18 - Al-Kahf ()

|

(1) Dera ho an’I Allah, izay nampidina ny Boky tamin’ny irany, ary nataony tsy miholakolaka izany.

(2) Ao anaty fahitsiana tanteraka, mba ho entiny hampitandrina amin’ny fahoriana mafy (fanasaziana) avy Aminy, sy mba ho entiny hanambarana vaovao mahafaly ireo mpino izay manao asa soa, fa “tena ho azy ireo ny valisoa tsara”.

(3) Hitoetra ao mandrakizay izy ireo.

(4) Ary hampitandrina ireo izay niteny hoe : “Allah dia nandray zanaka lahy ho Azy !

(5) Tsy manam-pahalalana momba izany izy ireo, na ireo razambeny koa. Maharikoriko ny teny izay mivoaka avy amin’ny vavan’izy ireo ! Tsy miteny afa-tsy ny lainga izy ireo.

(6) Ary angamba ianao (ry Mohamady) hamono ny tenanao amin’ny alahelo nohon’ny fandavan’izy ireo raha tsy mino ity lahateny ity izy ireo !

(7) Marina fa nataonay izay rehetra eto ambonin’ny tany ho haingony, mba hitsapanay azy ireo hoe iza amin’izy ireo no tena mpanao ny asa soa.

(8) Ary marina fa Izahay dia hanao izay rehetra eo aminy (tany) ho karakaina.

(9) Moa mihevitra ve ianao fa ireo olon’ny lava-bato sy «Ar-Raqim » dia tena anisan’ny fahagaganay mampitolagaga ?

(10) (Tsarovy ry Mohamady) raha nitoetra tao anatin’ilay lava-bato ireo tanora, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Tomponay oh ! Omeo famindram-po avy Aminao izahay, ary hamorao aminay ny fahitsiana amin’izay rehetra momba anay.

(11) Ka nataonay marenina ny sofin’izy ireo, tao anaty lava-bato, nandritran'ny taona maro.

(12) Avy eo, dia nofohazinay izy ireo, mba hahafantaranay, iza amin’ny andiany roa ireo no mahay manisa indrindra ny fotoana nijanonan’izy ireo tao.

(13) Izahay dia mitantara aminao (ry Mohamady) ny tantaran’izy ireo, amim-pahamarinana. Marina fa izy ireo dia tanora nino ny Tompony, ka nohamafisinay tamin’izy ireo ny tari-dàlana.

(14) Ary nataonay mafy orina tao am-pon’izy ireo, rehefa nitsangana izy ireo, ny fiitenenana hoe : “Ny Tomponay no Tompon’ireo lanitra sy ny tany, tsy hitalaho na oviana na oviana amin’ny zanahary hafa ankoatra Azy izahay, raha tsy izany, dia namoaka fiteny miala ny fahamarinana izahay.

(15) Ireny vahoakanay ireny dia nandray zanahary hafa ankoatr'Azy (Allah). Maninona moa izy ireo no tsy nitondra porofo mazava mikasika izany ? Ka iza no tena mpanao ny tsy rariny mihoatra izay mamoron-dainga mahakasik'I Allah ?

(16) Ary raha nihataka tamin’izy ireo ianareo sy momba izay notompoin’izy ireo ankoatr’I Allah, dia miafena ao anaty lava-bato ianareo : ny Tomponareo dia hampiely ny famindram-pony aminareo sy hanamora ny momba anareo, amin’ny raharaha ilainareo.

(17) Ary hahita ny masoandro mihilana miankavanana miala ny lava-baton’izy ireo ianao, rehefa miposaka izy, ary rehefa milentika kosa izy dia miala amin’izy ireo miankavia, nefa izy ireo dia eo amin’ny toerana malalaka ao anaty (lava-bato). Izany dia isan’ireo fahagagana avy amin’I Allah ! Izay tarihin’i Allah amin'ny lalana dia izy no tena voatari-dalana. Fa izay naviliny lalana kosa dia tsy hahita mpiahy sy mpitarika azy ianao.

