary nandidy ny fianakaviany Izy mba hanatanteraka ny Soalat (vavaka) sy ny Zakat (harena fiantrana), ary nahazo fankasitrahana tamin’ny Tompony Izy.

(56) Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Idris, Olo-marina no sady Mpaminany.

(57) Ary nasondrotray amin’ny toerana ambony Izy.

(58) Izy ireny no nomen’i Allah fahasoavana, tamin’ireo Mpaminany, tamin’ireo taranakan’i Adama, sy tamin’ireo nen-tinay niaraka tamin’i Noa, sy tamin’ireo taranakan’i Ibrahimo sy Israely, ary koa tamin’ireo izay notarihanay sy nosafidinay. Rehefa vakiana amin’izy ireo, ireo andininy avy amin’Ilay be Fiantrana dia miantoraka sy miara-miankohoka sady mitomany izy ireo.

(59) Avy eo dia nandimby azy ireo (taranaka) izay nanao tsirambina ny Soalat (vavaka) sy nanaraka ny sitrapony. Tsy ho ela dia hihatra amin’izy ireo ny fahaverezana.

(60) Afa tsy izay mibebaka, sy mino ary manao asa soa, izy ireny no hiditra ao anatin’ny paradisa, ary tsy hiangarana mihitsy.

(61) Ao amin’ireo zaridain’i Paradisa (fonenana mandrakizay) izay nampanantenain’Ilay be Fiantrana ho an’ireo mpanompony, (izay nino) ny zava-miafina.Tena marina fa izany fampanantenana izany, dia tsy hisalasalana fa tsy maintsy ho tonga.

(62) Izy ireo dia tsy haheno teny tsy mendrika ao; tsy misy afa tsy (ny fitenenana) hoe : ” salam”(fiadanana); ary hanana ny anjara sakafony maraina sy hariva izy ireo ao.

(63) Izany no Paradisa izay hampandovanay ireo mpanomponay izay manam- patahorana.

(64) Ary tsy midina Izahay raha tsy araka ny didy avy amin’ny Tomponao. Azy avokoa izay eo anoloanay sy izay aorianay ary izay rehetra eo anelanelan’izy Roa. Tsy mba manadino na inona na inona ny Tomponao.

(65) (Izy no) Tompon’ireo ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra manelanelana azy Roa ! Tompoy àry Izy, ary manàna faharetana amin’ny fanompoana Azy. Mahafantatra ny mitovy Aminy ve Ianao ?

(66) Ary miteny ny Olombelona ka manao hoe : “ Moa ve rehefa maty dia mbola haverina ho velona indray Aho ? ”

(67) Moa ve tsy tadidin’ny Olombelona, fa Izahay tokoa no nahary Azy tany aloha, fony izy mbola tsy nisy ?

(68) Marina amin’ny Tomponao ! Fa hangoninay izy ireo sy ireo satana. Avy eo dia apetrakay am-pandohalihana manodidina ny Afobe izy ireo.

(69) Ary avy eo, dia tena halainay avy amin’ny andiany tsirairay avy, ireo izay nikiry fatratra tamin’ny fanoherana ilay be Fiantrana.

(70) Ary Izahay no mahalala tokoa izay mendrika hodorana amin’izy ireo.

(71) Tsy misy tsy handalo amin’izany (tetezana ambonin’ny Afobe) Ianareo, izany dia didy tsy azo hidovirana (hialana) avy amin’ny Tomponao.

(72) Ary avy eo, dia havotanay ireo izay manam-patahorana. Fa havelanay am-pandohalihana ao kosa ireo mpanao ny tsy rariny.

(73) Ary rehefa vakiana amin’izy ireo, ireo andininy mazava amin’ny teninay, dia miteny ireo tsy mpino amin’ireo mpino manao hoe : “ Iza amin’ny andiany Roa ireo, no manana toerana mampiadana, sy namana mendrika indrindra ? ”.

