(1) Twa, Sin. Indro ireo andinin’ny Kor’any, sy ny Boky mazava.
(2) Tari-dalana sy vaovao tsara ho an’ireo mpino.
(3) Dia ireo izay manatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat), sy manome ny harena fiantrana (zakat), ary mino amim-pitokisana tanteraka ny any ankoatra.
(4) Hamafisina, fa ireo izay tsy mino ny any ankoatra kosa, dia hatsarainay (eo imason’izy ireo) ny asany, ka ho sahiran-tsaina sy hisalasala izy ireo.
(5) Izy ireo dia ahazo ny sazy ratsy indrindra, ary ho maty antoka indrindra any ankoatra.
(6) Hamafisina fa ianao no mandray ny Koroany avy amin’Ilay be Fahendrena indrinra, Ilay Mahalala ny zava-drehetra.
(7) (Tsarovy) Raha niteny tamin’ny fianakaviany i Mosesy (Mosa) hoe : “Nahatazana afo aho ka hitondrako vaovao avy amin’izany ianareo, na koa hitondrako tapa-porohana mirehitra mba hakanareo hafanana”.
(8) Nony tonga teny izy, dia nantsoina : “Masina anie, ilay ao anatin’ny afo, sy izay manodidina azy, ary voninahitra ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao”.
(9) “Ry Mosesy ! Izaho no Tompo Zanahary, Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
(10) Ary atsipazo ny tehinao. Raha nahita azy mihetsika toy ny bibilava izy, dia nandositra tsy hiverina. “Ry Mosesy! Aza matahotra ianao, fa tsy matahotra velively ireo Iraka eto anatrehako.
(11) Afa-tsy izay nanao ny tsy rariny, sy nanakalo ny tsara amin’ny ratsy. Fa Mpamela heloka sy be Indrafo Aho!
(12) “Ary ampidiro ao anaty paosinao (ambony) ny tananao. Hivoaka fotsy izany, tsy misy zava-dratsy na anankiray amin’ireo fahagagana sivy, ho an’i Faraona sy ny vahoakany izany, fa olona ratsy fanahy tokoa izy ireo”.
(13) Ary nony tonga tamin’izy ireo ny fahagagana avy taminay, izay mazava miharihary tokoa, dia hoy izy ireo hoe : “Majika miharihary tokoa io”.
(14) Ary nolavin’izy ireo tsy amim-pahamarinana sy amim-piavonavonana izany, na dia nino tanteraka aza ny tao anatin’izy ireo. Jereo ary ny fiafaran’ireo mpanimba.
(15) Ary nomenay fahalalana tokoa i Davida sy i salomona ary niteny izy ireo hoe : dera ho an’I Allah izay nampisongadina anay manokana amin’ireo mpanompony maro izay mpino.
(16) Ary nandova an’i Davida i Salomona, ka niteny izy hoe : Oh ry Olombelona ! Nampianarina anay ny fitenin’ireo vorona ; ary nomena anjara izahay amin’ny zava-drehetra. Hamafisina, fa izany no tena fahasoavana miharihary tokoa.
(17) Ary navory ho an’i Salomona ireo miaramilany avy amin’ireo jiny sy olombelona ary ireo vorona ka nampilaharina izy ireo.
(18) Ary rehefa tonga tao amin’ny lohasahan’ireo vitsika izy ireo dia nisy vitsika niteny hoe : Ry vitsika ! Midira ao amin’ny fonenanareo ianareo mba tsy hanitsahan’i Salomona sy ireo miaramilany anareo, nefa tsy hahatsapa izany akory izy ireo.
(19) Nitsiky izy (Salomona), (faly) tamin’ny teniny ; ary niteny hoe : mamela ahy ianao ry Tompo ! Mba hankasitraka ny fahasoavanao izay nomenao ahy sy ireo ray aman-dreniko ; ary mba hanao asa soa izay ankasitrahanao ; ka ampidiro amin’ny alalan’ny famindram-ponao aho ,ho isan’ireo mpanomponao mendrika.