(18) Ary heverinao toa mifoha izy ireo nefa matory. Ary navadibadikay amin’ny ilany havanana sy amin’ny ilany havia izy ireo, ary ny alikan’izy ireo kosa dia manampatra ny tongony roa aloha eo am-pidirana. Raha mahatazana azy ireo ianao dia tena hitsoaka ka handositra azy ireo ary tena ho feno tahotra eo anatrehan’izy ireo ianao.

(19) Ary toy izany no namohazanay azy ireo, mba hifampanontany, niteny ny iray tamin’izy ireo hoe : “Hatramin'oviana no nijanonanareo (teto)? ”Niteny izy ireo hoe : “Andro iray na ampahan’ny andro no nijanonantsika”. Niteny (ny sasany) hoe : “Ny Tomponareo no tena mahafantatra ny fotoana nijanonanareo. Koa alefaso ny iray aminareo mankany an-tanàna miaraka amin’ity volanareo ity mba hitady sakafo tena madio, ka hitondrany anjara sakafo ho anareo avy amin’izany. Ary aoka izy hitondra ny tenany amim-pahamalinana sy tsy hampahafantatra ny momba anareo na amin’iza na amin’iza.

(20) Tena marina fa raha mahatsikaritra anareo izy ireo dia ho torahan’izy ireo vato ianareo, na haverin’izy ireo amin’ny finoany, ka dia tsy hahita fahombiazana intsony ianareo.

(21) Ary noho izany, dia nataonay ho aseho izy ireo mba ahafantaran’ireo (olona tao amin’ny tanàna) fa ny fampanantenan’I Allah dia tena marina tokoa ary marina fa ny ora dia tsy hisalasalana ny momba izany. Dia niady hevitra izy ireo (ireo olona tao amin’ny tanàna) ny mikasika azy ireo (olon’ny lava-bato), ka niteny izy ireo nanao hoe : “Hanorenanareo fonenana eo ambonin’izy ireo”. Ny Tompon’izy ireo no tena mahalala tokoa an'izy ireo. Niteny ireo izay nandresy (tamin’ny ady hevitra) momba azy ireo nanao hoe : “Tena hataontsika toeram-pivavahana eo ambonin’izy ireo."

(22) Hiteny izy ireo hanao hoe : “Telo izy ireo, ny alikany no faha efany”. Ary hiteny ny sasany hanao hoe : “Dimy izy ireo, ny alikany no faha eniny”, vinavina momba ny zava-miafina fotsiny. Ary mbola hiteny koa ny hafa hanao hoe : “Fito izy ireo ary ny alikany no faha valony”. Teneno hoe : “Ny Tompoko ihany no tena mahafantatra ny isan’izy ireo. Tsy misy mahafantatra azy ireo afa-tsy ny vitsy an'isa ihany”. Koa aza miady hevitra ny momba azy ireo ianao, raha tsy ady hevitra amin’ny endrika ivelany ihany ary aza manontany na iza na iza amin’izy ireo momba azy ireo (olon’ny lava-bato) ianao.

(23) Ary aza milaza amin'iza na iza amin'izay hataonao rahampitso.

(24) Afa-tsy (ampiana teny) hoe : “Raha sitrak'Allah - Insha Allah!” Ary tsarovy ny Tomponao raha nanadino ianao ary mitenena hoe : “Angamba ny Tompoko hitari-dàlana ahy ho amin’izay akaiky ny marina kokoa noho izao.”

(25) Ary nijanona tao anaty lava-batony izy ireo nandritran'ny telonjato taona ary niampy sivy taona.

(26) Teneno (ry Mohamady) hoe : “Allah no tena mahafantatra ny fotoana nijanonan’izy ireo tao”. Azy ny zava-miafin’ireo lanitra sy ny tany. Tena Mahita sy Mandre tokoa Izy ! Tsy manana mpiahy na iray aza ankoatr'Azy (Allah) izy ireo ary tsy misy na iza na iza atambany Aminy amin’ny fiadidiany.

(27) Ary vakio (ry MohamadY) izay efa nambara taminao avy ao amin’ny Bokin’ny Tomponao. Tsy misy afaka hanova ireo Teniny. Ary tsy hahita fialofana mihitsy ankoatr'Azy ianao.

(28) Ary mahareta ny tenanao miaraka amin’ireo izay miantso ny Tompon’izy ireo maraina sy hariva, (izay) mitady ny zava-drehetra amin'ny fotony Tompony. Ary aoka ny masonao tsy hiala azy ireo mihitsy, ho amin’ny fitadiavana ny rendrarendran’ny fiainana eto an-tany. Ary aza mankatò izay nataonay variana amin’ny fampahatsiahivanay ny fony sy manaraka ny hetahetam-pony ary ny raharahany rehetra dia fahaverezana sy fahapotehana avokoa.

(29) Ary teneno : "Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponareo”. Ka izay tia hino, dia aoka izy hino ary izay mankasitraka ny tsy finoana, dia aoka izy tsy hino. Tena marina fa nomaninay ho an’ireo mpanao ny tsy rariny ny afo, izay manodidina azy ireo ny lel’afo mivaivay. Ary raha mitady rano izy ireo, dia ho ampisotroina rano tahaka ny menaka mangotraka mandoro ny tarehy. Tena zava-pisotro ratsy tokoa ary fonenana tena mahatsiravina izany !

(30) Marina fa ireo izay mino sy manao asa soa, tena marina fa Izahay dia tsy hanary ny valin’asan’ireo izay manao ny tsara.

(31) Izy ireny no ahazo ireo zaridain’ny Edena izay mikoriana eo ambaniny ireo renirano maro. Hampiravahana firavaka volamena izy ireo ao sy hampitafiana lamba maitso vita amin’ny lasoa manify sy lamba lasoa matevina (feno soratsoratra), mitehina amin’ireo farafara voaravaka tsara. Tena valisoa tsara tokoa ary fonenana tena tsara izany !

(32) Ary anaovy fanoharana izy ireo amin’ny lehilahy roa, ny iray dia nomenay tanim-boaloboka roa izay nohodidininay hazo palma ary nasinay saha misy voly teo anelanelan’izy roa (zaridaina).

(33) Ireo zaridaina roa ireo dia nanome vokatra tsy mihato. Ary nasinay renirano eo anelanelan’izy roa ireo.

(34) Ary nanana voankazo izy, ka niteny tamin’ny namany izay nifampiresahany nanao hoe : “Izaho dia manana harena mihoatra anao ary manana foko matanjaka ihany koa mihoatra anao.

(35) Ary niditra tao amin’ny zaridainy izy ary nanao fahadisoana tamin’ny tenany no sady niteny hoe : “Tsy mieritreritra aho fa ho rava mihitsy ity”.

(36) Ary tsy mieritreritra mihitsy aho fa ho avy ny Ora, ary raha miverina any amin’ny Tompoko aza aho dia tena hahita tsara kokoa noho izao (zaridaina izao) ho takalony.

(37) Niteny azy ilay namany (mpino) teo am-piresahana aminy nanao hoe : “Moa tsy mino Ilay Nahary anao avy amin’ny tany sy (nohariany) amin’ny alalan’ny ranon'aina ary nanao anao ho olombelona ve ianao ?

(38) Fa kosa, Izy Allah no Tompoko ary tsy hanambatra ny Tompoko na amin’iza na amin’iza aho.

(39) Tamin’ny fotoana nidiranao ny zaridainao, naninona ianao no tsy mba niteny hoe : "Izaho no sitrak’I Allah ! Ary tsy misy hery ka tsy avy amin’I Allah”, rehefa hitanao fa tsy manan-karena sy kely anaka kokoa noho ianao aho.

(40) Angamba ny Tompoko hanome ahy ny tsara kokoa noho ny zaridainao ary handefa loza (amin’ilay zaridaina) avy eny an-danitra Izy, ka ho lasa tany malama (tsy hamokatra intsony) izy.

(41) Na ho lasa ritra ny ranony ka tsy afaka hahatratra izany (rano) intsony ianao.

(42) Ary potika tokoa ny vokatra nantenainy, ka lasa namadibadika ny tànany izy (nanenina) noho izay efa nisasarany tao, ka indro rava tanteraka hatramin’ny talantalany izany (tanim-boly) ary niteny izy nanao hoe : “Eh ! Tahaka izay aho tsy nanakambana ny Tompoko tamin’iza na iza !"

(43) Ary tsy nisy vondron’olona afaka nanavotra azy ankoatr'I Allah ary tsy afaka nanavotra ny tenany koa izy.

