111 - Al-Masad ()

|

(1) Aoka ho levona ireo tànana roan’i Abo Lahab, ary ho levona koa ny tenany.

(2) Tsy nahavita na inona na inona taminy ny hareny sy izay nangoniny.

(3) Ka hodorana ao anaty afo miredareda izy.

(4) Toy izany koa ny vadiny izay mitondra hazon-kitay feno tsilo,

(5) ho eny am-bozony ny tady mafy vita amin'ny kofehy madinika.