(1) Lazao hoe : "O ! Ianareo tsy mpino,"
(2) Izaho dia tsy manompo izay tompoinareo.
(3) Ary ianareo koa dia tsy manompo izay tompoiko.
(4) Eny ! tsy hanompo izay tompoinareo aho na oviana na oviana !
(5) Ary ianareo koa dia tsy hanompo izay tompoiko.
(6) Ho anareo ny fivavahanareo, ary ho ahy kosa ny fivavahako !