(44) Ho setrin’izany, dia an’Allah, Ilay Marina ny fiarovana ambony indrindra. Izy no manome ny valisoa, sy ny vokatra tsara indrindra.

(45) Ary anaovy fanoharana izy ireo (ry Mohamady) amin’ny fiainana eto an-tany : tahaka ny rano izay nampidininay avy any an-danitra; ka mifangaro aminy (rano) ny zava-manirin’ny tany, avy eo dia lasa ahitra maina izay aparitaky ny rivotra. Ary Allah dia mahery amin’ny zava-drehetra.

(46) Ny harena sy ireo zanaka dia haingon’ny fiainana eto an-tany. Ary ireo asa soa maharitra dia mbola ahazoana valisoa tsara (noho izany) eo anatrehan’ny Tomponao sy fanantenana tsara.

(47) Ary (ampahatsiahivo azy ireo) amin’ny andro izay hampandehananay ny tendrombohitra, ka hahita ny tany misongadina ianao. Ary havorinay izy ireo ka tsy misy na dia iray aza avelanay amin’izy ireo.

(48) Haseho milahatra eo anatrehan’ny Tomponao izy ireo. Indro tokoa fa tonga aty Aminay ianareo tahaka ny namoronanay anareo tany am-piandohana. Nefa nihambo ianareo fa tsy hametraka fotoana hihaonana aminareo mihitsy Izahay.

(49) Ary napetraka ny Boky mba ho hitanao ireo mpanao heloka bevava matahotra izay ao anatiny. Ary hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Fa inona ity boky ity no tsy mamela (ireo fahotana) kely na lehibe raha tsy notanisany ?” Ary ho hitan’izy ireo miharihary eo anoloany izay nataony. Ary tsy manao ny tsy rariny na amin’iza na amin’iza ny Tomponao.

(50) Ary (tsarovy) rehefa niteny tamin’ireo Anjely Izahay nanao hoe : "Miankohofa amin’i Adama ianareo”, dia niankohoka daholo izy rehetra afa-tsy i Iblisy (Satana) izay avy amin’ny djiny nanohitra ny didin’ny Tompony. Dia mbola noraisinareo ho mpiahy ve izy sy ny taranany ankoatra Ahy (Allah), nefa izy ireo dia fahavalonareo ? Takalo ratsy tokoa no nataon’ireo mpanao ny tsy rariny !

(51) Tsy nataoko vavolombelon’ny faharian’ireo lanitra sy ny tany izy ireo na amin’ny fahariana ny tenan’izy ireo. Ary tsy nandray ireo very lalana ho mpanampy Aho.

(52) Ary amin’ny Andro izay hitenenany hoe : Antsoy ireo izay ihamboanareo fa mpiara- miombon'antoka Amiko”. Dia nantsoin’izy ireo tokoa izany, fa saingy tsy namaly azy izy ireo, ho asinay toeram-pahaverezana eo anelanelan’izy ireo.

(53) Ho ahita ny Afo ireo mpanao heloka bevava. Ka mihevitra izy ireo fa ho alatsaka ao ary tsy hahita fialana avy ao.

(54) Ary efa nanazava amin’ny alalan’ny ohatra maro isan-karazany Izahay ho an’ny olona, ao anatin’ity Koro’any ity, nefa ny olombelona no be fifandirana indrindra amin’ny zava-drehetra.

(55) Ary tsy nisy na inona na inona anakana ny olona tsy hino rehefa tonga tamin’izy ireo ny toro-lalana ary hangataka famelan-keloka amin’ny Tompony izy ireo, afa-tsy ny fiantraikan’ny fitsipika fototra nianjady tamin’ireo teo aloha amin’izy ireo na hiatrika ny sazy izy ireo.

(56) Ary tsy mandefa iraka Izahay raha tsy hilaza vaovao mahafaly sy hampitandrina. Ary miady hevitra ireo izay tsy nino miaraka amin’ny lainga mba handravana ny marina amin’ny alalan’izany ary noraisin’izy ireo vazivazy ny andian-teniko sy izay nampitandremana azy ireo.

