(1) Mianiana amin’ny rivotra izay miparitaka Aho,
(2) Amin’ny rahona mpitondra havesarana,
(3) Amin’ny sambo mikorisa amim-pahamorana,
(4) Amin’ireo anjely mpizara araka ny baiko,
(5) Fa marina avokoa izay ampanantenana anareo.
(6) Ary ho tonga tsy azo ifandirana ny andro fitsarana.
(7) Mianiana amin’ny lanitra izay misy lalana voafaritra tsara Aho,
(8) Fa mifanohitra ny zavatra lazainareo.
(9) Ary mihataka aminy (kor’any) izay mihataka amin’ny finoana.
(10) Novonoina ireo mpandainga,
(11) Izay nilatsaka tao anatin’ny tsy firaharahiana.
(12) Manontany izy ireo hoe : “Rahoviana ny andro fitsarana? ”
(13) Ny andro hisedrana azy ireo amin’ny afo :
(14) “Ampandramo ny fisedrana, fa indro ilay notadiavinareo ho hafainganina”.
(15) Ho ao amin’ireo zaridaina sy loharano ireo vonto-pinoana,
(16) Handray izay nomen’nyTompony izy ireo. Mifanao ny tsara izy ireo teo aloha,
(17) Fotoana kely no mba natorian’izy ireo nandritry ny alina,
(18) Ary amin’ny fotoana farany amin’ny alina, dia mangataka famelan-keloka amin’I Allah izy ireo.
(19) Ary nisy anjaran’ny mpangataka sy ny tsy manana tamin’ny fananan’izy ireo.
(20) Misy famantarana maro ho an’ireo izay tena mino eto an-tany.
(21) Toy izany koa ny eo amin’ny tenanareo.Tsy mba mandinika va ianareo ?
(22) Ary any an-danitra no misy ny fivelomanareo, sy izay nampanantenana anareo.
(23) Eo anatrehan’ny Tompon’ny lanitra sy ny tany ! Izany dia marina tahaka izay teneninareo.
(24) Tonga taminao va ny tantaran’ireo vahiny manan-kaja tao amin’i Abrahama ?
(25) Rehefa niditra tao an-tranony izy ireo dia niteny hoe : “Fiadanana ! ary hoy izy namaly azy ireo : “Fiadanana ry vahiny tsy fantatra ”.
(26) Avy eo, dia nandeha nangingina tany amin’ny fianakaviany izy, ka nitondra zanak’omby matavy.
(27) Dia noentiny teo akaikin’izy ireo izany, ka hoy izy : “ Moa tsy hihinana va ianareo ? ”.
(28) Natahotra teo anatrehan’izy ireo izy. Ka hoy izy ireo : “Aza matahotra ianao”. Dia nambaran’izy ireo taminy ny fahaterahan’ilay zaza lahy feno fahalalana.
(29) Tamin’izany dia nandroso ny vadiny sady nihiaka, nikapoka ny tarehiny, ary niteny hoe : “ Vavy antitra, momba”.
(30) Hoy izy ireo : “Izany no tenin’ny Tomponao, Izy tokoa no ilay be fahendrena ilay mahalala ny zava-drehetra ”.
(31) Dia hoy Abrahama: “ Inona àry no nampanaovina anareo, ry iraka? ”.
(32) Namaly izy ireo hoe: “ Nalefa ho an’ny olona mpanao ratsy izahay"
(33) Mba hitoraka vato tanimanga azy ireo.
(34) Voa marika any amin’ny Tomponao, ho an’ireo mpanao ny tafahoatra.
(35) Dia navoakanay izay mpino tao.
(36) Saingy tsy nahita afa-tsy trano iray an’ireo olona mpankato izahay.
(37) Ka namela famantarana tao izahay, ho an’ireo izay matahotra ny famaizana mamirifiry.
(38) Ary ( toy izany koa) tamin’i Mosesy, rehefa nandefa azy Izahay, ho any amin’i Faraona niaraka tamin’ny porofo mazava.
(39) Saingy nanome lamosina izy, fa nahatoky ny heriny, ka niteny hoe: “ Mpanao majika na olona adala ! ”.
(40) Nosazianay izy sy ireo miaramilany, ka natsipinay anaty onja, nohon'ny haratsian-toetrany.
(41) Toy izany ihany koa tamin’ireo Aad, rehefa nalefanay tamin’izy ireo ny rivotra mpandrava.
(42) Tsy mamela na inona na inona amin’izay andalovany,raha tsy lasa vovoka.
(43) Toy izany ihany koa tamin’ireo Thamod, rehefa nolazaina izy ireo hoe: “ Mifalia mandritra ny fotoana fohy ianareo ”.
(44) Sahy nanohitra ny didin’nyTompony izy ireo, ka nasian’ny varatra teo am-pitazanana.
(45) Ka tsy afaka nitsangana izy ireo no sady tsy afaka novonjena.
(46) Toy izany koa ireo vahoakan’i Noa taloha. Tena olona ratsy fitondran-tena tokoa izy ireo.
(47) Ny lanitra, dia namboarinay avy amin’ny herinay, ary novelarinay amin'ny avelarana tsy hita fiafarana.
(48) Ary ny tany dia novelarinay izy. Ary toy inona ny fomba tsara nampitovianay lanja azy !
(49) Ary noharianay tsiroa roa avokoa ny zavatra rehetra,mba ho tsaroanareo.
(50) Aoka ary ianareo hirodorodo ho any amin’I Allah, fa izaho dia avy Aminy ho aminareo, ho mpampitandrina mazava.
(51) Aza manana andriamanitra hafa miaraka amin’I Allah ianareo, fa izaho dia avy Aminy ho aminareo, ho mpampitandrina mazava.
(52) Toy izany, tsy nisy Iraka tonga tamin’ireo talohan’izy ireo, ka tsy nolazainy hoe : ‘’ Mpanao majika, naolona adala ‘’.
(53) Nifampitan’izy ireo va izany teny izany ? Fa mpandika lalana tokoa izy ireo.
(54) Mihataha amin’izy ireo ianao, fa tsy homena tsiny.
(55) Ary aoka ianao hifampahatsiaro , fa ahazoan’ireo mpino tombontsoa ny fampahatsiarovana.
(56) Tsy nohariako ny djiny sy ny olombelona, raha tsy ny hanompoan’izy ireo Ahy.
(57) Tsy mila foto-pivelomana avy amin’izy ireo Aho, ary tsy tiako ny hampisakafoan’izy ireo Ahy.
(58) Hamafisina, fa Allah no ilay mpanome fahasoavana sesehena, ilay manana ny hery, tsy hay hozongozonina.
(59) Izay nanao ny tsy rariny dia hahazo anjara (sazy) mitovy amin’ny an’ireo namany. Aoka izy ireo tsy ho maika loatra.
(60) Loza ho an’izay tsy mino, noho ilay andro efa nampitandremana azy ireo !