29 - Al-Ankaboot ()

|

(1) Alif, Làm, Mìm

(2) Moa ve mihevitra ny olombelona fa havela fotsiny izy ireo hiteny hoe : “Mino izahay !”, nefa tsy ho tsapaina izy ireo ?

(3) Ary efa notsapanay tokoa ireo izay talohan’izy ireo ; ka tena fantatr’I Allah ireo izay milaza ny marina, ary tena fantany ihany koa ireo mpandainga.

(4) Na koa mihevitra ve ireo izay manao ny asa ratsy, fa afaka handositra Anay ? Ratsy tokoa ny fitsaran’izy ireo !

(5) N'iza n'iza manantena ny fihaonana amin’I Allah, dia ho tonga tokoa ny fe-potoana izay notondroin’I Allah. Ary Izy no Ilay Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.

(6) Ary n'iza n'iza manao fiezahana, dia tena marina efa manao fiezahana ho an’ny tenany ihany izy. Satria Allah dia ampy ho an’ny tenany, ka tsy misy ilàny azy izao tontolo izao.

(7) Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa kosa, dia ho fafanay ny asa ratsin’izy ireo, ary tena omenay valisoa mendrika kokoa noho izay nataon’izy ireo.

(8) Ary nandidy ny olombelona mba hanao ny tsara amin’ireo ray aman-dreniny Izahay, fa raha manery anao izy ireo hampitambatra Ahy amin’ny hafa, izay tsy anananao fahalalana mihitsy ny momba izany, dia aza mankatò azy ireo ianao. Ary mankanesa aty Amiko, fa aty Amiko no hiverenanareo, ka ho lazaiko aminareo izay nataonareo.

(9) Fa ireo izay mino sy manao ireo asa soa,dia tena hampidirinay ho anisan’ireo olon-kendry izy ireo.

(10) Misy amin’ireo olona no milaza hoe : “Mino an’I Allah izahay”; avy eo, raha ampijaliana noho I Allah izy, dia mihevitra ny fitsapana ataon’ny olombelona ho toy ny famaizan’I Allah izy. Ary raha misy famonjena avy amin’ny Tomponao, dia tena hiteny izy ireo hoe : “Tena marina fa izahay dia miaraka aminareo !” Moa ve tsy Allah no tena mahafantatra indrindra izay rehetra ao am-pon’izao tontolo izao ?

(11) Ary Allah dia tena mahafantatra tokoa ireo izay mino, ary tena mahafantatra koa ireo mpiatsaravelatsihy.

(12) Ary miteny ireo izay tsy mino amin’ireo izay mino hoe : “Araho ny lalanay fa tena hitondra ny vesatry ny fahadisoanareo izahay”. Nefa tsy hitondra ny vesatry ny fahadisoan’izy ireo akory izy ireo na dia kely aza. Tena marina fa izy ireo dia tena mpandainga.

(13) Ary tena hitondra ireo vesatry ny asany sy ny vesatra hafa izy ireo miaraka amin’ny vesatry ny asany manokana, ary tena hanontaniana tokoa izy ireo amin’ny Andro Fitsanganana, momba izay noforonon’izy ireo.

(14) Ary efa nalefanay tamin’ny vahoakany tokoa i Noa. Ka nipetraka teo amin’izy ireo izy mandritry ny arivo taona, latsaka dimam-polo taona. Avy eo dia niharan’ny safo-drano izy ireo, fa mpanao ny tsy rariny.

(15) Avy eo dia navotanay izy sy ireo olon’ny sambofiara, ka nataonay izany ho lesona fampitandremana ho an’izao tontolo izao.

(16) Ary i Abrahama, raha niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : “Tompoinareo Allah ary atahorinareo Izy, izany no tena mendrika ho anareo raha fantatrareo”.

(17) Tsy manompo afa-tsy ireo sampy ankoatr’I Allah ianareo, ary mamoron-dainga ianareo. Marina fa ireo izay tompoinareo ankoatr’I Allah dia tsy manana fahefana hanome anareo anjara fivelomana; ka mitadiava ianareo ny anjara fivelomana eo anatrehan’I Allah, ary manompoa Azy sy mankasitraha Azy ianareo. Fa any Aminy no hamerenana anareo.

(18) Ary raha mampandainga (ny mpaminany) ianareo, dia efa nampandainga (ireo mpaminaniny) koa ny vahoaka maro talohanareo. Ary tsy manana adidy ny Iraka afa-tsy ny fampitana mazava.

