(1) Ireo tsy mpino tamin'ireo olon'ny boky masina sy ireo mpampikambana Tompo amin'ny hafa dia tsy nijanona tamin'ny tsy finoana mihitsy raha tsy tonga tamin'izy ireo ny porofo mazava.
(2) Dia ilay iraka avy amin'I Allah izany, izay mamaky ireo takelaka feno fahadiovana.
(3) Izay mifono faminaniana tsy miovaova.
(4) Ary tsy nitovy hevitra ireo izay rehetra nanolorana boky masina raha tsy taorian'ny nahatongavan'ny porofo mazava tsara tamin'izy ireo.
(5) Eny ! Tsy nodidiana izy ireo afa-tsy ny hanompo Allah amin'ny finoana feno fahadiovam-po sy tsy misy fangarony, ary hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana (soalaty) sy hanome ny ampaham-pananana (zakaty) ho an'ireo mendrika izany, eny ! Izany no finoana marina sy mendrika.
(6) Tena marina fa ireo tsy mpino tamin'ireo olon'ny boky masina sy ny mpanompo sampy dia hiditra ny Afobe ka hitoetra ao mandrakizay, izy ireo no tena zava-boary ratsy indindra.
(7) Fa ireo izay nino sy nanao asa soa kosa dia izy ireo no zava-boary tsara indindra eto an-tany.
(8) a ny valisoa azon'izy ireo avy amin'ny Tompon'izy ireo dia ny Paradisa honenana izay misy renirano mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo ! Tompo Allah dia mankasitraka azy ireo, ary izy ireo koa dia mankasitraka Azy, toy izany no anjaran'izay matahotra ny Tompony.