(57) Ary iza moa no mpanao ny tsy rariny mihoatra izay nampahatsiahivina ireo andian-tenin’ny Tompony kanefa nitsipaka izany sy nanadino izay nataon’ny tanany roa ? Nosaronanay ny fon’izy ireo, mba tsy ahazoan’izy ireo izany (ny Koro’any) sy (nasianay) marenina ao anatin'ny sofin’izy ireo. Ary na dia miantso azy ireo mankany amin’ny lala-mahitsy aza ianao dia tsy hanaraka ny hitsin-dalana na oviana na oviana izy ireo

(58) Ary ny Tomponao Ilay Mpamela heloka, dia Tompon’ny famindram-po. Raha noraisiny araka izay nataony izy ireo, dia nohafainganiny ho azy ireo ny sazy. Nefa misy fotoana efa nomena azy ireo ka tsy hahita fialofana ankoatra Azy mihitsy izy ireo.

(59) Ary ireo tanàna izay naringanay raha nanao ny tsy rariny izy ireo, dia nanome fotoana handringanana azy ireo Izahay.

(60) Ary raha niteny i Mosesy tamin’ny mpanampiny lahy nanao hoe : “Tsy hijanona aho raha tsy tonga eo amin’ny fihaonan’ny ranomasina roa na koa handeha mandritry ny taona maro”.

(61) Ary rehefa tonga teo amin’ny fihaonan’ny (ranomasina) izy roa, dia nanadino ny trondrony izy ireo ka dia nandray ny lalany mora foana nankany any an-dranomasina izy (ilay trondro).

(62) Ary rehefa nihoatra io toerana io izy roa, dia niteny tamin’ny mpanampiny lahy izy nanao hoe : “Omeo aty ny sakafontsika atoandro, fa tena tojo harerahana isika tamin’ity diantsika ity”.

(63) Niteny izy (ilay mpanampiny lahy) nanao hoe : “Hitanao fa tamin’ny fotoana nialofantsika teo amin’ilay vatolampy, dia hadinoko tokoa ilay trondro, ka tsy misy tokony hanadinoako hilaza izany (aminao) afa-tsy avy amin'i Satana ary ny mahagaga dia nandray ny lalany nankany an-dranomasina izy.

(64) Niteny izy nanao hoe : "Izany no tiako hahatongavantsika”! Ary dia niverin-dalana nanaraka ny diany izy roa.

(65) Ka nihaona tamin’ny iray amin’ireo mpanomponay, izay notoloranay indrafo sy nampianarinay fahalalana avy aty Aminay.

(66) Niteny taminy i Mosesy nanao hoe : "Afaka manaraka anao ve aho, mba hianatra aminao amin’izay nampianarina anao momba ny fahendrena?”

(67) Niteny izy nanao hoe : “tsy hanam-paharetana hiaraka amiko mihitsy ianao”

(68) Ary ahoana no haharetanao amin’izay mbola tsy anananao fahalalana akory ?

(69) Niteny izy nanao hoe : "Ho hitanao fa hanam-paharetana aho raha sitrak’I Allah ary tsy handà ny baiko avy aminao aho”.

(70) Niteny izy (ilay mpanompo) nanao hoe : “Raha manaraka ahy ianao dia aza anontaniana na inona na inona aho mandra-pilazako izany aminao”.

(71) Dia nandeha izy roa lahy. Ary rehefa niakatra tamin’ny sambo izy ireo dia nolavahany (ilay mpanompo) izany. Niteny izy(Mosa) nanao hoe : "Nolavahanao ve ilay sambo mba aharendrika ny mpandeha ? Tena nanao zavatra mahatsiravina ianao”.

(72) Niteny izy (ilay mpanompo) nanao hoe : "Moa ve tsy efa nolazaiko ianao, fa tsy hanam-paharetana velively hiaraka amiko ?”

(73) Niteny izy (Mosa) nanao hoe : “Aza omena tsiny aho nohon'ny fanadinoako, aza avela hiantsoroka zava-tsarotra amin’ny raharahako aho.

(74) Avy eo dia nanohy ny diany izy roa lahy mandra-pihaon’izy ireo tamin’ny zazalahy kely iray, dia novonoiny (ilay mpanompo) izy (ilay zazalahy). Niteny izy (Mosesy) nanao hoe: Namono olona tsy manan-tsiny, tsy mbola namono olona ve ianao ? Tena nanao zavatra maharikoriko tokoa ianao !”