(20) Avy eo dia nitady ilay vorona izy, ka niteny hoe : nahoana no tsy mba hitako i Railovy, anisan’ireo tsy tonga ve izy?
(21) Tena ho faiziko mafy tokoa izy na koa tena ho tapahiko mihitsy ny vozony ! Na izy hitondra porofo mazava tsara amiko.
(22) Nefa tsy niandry ela akory izy afa-tsy fotoana vitsivitsy fotsiny (dia tonga),ary niteny hoe : mahafantatra izay mbola tsy fantatrao aho ! Ary nitondrako vaovao tena marina ianao avy any Saba (Hoy Railovy tamin’i Salomona).
(23) Hamafisiko (hoy Railovy), fa izaho dia nahita vehivavy izay tompon’ny fanjakana amin’izy ireo, ary nomena azy daholo ny zava-drehetra ary manana seza fiandrianana lehibe izy.
(24) Hitako izy sy ny vahoakany izay samy niankohoka eo anoloan’ny masoandro fa tsy amin’I Allah. Ary nohatsarain’ny satana ny asan’izy ireo sady naviliny lalana tsy ho amin’ny lala-mahitsy ary tsy nahazo tari-dalana ihany koa izy ireo.
(25) Nahoana izy ireo no tsy niankohoka eo anoloan’I Allah izay mamoaka ny (zavatra) miafina eny amin’ireo lanitra sy ny tany sy ilay mahafantatra izay afeninareo ary koa izay asehonareo ?
(26) Allah ! Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, ilay Tompon’ny seza fiandrianana lehibe !
(27) Niteny izy (Salomona) hoe : ho jerentsika raha (milaza) marina tokoa ianao, na koa anisan’ireo mpandainga.
(28) Mandehana ary ento ity taratasiko ity. Avy eo dia atsipazo eo amin’izy ireo izany, ary manaraka izany dia misintaha kely amin’izy reo ianao ka jereo ny valin-tenin’izy ireo.
(29) Niteny ilay Andriambavy (Mpanjaka vavy) hoe : Oh ry loholona ! Misy taratasy iray mihaja izay natoraka teo amiko.
(30) Tena marina fa avy amin’i Salomona ilay izy. Ary tena misoratra hoe : Amin’ny anaran’I Allah, ilay be fiantrana,Ilay be indrafo.
(31) Aza manambony tena amiko ianareo, koa avia aty amiko amim-panetre-tena tanteraka ianareo.
(32) Niteny ilay Andriambavy (Mpanjaka vavy) hoe : Oh ry loholona ! Omeo toro-hevitra aho amin’ity raharaha ity, satria tsy hanapa-kevitra mihitsy aho raha tsy eo anatrehanareo.
(33) Niteny izy ireo (loholona) hoe : manana hery sy tanjaka tsy refesi-mandidy izahay. Fa ny fanapahana kosa dia avy aminao (ry Mpanjaka), koa jereo ary izay baiko tianao hatao (ny fanapahan-kevitra tianao ho raisina).
(34) Niteny izy hoe : tena marina fa raha miditra ny Tanàna iray ireo mpanjaka dia manao asa fanimbana foana, ary hataony afa-baraka ireo mponina manan-kaja ao aminy. Ary dia toy izany mihitsy no fanaon’izy ireo.
(35) Ary tena handefa fanomezana ho an’izy ireo aho, ka ho hitako eo izay ho entin’ireo iraka miverina.
(36) Avy eo, rehefa tonga teto anatrehan’i Salomona (ny iraka), dia niteny izy hoe : moa ve hanampy ahy amin’ny alalan’ny harena ianareo ? Nefa izay nomen’I Allah ahy dia tsara kokoa noho izay nomenareo. Kanefa ianareo dia mifaly amin’ny fanomezanareo.
