(1) Mianiana Aho amin'ny lanitra feno ireo antokon- kintana,
(2) sy amin'ny ilay andro nampanantenaina;
(3) sy amin'ny izay manatri-maso izany, ary ny mijoro ho vavolombelona.
(4) Novonoina ireo vahoakan'i Okhdodo ( hantsana lalina )
(5) Amin'ny afo feno kitay,
(6) ary indro izy ireo hipetraka manondidina izany.
(7) Ary vavolombelona koa izy ireo ny amin'ny fampijaliana izay nataon'izy ireo ny mpino.
(8) Ary nefa tsy nankahala ireo mpino izy ireo afa-tsy nohon'ny finoana an'I Allah ilay mahery sy mendri-piderana,
(9) Azy ny fanjakan'ny lanitra sy ny tany; Allah ilay vavolombelona amin'ny zava-drehetra,
(10) Tena marina, fa ireo izay nampijaly ny mpino, ka tsy mibebaka tamin'izany dia hahazo ny famaizana ao amin'ny Afo be ary ho dorana,
(11) Fa ireo izay nino sy nanao ny asa soa kosa dia hahazo ny paradisa izay ahitana renirano mikoriana eo ambany; izany no tena fahombiazana lehibe.
(12) Marina fa ny sazy avy amin'ny Tomponao dia mahery vaika.
(13) Ary Izy ilay mpahary ny tany am-piandohana, ary Izy ihany koa no hanangana indray ny amin'ny maty.
(14) Izy ilay mpamela heloka sy be fitiavana,
(15) Ilay Tompon'ny seza fiandrianana be voninahitra.
(16) Mahanteraka izay sitrany.
(17) Moa ve tonga tany aminao ny tantaran'ireo tafika?
(18) Dia ny tafik'i Farao sy ny an'i Samodo izany
(19) nefa indrisy, fa ireo tsy mpino dia feno fandavana izany,
(20) Allah dia mamatotra azy ireo noho izany,
(21) Izy io anefa dia Kor'oany be voninahitra,
(22) Voatahiry anaty takelaka masina.