(75) Niteny Izy (ilay mpanompo) ka nanao hoe: “ Moa ve tsy efa nolazaiko Ianao, fa tsy hanam-paharetana velively hiaraka Amiko Ianao ? “

(76) Niteny i Mosesy ka nanao hoe: ” Raha mbola manontany Anao Aho na amin’inona na amin’inona aorian’izao, dia aza mandray Ahy ho namana intsony Ianao. Ary tena ho afa-tsiny Amiko Ianao.

(77) Dia nanohy ny diany àry izy Roa lahy, ka rehefa tonga tao amin’ny tanàna iray izy ireo, dia nangataka sakafo tamin’ireo mponina tao, nefa nandà ny hampiantrano izy Roa izy ireo. Avy eo dia nahita rindrina mila hianjera izy roa, ka dia nareniny (ilay mpanompo) izany. Niteny izy (Mosa) nanao hoe : " Raha sitrakao dia nakanao tambiny Izao ”.

(78) Niteny Izy (ilay mpanompo) ka nanao hoe : " Eto Izaho sy Ianao no misaraka ary ho ambarako Anao amin’izay ny dikan’ireo izay tsy nanananao faharetana.

(79) Raha ny amin’ilay sambo, dia an’ireo Olona mahantra izay miasa eny an-dranomasina. Tiako ny hanimba azy, satria misy mpanjaka aorian’izy ireo izay maka an-keriny ny sambo rehetra (izay tsara).

(80) Raha ny amin’ilay zazalahy kely kosa, dia mpino ny Ray aman-dreniny , ka atahoranay sao dia hanery azy Roa hihoam-pefy sy tsy hino Izy (ilay zazalahy kely).

(81) Ka tianay ny hanoloan’ny Tompon’izy Roa lahy Zaza hafa tsara noho ilay teo aloha, madio fitondran-tena sy be fitiavana kokoa.

(82) Fa raha ny amin’ilay rindrina kosa, dia an’ny Zaza kamboty Roa lahy tao amin’ilay tanàna. Ary misy tao ambanin’izany ny harena sarobidin’izy Roa lahy. Ary ny Rain’izy ireo dia tsara fanahy, ka tian’ny Tomponao ho tonga amin’ny fahamatoran-tsaina no hitrandraka ilay haren'izy Roa ireo nohon'ny famindram-pon’ny Tomponao.Tsy nanao azy ireny tamin’ny sitrapoko manokana Aho ; Izany no fanazavana ireny (zavatra) izay tsy nanananao faharetana ireny.

(83) Ary manontany Anao izy ireo ny amin’i Żol-Karnainy. Teneno hoe : “ ho tantaraiko Aminareo ny fampahatsiahivana sasantsasany ny amin’izany ”.

(84) Marina fa nohamafisinay ny fahefany teto an-tany, ary nomenay falalahana amin’ny zava-drehetra Izy.

(85) Ary dia nanaraka làlana iray Izy.

(86) Ary nony tany amin’ny filentehan’ny masoandro (andrefana) Izy, dia tazany fa milentika amin’ny loharano feno fotaka izany, ary nahita vahoaka teo akaikiny (loharano) Izy. Niteny Izahay ka nanao hoe: “ O ! Żol-Karnainy, Na ianao hanasazy azy ireo na hanao soa azy ireo”.

(87) Niteny izy (Zol-Karnainy) hoe : ” Fa izay manao ny tsy rariny dia ho sazinay izy, avy eo dia haverina any amin’ny Tompony dia ho faizinay amin’ny famaizana mahatsiravina.

(88) Fa izay mino sy manao asa soa kosa, dia ho Azy ny valisoa tsara indrindra. Ary ho teneninay Aminy ireo didy mora tanterahina.

(89) Avy eo dia nanaraka làlana iray hafa Izy.

(90) Ary nony tany amin’ny fiposahan’ny masoandro (antsinanana) Izy, dia tazany fa miposaka izany teo ambonin’ny vahoaka, izay tsy nasianay voaly (sarondoa) ho fiarovana azy ireo amin’ny masoandro.

