69 - Al-Haaqqa ()

|

(1) Ilay tsy azo ialana (isehoan'ny marina).

(2) Ka inona no tsy azo ialana (isehoan'ny marina)?

(3) Ary iza no hilaza aminao ny amin'ny hoe tsy azo ialana (isehoan'ny marina)?

(4) Nolazain'ireo Thamod sy ireo Aad ho lainga ireo loza.

(5) Ary ny Thamod dia ravan'ny hiaka tena mafy izy ireo.

(6) Fa ireo Aad indray dia ravan'ny rivotra mifofofofo ankatezerana izy ireo.

(7) Ka nasafotofotony nandritran'ny fito alina, sy valo andro mifanarakaraka izy ireo ; dia hitanao mianjera amin'ny tany ireo olona, tahaka ny vodihazo "palma" poakaty.

(8) Mbola misy hitanao tavela va izy ireo ?

(9) Ary tonga i Faraona sy ny teo alohany ary ireo tanàna noravana dia samy nanao fahotana avokoa.

(10) Tsy nankato ny Iraky ny Tompony izy ireo, ka nosaziany tamin'ny fomba tsy ahafahany manohitra.

(11) Rehefa tondraka ny rano dia Izahay no nampiditra anareo tao anatin'ny sambofiara.

(12) Mba hataonay fampahatsiarovana ho anareo, ka ho voatahirin'ny sofina mahare tsara.

(13) Ka rehefa ho tsofina amin'ny feo tokana ny anjomara.

(14) Ary dia voahainga sy hazera indray mandeha ny tany sy ireo tendrombohitra.

(15) Amin'izay andro izay dia hiseho ilay toe-javatra.

(16) Ary hitriatra ny lanitra, sady ho mora rava izy amin'io andro io.

(17) Ary eo andanin'izany ireo, anjely ny valo hilanja ny seza fiandrianan'ny Tomponao amin'io andro io.

(18) Haseho ianareo amin'io andro io ; ary tsy hisy hiafina ny aminareo.

(19) Fa ilay nomena ny bokiny amin'ny tanany ankavanana kosa, dia hiteny hoe : "Jereo ! Vakinareo ny bokiko."

(20) Azoko antoka fa ho hitako ao ny tatitra momba ahy.

(21) Dia ho ao anatin'ny fiainam-pahasambarana feno fankasitrahana izy !

(22) Hiditra ny Paradisa mendrika tokoa.

(23) Izay misy voankazo azo takarina amin'ny tanana.

(24) Mihinàna sy misotroa amim-pahafinaretana ianareo, noho izay efa nataonareo taloha.

(25) Fa izay hanolorana ny bokiny amin'ny tanany an-kavia kosa, dia hiteny hoe : "Indrisy mantsy ! Naleoko tsy natolotra ahy ny bokiko".

(26) Ka tsy nahafantarako ny tatitra momba ahy !

(27) Indrisy, naleoko ihany nifarana tanteraka tamin'ny fahafatesako voalohany.

(28) Fa tsy nisy nilaivako ny harenako.

(29) "Rava ny fahefako ka nandao ahy !"

(30) Raisinareo izy ! Ka asio gadra vy.

(31) Avy eo dia doroy any amin’ny afo mamaivay.

(32) Ary dia fatory amin’ny rojo mirefy fitopolo kiho.

(33) Satria tsy nino an'I Allah ilay tena Lehibe izy ireo.

(34) Ary tsy namporisika hanome sakafo ho an’ny mahantra.

(35) Tsy misy namana mihitsy izy eto anio.

(36) Ary tsisy sakafo hafa afa-tsy nàna.

(37) Ireo meloka ihany no hihinana izany.

(38) Tsia;mianiana amin’izay hitanareo Aho.

(39) Sy amin’izay tsy hitanareo ihany koa.

(40) Fa tenin’i Iraka iray mendri-kaja izany (Kor’any).

(41) Fa tsy tenin'ny mpanao tononkalo akory, saingy zara raha mino ianareo.

(42) Ary tsy tenin’ny mpisikidy; saingy zara raha mahatsiaro ianareo.

(43) Fanambarana avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao izany.

(44) Ka raha namorona teny hafa izy, nitenenany Anay.

(45) Dia noraisinay tamin’ny tanana an-kavanana izy.

(46) Avy eo dia notapahanay ny lalan-drà lehibe taminy (mifandray amin’ny fo).

(47) Ka tsy nisy afaka niaro azy ianareo.

(48) Hamafisina, fa fampahatsiarovana ho an’ireo vontom-pinoana izany.

(49) Ary fantatray fa misy miampanga izany ho lainga aminareo.

(50) Ary fahanenenana ho an’ireo tsy mpino tokoa izany.

(51) Ary izany no tena marina azo antoka.

(52) Omeo voninahitra àry ny anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !