(1) Manome voninahitra an’I Allah avokoa izay any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay be fahendrena.
(2) Ianareo mpino ! Nahoana ianareo no milaza izay tsy ataonareo ?
(3) Zavatra mamoa-pady eo anatrehan’I Allah tokoa ny fitenenanareo izay tsy ataonareo.
(4) Tian’I Allah izay miady amin’ny lalany, milahatra, mifanery tahaka ny mandà nohamafisina.
(5) Ary rehefa niteny tamin’ny vahoakany i Mosesy hoe : Ry vahoakako ! Nahoana no manao ratsy ahy ianareo, nefa fantatrareo, fa irak’I Allah ho eo aminareo aho ? ka rehefa nivily lalana izy ireo dia navilin’Allah ny fony, fa tsy mitari-dalana ireo ratsy fitondran-tena Allah.
(6) Fa rehefa niteny i Jesoa zanak’i Maria hoe : Ry zanak’israely ! Irak’I Allah ho anareo tokoa aho, manamarina izany ny teo alohako ao amin’ny Taoraty, sady mpilaza mialoha ilay Iraka ho avy aoriako, antsoina hoe “Ahmad” ka rehefa ho tonga eo amin’izy ireo miaraka amin’ny porofo mazava izy, dia hoy ireo : Izany no majika miharihary.
(7) Ary iza no mpanao ny tsy rariny indrindra, mihoatra izay mamoron-dainga hanoherana an’I Allah, kanefa dia nantsoina ho amin’ny fankatoavana (Islam) ? Ary tsy mitari-dalana ny olona mpanao tsy rariny Allah.
(8) Te-hamono ny hazavan’I Allah amin’ny vavany izy ireo, kanefa vao maika mampiseho ny fahazavan'I Allah, na dia mankahala izany aza ireo tsy mpino.
(9) Izy no nandefa ny Irany niaraka tamin’ny tari-dalana, sy ny finoana marina, mba hametrahany azy ho eo ambonin’ny finoana hafa rehetra, na dia mankahala izany aza ireo mpampitambatra an’I Allah amin’ny hafa.
(10) O ianareo mpino !Hatoroko anareo va, ny varotra izay hanavotra anareo amin’ny famaizana mamirifiry ?
(11) Mino an’Allah sy ny Irany ianareo, ary manao fiezahana amin’ny alalan’ny fanananareo, sy ny tenanareo amin’ny làlan’Allah, izany no tsara ho anareo, raha mba fantatrareo !
(12) Hamela ny fahotanareo Izy ary hampiditra anareo amin’ny zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny sy fonenana mahafinaritra ao amin’ny zaridainan’i Edena. Izany no fahombiazana lehibe.
(13) Ary zavatra hafa tianareo ihany koa dia ny famonjena avy amin’Allah sy fandresena tsy ho ela. Ka lazao amin’ireo mpino ny vaovao tsara.
(14) Ianareo mpino ! Aoka ianareo ho mpiandany amin’Allah, tahaka ny tenin’i Jesoa zanak’i Maria tamin’ireo apôsitôly hoe : Iza no mpiandany amin'Allah miaraka amiko? Hoy ireo apôsitôly namaly : Mpiandany amin’Allah izahay. Nino izany ny andiany tamin’ireo zanak’Israely, fa tsy nino izany kosa ny andiany hafa. Notohananay ireo mpino mba hanohitra ny fahavalony, ka nahazo fandresena izy ireo.