107 - Al-Maa'un ()

|

(1) Moa hitanao va ny olona mampandainga ny Andro farany ?

(2) Izany dia ireo izay manosi-bohon-tanana ny kamboty.

(3) Ary tsy mampirisika mihitsy amin'ny fampihinanana ny mahantra.

(4) Koa loza ho an'ireo mpivavaka.

(5) Izay manao an-tsirambina ny fivavahan'izy ireo.

(6) Sy ireo feno fisehosehoana.

(7) ary manakana ny fanampiana (ho an’izay mila izany)