(1) Rehefa hihorohoro mafy arak'izay tsy izy ny tany.
(2) ary hamoaka ny zava-draiketiny tao aminy izy.
(3) ka hiteny ny olombelona hoe : "inona no nahazo ny tany ?"
(4) Amin'izany andro izany ihany, dia hanambara ny vaovaony izy.
(5) Araka izay nambaran'ny Tomponao taminy.
(6) Amin'izany andro izany ihany, dia hivoaka ny fasany ny olombelona ka hisarantsaraka mba hampisehoany azy ireo ny asa vitan'izy ireo tsirairay avy.
(7) Koa izay nanao hatsarana na dia bitika tokoa aza dia hahita izany.
(8) Ary toy izany koa izay nanao faharatsiana na dia bitika aza dia mbola hitany izany.