(19) Moa ve tsy hitan’izy ireo ahoana no nanombohan’I Allah ny fahariana, avy eo dia mamerina izany indray Izy ? Tena marina fa mora amin’I Allah izany.

(20) Lazao hoe : “Mandehana mitety ny tany ianareo, ka jereo, ahoana no nanombohan’I Allah ny fahariana. Avy eo, ny fomba naharian’I Allah ny taranaka farany. Marina fa Allah dia Mahefa ny zava-drehetra”.

(21) Manafay izay sitrany izy, ary mamindra-fo amin’izay sitrany, ary any Aminy no hamerenana anareo.

(22) Ary tsy afaka hanohitra ny heriny ianareo, na eto an-tany na any an-danitra, ary ianareo dia tsy hanana ankoatr’I Allah, na mpiahy na mpanavotra.

(23) Ary ireo izay tsy mino ireo fanambaran’I Allah sy ny fihaonana Aminy, izy ireny no diso fanantenana amin’ny famindram-poko. Ary izy ireny dia ahazo ny famaizana mamirifiry.

(24) Ka tsy nanana valin-teny hafa ny vahoakany afa-tsy nilaza hoe : “Vonoinareo izy, na doronareo”. Nefa navotan’I Allah avy tamin’ilay afo izy. Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana maro tokoa ho an’ny vahoaka izay mino.

(25) Ary niteny izy hoe : “Tena marina fa nandray ireo sampy ianareo, ankoatr’I Allah, ho fanamafisana ny fifankatiavana eo aminareo amin’ny fiainana eto an-tany. Avy eo, amin’ny Andro Fitsanganana, dia hifampitsipaka ny andaniny sy ny ankilany aminareo, ary hifanozona koa ny andaniny sy ny ankilany, ka ny Afobe no ho fonenanareo, ary tsy hanana mpanavotra ianareo.

(26) Koa dia nino azy i Lota, ka niteny izy nanao hoe : “Marina fa izaho dia hifindra monina any amin’ny Tompoko, fa izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena”.

(27) Nomenay azy Isaaka sy Jakoba, ary napetrakay tamin’ny taranany ny faminaniana sy ny Boky. Ary natolotray ho azy ny valisoany eto an-tany, fa ny any ankoatra kosa dia ho anisan’ireo olon-kendry izy.

(28) Ary i Lota, raha niteny tamin’ny vahoakany izy nanao hoe : “Tena marina fa ianareo dia tena manao ny asa vetaveta izay tsy nisy na dia iray aza nialoha anareo tamin’izany teto amin’izao tontolo izao.

(29) Manao fahafinaretana ara-nofo amin’ny lahy samy lahy ve ianareo, Ary manao asan-jiolahy ianareo, Manao asa ratsy amin’ny toeram-pivorianareo ihany koa ianareo? ”Ka tsy nanana valin-teny hafa ny vahoakany afa-tsy hoe : “Ataovy tonga aty aminay ny famaizan’i Allah, raha isan’ireo mpilaza ny marina ianao”.

(30) Niteny izy (Lota) hoe : “ Tompo ô ! Omeo fandresena aho amin’ny vahoaka mpanao asa fanimbana !”

(31) Ary rehefa tonga tao amin’i Abrahama ireo irakay niaraka tamin’ny vaovao mahafaly, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Izahay dia handringana ireo mponin’io tanàna io (tànanan’i Lota), satria ny mponina ao aminy dia tena mpanao ny tsy rariny.

(32) Niteny izy : Nefa i Lota ange ao e !”. Namaly izy ireo nanao hoe : “ Fantatray tsara izay monina ao.Tena avotanay izy sy ny fianakaviany, afa-tsy ny vadiny izay anisan’ireo ho ripaka”.

(33) Ary rehefa tonga tamin’i Lota ireo irakay (Anjely) dia nalahelo azy ireo izy, ary nahatsapa fa tsy afa-miaro azy ireo. Niteny taminy izy ireo hoe : “Aza matahotra ianao, ary aza malahelo...! Marina fa hanavotra anao sy ny fianakavianao izahay, afa-tsy ny vadinao izay anisan’ireo ho ripaka.

(34) Halatsakay avy any an-danitra amin’ny mponin’ity tanàna ity ny famaizana nohon'ny asa ratsy izay nataon’izy ireo”.

(35) Ary tena marina, fa namela famantarana mazava tao Izahay ho an’ireo vahoaka izay misaina .