(91) Tahaka izany no niseho ary nofehezinay tamin’ny fahalalana izay nananany.

(92) Avy eo dia nanaraka làlana iray hafa Izy.

(93) Ary nony tany amin’ny toerana iray, izay eo anelanelan’ny sakana roa (tendrombohitra roa) Izy, dia nahita vahoaka tao ambadik’izany, izay saika tsy mahazo fiteny hafa.

(94) Niteny izy ireo ka nanao hoe: “ O ! Ry Zol-karnainy, marina fa Yajojo (yagoga) sy Majojo (magoga) dia mpanao asa fanimbana eto an-tany, Moa ve azonay atao ny manome ampahan-karena mba hanangananao fefy mampisarakanay sy izy ireo ”.

(95) Niteny izy (Zol-karnainy) ka nanao hoe :” Izay nomen’ny Tompoko Ahy dia tsara lavitra (noho) izay omenareo. Ampionareo àry Aho amin’ny alalan’ny herinareo, hananganana fefy eo anelanelanareo sy izy ireo.

(96) Hitondranareo fonjam-by aho ”. Ary avy eo rehefa feno ny toerana manelanelana ny tendrombohitra roa dia niteny izy hoe : “Tsofinareo ! ” ka rehefa lasa hainafo izany, dia niteny izy hoe : “Itondranareo varahina voa empo aho, izay ararako eo amboniny.

(97) Noho izany dia tsy afaka hianika izany mihitsy izy ireo ary tsy afaka hanimba izany.

(98) Niteny izy ka nanao hoe :“ Indrafo avy amin’ny Tompoko izao ”. Nefa rehefa ho tonga ilay fampanantenan’ny Tompoko, dia ataony ho tany lemaka izany. Ary marina ny fampanantenan’ny Tompoko ”.

(99) Amin’izany Andro izany dia havelanay hifandona tahaka ireo onja izy ireo, dia hotsofinay ny Trompetra (Anjomara) ary havorinay izy rehetra (zavaboary)

(100) Ary amin’izany Andro izany dia asehonay akaikin’ireo tsy mpino ny Afobe (Djahanam).

(101) Dia ireo izay voasarona ny mason’izy ireo ka voasakana tsy hieritreritra Ahy, ary tsy afaka mandre na inona na inona izy ireo.

(102) Moa ve mihevitra ireo izay tsy mino, fa afaka handray ireo mpanompoko ho Mpiahy ankoatra Ahy ? Tena marina fa nomaninay ny Afobe ho fonenan’ireo tsy mpino.

(103) Teneno hoe : “ Moa ve hampahafantarinay Anareo izay tena maty antoka indrindra amin’ireo asany ?

(104) Ireo izay nandany ny fihezahany tamin’ny fiainana teto an-tany, dia very làlana, nefa mihevitra izy ireo fa manao asa tsara !

(105) Izy ireny izay mitsipaka ireo famatarana avy amin’ny Tompony, sy ny fihaonana Amin'i Allah. Ka dia ho foana ny asan’izy ireo ”. Tsy omenay lanja na dia kely aza amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) izy ireo.

(106) Noho izany dia ny Afobe no valin’ny asan’izy ireo, satria tsy nino sy nanao vazivazy ireo famantarako sy ireo Irako (mpaminany).

(107) Marina fa ireo izay mino sy manao asa soa dia ny Paradisa ny “Firdaosy” no fonenan’izy ireo.

(108) Ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo, ka tsy haniry fanovana na dia kely aza.

(109) Teneno hoe: “ Raha ny ranomasina no ranomainty hanoratana ireo tenin’ny Tompoko, dia ho ritra izany mialoha ny hahataperan’ireo tenin’ny Tompoko, na dia ampinay mitovy amin’izany koa aza ”.

(110) Teneno hoe : “ Izaho dia tena Olombelona tahaka Anareo ihany koa. Nanambara tamiko Izy, fa ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana ! Koa na iza na iza manantena ny hihaona amin’ny Tompony, dia aoka Izy hanao asa soa; ary aoka tsy hampikambana zavatra hafa amin’ny Tompony, amin’ny fanompoana Azy.