76 - Al-Insaan ()

|

(1) Moa va tsy nisy ampaham-potoana, nandalo tamin'ny olombelona izay mbola tsy nisian'izy ireo akory ?

(2) Eny, namboarinay avy tamin'ny tsirin'aina mifangaro ny olombelona, mba hisedranay azy. Ary dia nataonay nandre sy nahita.

(3) Notarinay lalana izy, hahalala hankasitraka na haniratsira.

(4) "Nanomana rojo vy ho an'ireo tsy mpino tokoa Izahay, sy gadra vy, ary afo mamaivay."

(5) Hisotro amin'ny kaopy feno hanitra kamifaoro ireo olona tsara.

(6) Avy amin'ny loharano no hisotroan'ireo mpanompon'I Allah, hiboiboika maro ao izy ireo.

(7) tanterahian'izy ireo ny voadiny, ary atahorany ny andro hiparitahan'ny ratsy.

(8) Ary manome sakafo ho an'ny mahantra izy ireo, ny kamboty, sy ny voababo na dia eo aza ny fitiavany izany.

(9) ka miteny hoe : "Nohon'ny voninahitr'i Allah no anomezanay sakafo anareo, tsy mitady valisoa na fisaorana avy aminareo izahay.

(10) Matahotra ilay andro mampihorohoro sy feno loza avy amin'ny Tomponay izahay.

(11) Koa harovan'I Allah amin'ny ratsy izy ireo amin'io andro io, ary hampifanojoany amin'ny hatsarana sy hafaliana,

(12) ka hamaliany izay niaretan'izy ireo, amin'ny fanomezana ny paradisa sy ny akanjo lasoà,

(13) Hitehin-kiho eo amin'ny seza lava izy ireo, tsy hahita (ny hamain'ny) masoandro, na hatsiaka mamirifiry.

(14) Ary hanarona azy ireo ny haloky ny hazon'ny paradisa, ary hiondrika ambany ireo voankazony.

(15) Ary ampadalovina eo amin'izy ireo ny siny volafotsy sy ireo kapoaka mangirana.

(16) Amin'ny volafotsy mangirana, izay voafatra tsara ny fisotro ao anatiny.

(17) Ary hampisotroina rano amin'ny kaopy izay misy sakamalao izy ireo ao.

(18) Notovozina tao amin'ny loharano antsoina hoe Salsabil.

(19) Ary hisy tovolahy lalandava, hivezivezy eo amin'izy ireo. Raha mahita azy ireo ianao, dia heverinao ho toy ny vatosoa miparitaka izy ireo.

(20) Ary rehefa mijery any ianao, dia hahita fahafinaretana sy fanjakana midadasika.

(21) Hanao akanjo maintso parasily, sy lamba lasoà rakofam-bolamena izy ireo, hiravaka haba fehin-tanana volafotsy. Ary hampisotroin'ny Tompony zava-pisotro tena madio izy ireo.

(22) Valisoa ho anareo izany, ary mendri-pankasitrahana ny ezaka nataonareo.

(23) Hamafisina, fa Izahay no nampidina tsikelikely ny koroany teo aminao.

(24) Koa hiareto àry ny didy napetraky ny Tomponao, fa aza mankato ny mpanota, na ny tsy mpino amin'izy ireo ianao.

(25) Ary tsarovy ny anaran'ny Tomponao, ny maraina sy ny folak'andro.

(26) Koa miankohofa eo anatrehany ianao ny ampahany amin'ny alina, ary omeo voninahitra Izy mandritra ny fotoana maharitra amin'ny alina.

(27) Tia ny fiainana mandalo izy ireny ka mamela any aoriany ny andro mavesatra.

(28) Izahay no nahary sy nampatanjaka ny toe-batan'izy ireny. Raha tianay anefa dia nosoloanay mitovy aminy izy ireo.

(29) Fampahatsiarovana ity. Koa aoka àry ho any amin'ny làlan'ny Tompony izay tia izany.

(30) Tsy ho tia izany anefa ianareo, raha tsy sitrak'i Allah. Fa mahalala ny zavatra rehetra, sady be fahendrena i Allah.

(31) Ampidiriny ao amin'ny famindram-pony izay tiany. Ary dia nanomanany famaizana mamirifiry ireo mpanao ny tsy rariny.