(36) Toy izany koa ny amin’ireo Madiana ; (nalefanay) ny rahalahin’izy ireo Shoaimbo izay niteny tamin’izy ireo hoe : “Ô ry vahoakako ! Tompoinareo I Allah ary manantenà ny andro farany, fa aza miely eto ambony tany ianareo amin’ny fanaovana ny asa fanimbana”.

(37) Nefa noraisin’izy ireo ho mpandainga izy. Dia tonga namely azy ireo ny horohoron-tany mahery vaika, nony maraina, dia nitsirara tsy aman’aina tao amin’ny fonenany izy ireo.

(38) Torak’izany koa ireo vahoakan’i Andy sy Thamody. Hitanareo miharihary izany toeram-ponenan’izy ireo izany. Ny satana anefa dia nanatsara ny asan’izy ireo, ka nanakana azy ireo tamin’ny lala-mahitsy ; nefa izy ireo dia tao anatin’ny fahiratan-tsaina.

(39) Toy izany ihany koa i Karona sy Faraona, ary Hamana. Nefa i Mosesy dia nitondra porofo tamin’izy ireo, dia mbola nanambony tena ihany izy ireo teto an-tany ka tsy afa-bela taminay.

(40) Noraisinay ny tsirairay araka ny fahotany, nisy tamin’izy ireo izay nandefasanay rivo-doza mahery vaika, tao izay azon’ny hiaka, nisy koa izay nasainay natelin’ny tany; ary tao ihany koa izay narendrikay. Kanefa tsy Allah velively no nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo; fa ny tenany ihany no nanaovany ny tsy rariny.

(41) Ireo izay nandray mpiaro hafa ankoatr’I Allah dia mitovy amin’ny hala izay miantehitra amin’ny tranony. Marina fa ny trano tena marefo indrindra dia ny tranon-kala, raha toa ka mba fantatr’izy ireo !

(42) Tena marina fa Allah dia mahalala ny zava-drehetra hafa ivelany izay antsoin’izy ireo. Fa Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.

(43) Toy izany ireo fanoharana izay nasehonay tamin’ny olona, kanefa tsy misy afaka nisaintsaina izany afa-tsy ireo manam-pahaizana.

(44) Nahary ireo lanitra sy tany tamim-pahamarinana I Allah. Marina fa ao anatin’izany dia misy porofo ho an’ireo mpino.

(45) Tanisao izay nambara taminao avy amin’ny Boky, ary tanteraho ny vavaka (soalat). Tena marina fa ny vavaka (soalat) dia manakana amin’ny asa vetaveta sy ny asa ratsy. Fa ny fahatsiarovana an’I Allah no tena lehibe indrindra. Ary Allah dia mahafantatra izay ataonareo.

(46) Ary aza miady hevitra amin’ireo olon’ny Boky ianareo, raha tsy amin’ny fomba mendrika indrindra, afa-tsy izay manao ny tsy rariny amin’izy ireo, ary teneno hoe : “Izahay dia mino izay nampidinina taminay sy izay nampidinina taminareo, ary ny Zanaharinay sy ny Zanaharinareo dia iray ihany. Ary izahay dia manetry tena eo Aminy”.

(47) Ary toy izany no nampidinanay taminao ny Boky Kor’any. Fa ireo izay nomenay ny Boky dia mino izany. Ary misy amin’izy ireny (arabo) ihany koa no mino izany. Fa tsy misy mandà ireo fanambarànay afa-tsy ireo izay tsy mpino.

(48) Ary ianao dia tsy mba namaky na boky iray aza talohan’izany, ary tsy mba nanoratra izany koa tamin’ny tànanao havanana. Raha tsy izany, dia nanana fisalasalana ireo izay mitsipaka ny fahamarinana.

(49) Mifototra amin’ny andian-teny mazava anefa izany (Kor’any), izay ao anatin’ny fon’ireo nomena fahalalana. Fa tsy misy mandà ireo fanambarànay afa-tsy ireo izay mpanao ny tsy rariny.

(50) Ary miteny izy ireo hoe : “Nahoana no tsy nampidinina taminy ny fahagagana maro izay avy amin’ny Tompony ?” Teneno hoe : “Ireo fahagagana dia eo anatrehan’i Allah. Ary tsy inona aho afa-tsy mpampitandrina miharihary”.

(51) Moa tsy ampy azy ireo ve, fa nampidina taminao ny Boky Izahay izay novakiana tamin’izy ireo ? Tena marina fa amin’izany dia misy famindram-pò sy fampahatsiahivana ho an’ny vahoaka izay mino.