(74) Ary firifiry moa no naringanay tamin’ireo taranaka talohan’izy ireo, izay nihoatra azy ireo tamin’ny fananana, sy tamin’ny endrika ivelany.

(75) Teneno hoe : “ Izay ao anatin’ny fahaverezana, dia aoka ilay be Fiantrana hanalava ny fiainany, mandra-pahitan’izy ireo,na ilay famaizana na ilay Ora ”. Ka ho fantatr’izy ireo, iza no manana toerana ratsy indrindra, sy manana ny andiana miaramila tena osa.

(76) Ary ampitomboin’i Allah fahitsiana ireo izay manaraka ny làla-mahitsy. Ary ireo asa soa maharitra, dia mendrika ny valisoa tsara indrindra, sy ny fiafarana tsara indrindra eo anatrehan’ny Tomponao.

(77) Hitanao ve ilay tsy nino ireo andinin’ireo teninay, ka niteny nanao hoe : “ Tena omena harena sy Zanaka tokoa Aho ? ”

(78) Moa ve mahafantatra ny zava-miafina Izy,sa nanao fifanekena kosa tamin’ilay be Fiantrana ?

(79) Tsia ! Tsy izany mihitsy ! Hosoratanay izay noteneniny, ary hampitomboinay ny halavan’ny famaizana ho Azy.

(80) Ary Izahay no handova izay teneniny, ary Izy kosa dia hiverina samy irery aty Aminay.

(81) Ary nandray Zanahary hafa izy ireo ankoatr’i Allah, mba ho tanjaka ho azy ireo.

(82) Tsia ! Tsy izany velively ! ireo (zanahariny) dia hitsipaka ny fanompoan’izy ireo, ary hitsangana ho fahavalon’izy ireo.

(83) Moa ve tsy hitanao fa Izahay dia nandefa ireo satana ho amin’ireo tsy mpino, izay mandrisika azy ireo (tsy hankato) ?

(84) Aza maika hanohitra azy ireo àry Ianao. Marina fa manisa izay rehetra ataon’izy ireo Izahay.

(85) (Tsarovinao) ilay Andro izay hamorianay ireo manam-patahorana, eo anatrehan’Ilay be Fiantrana, amin’ny andiany maromaro (am-boninahitra).

(86) Ary hatosikay ao amin’ny Afobe ireo mpanao heloka be vava,tahaka ny (andiam-biby) hamonjy fisotroan-drano.

(87) Tsy hanana fahefana hanelanelana, afa-tsy izay nanao fifanekena tamin’Ilay be Fiantrana.

(88) Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Nandray Zaza lahy ho Zanaka lahy be Fiantrana !”

(89) Ary tena zavatra maharikoriko izany entinareo izany !

(90) Kely foana no tsy nahavaky ireo lanitra noho izany (teny izany), sy tsy nampitresaka ny tany, ary tsy nandrava ireo tendrombohitra.

(91) Noho izy ireo niantso fa ilay be Fiantrana dia manan-janaka.

(92) Kanefa tsy mendrika velively an’Ilay be Fiantrana ny hanan-janaka !

(93) Tsy inona akory izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany, afa-tsy mpanompo, eo anatrehan’Ilay be Fiantrana.

(94) Tena marina fa notanisainy sy voaisany avokoa izy rehetra.

(95) Ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty), dia hanatona Azy tsirairay amin'izy rehetra.

(96) Marina fa ireo izay nino sy nanao asa soa, dia hotoloran’ilay be Fiantrana ny fitiavany izy ireo.

(97) Nataonay ho mora azo (ny Koroany) amin’ny fiteninao, mba hilazanao vaovao mahafaly ho an’ireo izay manam-patahorana,sy hampitandremanao ireo vahoaka be fifandirana.

(98) Firifiry moa ireo taranaka talohan’izy ireo no naringanay ! Moa ve mahatsikaritra ny iray amin’izy ireo Ianao ? Na koa mandre ny feon’izy ireo ve Ianao ?