52 - At-Tur ()

|

(1) Mianiana amin’ny tendrombohitra ‘’ Toor ’’ Aho.

(2) Amin’ny boky voasoratra,

(3) Ao amin’ny taratasy mivelatra,

(4) Amin’ilay trano feno,

(5) Amin’ny lanitra ambony.

(6) Amin’ny ranomasina ampangotrahana (amin’ny andro farany)

(7) Fa tsy maintsy hitranga ny famaizan’ny Tomponao.

(8) Tsy misy afaka hisakana izany.

(9) Amin’ny andro hampikorontana tanteraka ny lanitra.

(10) Ary andehanan’ireo tendrombohitra.

(11) Amin’izany andro izany, dia loza ho an’ireo nilaza lainga (ny famantarana avy amin’Allah)

(12) Ireo izay nandany andro amin’ny resaka tsy misy antony,

(13) Amin’ny andro izay hanosehana azy ireo an-keriny, ho any amin’ny afon’ny helo.

(14) Indro ny afo, izay noheverinareo ho lainga.

(15) Majika va izany, sa ianareo no tsy mahita tsara ?

(16) Miareta ao ianareo ! Na miaritra ianareo na tsy miaritra, dia mitovy ihany izany ho anareo, fa araka izay nataonareo no amaliana anareo.

(17) Ho ao amin’ireo zaridaina sy fahasambarana ireo vontom-pinoana,

(18) Hifaly izy ireo amin’izay homen’ny Tompony azy, ary harovan’ny Tompony amin’ny famaizan’ny afo mamaivay izy ireo.

(19) Koa mihinana ary misotroa amim-pilaminana ianareo, ho valisoa tamin’izay nataonareo.

(20) Mitehin-kiho eo ambony fandriana tsara lamina, ary dia homenay tovovavy baribarimaso ho vady izy ireo.

(21) Ireo izay mino, ka narahin’ny taranany tamin’ny finoana, dia hataonay izay hihaonan’ny taranany amin’izy ireo. Ary tsy hahenanay velively ny fahamendrehan’ny asa izay nataony, fa samy tompon’andraikitra amin’izay nataony ny tsirairay.

(22) Ho vatsianay voankazo sy hena maro izay tadiaviny izy ireo.

(23) Hifanolotra kapoaka izy ireo ao, ka tsy hiteraka fihamboana izany, na fanomezan-tsiny.

(24) Dia hisy tovolahy hivezivezy ao, hiasa ho azy ireo, toy ireny vatosoa tsara tahiry.

(25) Ary hifampitodika izy ireo hifanontany.

(26) ka hiteny izy ireo hoe : ‘’ Niaina tao anatin’ny tahotra isika, teo amin’ny fianakaviantsika."

(27) Ka nomen’I Allah tombotsoa manokana isika sady narovany tamin’ny famaizan’ny fofofofon’ny afo.

(28) Izy no nantsointsika taloha. Fa izy no mpiantra, ilay be indrafo.

(29) Ampahatsiarovy àry amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Tomponao, fa tsy mpisikidy ianao na adala.

(30) Na koa hiteny izy ireo hoe: “ Mpanao tononkalo ! Aoka handrasantsika ho azy ny kapokin'ny fahafatesana ”.

(31) Ka lazao hoe : “ Miandrasa ianareo ! Fa isan’ny miandry miaraka aminareo aho ”.

(32) Ny sain’izy ireo va no mibaiko izany ? Sa olona mpanao ratsy tafahoatra izy ireo ?

(33) Na koa nilaza izy ireo hoe : “ Iza ihany no namorona izany ? ” .Tsia,saingy tsy mino izy ireo.

(34) Raha izany, aoka izy ireo hamorona lahateny mitovy aminy (koroany), raha mpilaza ny marina tokoa izy ireo.

(35) Nohariana avy amin’ny tsy misy va izy ireo, sa izy ireo no mpahary ?

(36) Sa nahary ny lanitra sy ny tany va izy ireo ? Nefa toa tsy mino mihitsy izy ireo.

(37) Manana ireo tahiry sarobidin’ny Tomponao va izy ireo ? Sa izy ireo no tompo tsy refesi-mandidy ?

(38) Manana tohatra enti-mihaino va izy ireo ? Koa aoka izay nihaino tamin’izy ireo hitondra porofo mazava !

(39) Manan-janaka vavy va Allah, fa ny anareo kosa zanaka lahy ?

(40) Sa mangataka tambiny amin’izy ireo va ianao, hany ka vesan-trosa maro izy ireo ?

(41) Sa mahafantatra ny zava-miafina va izy ireo, ka manao izany an-tsoratra ?

(42) Sa mitady hanao tetika va izy ireo ? Saingy izay tsy mino ihany no ho voan’ny tetika ataony.

(43) Sa manana andriamanitra hafa ankoatra an’I Allah va izy ireo ? Voninahitra anie ho an’I Allah, ary feno fahadiovana amin’izay natambatr’izy ireo Aminy izy !

(44) Raha mahita sombiny amin’ny lanitra milatsaka izy ireo, dia miteny hoe : “ Rahona mifanongoa izany ”.

(45) Avelao any àry izy ireo, mandra-pifanojoany amin’ny andro hilatsahan’ny varatra amin’izy ireo,

(46) Andro tsy hilan’izy ireo ny hafetsena intsony sady tsy ho vonjena izy ireo.

(47) Hahazo famaizana mialoha ireo mpanao ny tsy rariny. Saingy tsy mahafantatra ny ankamaroan’izy ireo.

(48) Koa zakao amim-paharetana ny didin’ny Tomponao, fa eo ambany masonay ianao. Ary ankalazao ny voninahitry ny Tomponao rehefa eo am-pitsanganana ianao.

(49) Omeo voninahitra Izy amin’ny ampahany amin’ny alina, sy rehefa hilentika ny kintana.