(52) Teneno hoe : “Fa Allah dia ampy ho vavolombelona manelanelana ahy sy ianareo”. Mahafantatra izay ao amin’ireo lanitra sy ety an-tany Izy. Ary ireo izay mino ny diso nefa tsy mino an’i Allah, izy ireny dia ho maty antoka.

(53) Ary mangataka aminao izy ireo ny hanafainganana ny (fahatongavan’ny) famaizana ! Raha tsy efa nisy fe-potoana voafetra, dia efa tonga tamin’izy ireo ny famaizana. Ary tena ho tonga tampoka amin’izy ireo izany, ka tsy ho tsapan’izy ireo akory.

(54) Mangataka aminao izy ireo ny hanafainganana ny (fahatongavan’ny) famaizana ! Kanefa ny tena marina, dia ny Afobe no mihodidina amin’ireo tsy mpino.

(55) Amin’ny andro izay handrakofan’ny famaizana amin'izy ireo, avy eny ambonin’izy ireo sy eny ambanin’ny tongotr’izy ireo, dia hiteny Izy (Allah) hoe : “Andramanareo izay nataonareo”.

(56) Ô ry Mpanompoko izay nino ! Tena marina fa ny taniko dia midadasika. Ka aoka Izaho irery ihany no ho tompoinareo !

(57) Ny manan’aina rehetra dia samy hanandrana ny fahafatesana. Avy eo, atỳ Aminay no hamerenana anareo.

(58) Ka ireo izay mino sy manao ny asa soa, dia tena hapetrakay eo ambony rihana ao amin’ny Paradisa, izay misy renirano maro mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tena valisoa tsara tokoa ny an’ireo mpanao ny asa tsara,

(59) Dia ireo izay niaritra mandrakariva, ka nametraka ny fitokisany tamin’ny Tompon’izy ireo.

(60) Firifiry moa ireo biby izay tsy miandraikitra akory ny anjara sakafony ! Fa Allah no manome anjara sakafo ho azy ireo, ary ho anareo koa. Ary Izy dia Ilay Maheno, Ilay Mahalala ny zava-drehetra.

(61) Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “ Iza no nahary ireo lanitra sy ny tany, mandrindra ny masoandro sy ny volana ? ”. Dia tena hiteny izy ireo hoe : “Allah”. Ka nahoana àry no mivily làlana izy ireo ?

(62) Allah no manome an-kalalahana ny anjara amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, sy mametra izany ihany koa eo aminy. Tena marina fa Allah dia Mahalala ny zava-drehetra.

(63) Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “Iza no nampidina ny rano avy eny an-danitra, ka namelona avy amin’ny alalan’izany ny tany taorian’ny fahafatesany ?” Dia tena hiteny izy ireo hoe : “Allah.” Teneno hoe : “Dera anie ho an’i Allah.” Kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy misaina.

(64) Ary tsy inona ity fiainana eto an-tany ity, afa-tsy fialam-boly sy kilalao fotsiny ihany. Fa ny tena marina dia, ny fonenana any an-koatra no tena fiainana. Raha mba mahafantatra izy ireo !

(65) Rehefa nitaingina tao anatin’ny sambo izy ireo, dia nangataka tamin’i Allah am-panokanana tanteraka ny fivavahana madio ho Azy. Koa rehefa navotany izy ireo, ka tody soa aman-tsara teny an-tanety, dia indro izy ireo fa manakambana Azy amin’ny zavatra hafa.

(66) Mba tsy hankasitraka amin’izay nomenay azy izy ireo, koa aoka hifaly izy ireo (amin’ny hasoavana eto an-tany) ! Ka ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany.

(67) Tsy hitan’izy ireo ve, fa nanao toerana masina sy azo azo antoka izahay (Makka), nefa esorina ireo olona manodidina azy ireo ? Moa ve ny hadisoana no hinoan’izy ireo ka ny hasoavan’i Allah no lavin’izy ireo ?

(68) Ary iza no tena manao ny tsy rariny mihoatra izay famoronan-dainga mahakasila an’i Allah, na koa milaza fa lainga ny fahamarinana rehefa tonga aminy ? Moa ve tsy any amin’ny Afobe no fonenan’ireo tsy mpino ?

(69) Ary ho an’ireo izay nanao fiezahana momba anay dia hotarihanay amin’ny làlanay izy ireo, ary marina fa Allah dia tena miaraka amin’ireo mpanao asa fanasoavana.