(37) Miverena any amin’izy ireo ianao. Ary hamafisinay fa hitondranay miaramila izay tsy ho vitan’izy ireo ny hiatrika izany (hanafika azy ireo izahay), ary ataonay sesi-tany tokoa izy ireo, ho afa-baraka sady ho voaheso (hahatsiaro-tena ho ambany).
(38) Niteny izy (Salomona) hoe : Oh ry loholona ! Iza aminareo no hitondra ny seza fiandrianany aty amiko alohan’ny ahatongavan’izy ireo aty amiko ho mpankato (ilay Mpanjaka vavy sy ny vahoakany) ?
(39) Niteny ny jiny iray izay tena matanjaka hoe : izaho no hitondra azy eo aminao alohan’ny hitsangananao avy eo amin’ny toeranao, ary tena marina fa izaho dia matanjaka sy mendri-pitokisana amin’izany.
(40) Ary niteny ilay (olona) anankiray manana fahalalana momba ny Boky hoe : izaho no hitondra izany aminao alohan’ny hanaovanao ny indray mipi-maso. Ary rehefa hitany fa nipetraka teo akaikiny ilay seza fiandrianana dia niteny izy (Salomona) hoe : fahasoavana avy amin’ny Tompoko tokoa izao, mba hitsapany ahy, na hankasitraka aho na tsy hankasitraka. Ary n'iza n'iza mankasitraka dia manao izany ho tombotsoan’ny tenany ihany. Ary n'iza n'iza tsy mankasitraka dia tena marina fa ny Tompoko dia manana ny ampy sady malala-tànana tokoa.
(41) Dia niteny izy (Salomona) hoe : ovanareo amin’ny endrika tsy fantany ilay seza fiandrianany, ka ho hitantsika ary raha voatari-dalana izy, na ho anisan’ireo tsy ahazo tari-dalana.
(42) Ary rehefa tonga izy (ilay mpanjaka vavy) dia notenenina taminy hoe : moa ve toy izao ny seza fiandriananao ? Namaly izy hoe : toa izy ihany io. Ka niteny i (Salomona) hoe : ary efa nomena anay ny fahalalana teo alohany, ary izahay dia efa nankato an’I Allah.
(43) Nefa izay notompoiny ankoatr’I Allah dia nanakana azy satria izy dia anisan’ny vahoaka tsy mpino.
(44) Notenenina taminy hoe : midirà ao an-dapa ianao, avy eo raha nahita izany izy (ny hatsaran’ny lapa), dia noheveriny fa rano lalina izany, ka nasehony ny ranjony roa, ka niteny izy (Salomona) hoe : io dia lapa vita avy amin’ny gorodona kristaly. Niteny izy (ilay mpanjaka vavy) : Tompo oh ! tena nanambaka ny tenako tokoa aho, ka manetry tena aho miaraka amin’i Salomona ho an’i Allah Tompon’izao tontolo izao.
(45) Ary marina tokoa, fa nalefanay tamin'i Thamoda ny rahalain' izy ireo Soaleh (nilaza tamin'izy ireo) : “Manompoa an’I Allah ary indro, fa nizara ho vondron'olona roa izay nifanditra izy ireo”.
(46) Dia niteny izy hoe : ry vahoakako ! Nahoana no mitady hanafaingana ny ratsy alohan’ny tsara ianareo ? Raha mba mangataka famelan-keloka amin’I Allah ianareo ? Angamba mba ahazo famindram-po ianareo.
(47) Niteny izy ireo hoe : izahay dia mahita anao sy ireo izay miaraka aminao, ho mpitondra loza. Niteny izy hoe : ny anjaranareo dia miankina amin’I Allah. Nefa ianareo dia vahoaka mandalo fitsapana tokoa.
(48) Ary nisy andian’olona sivy (9) tao an-tanàna, izay mpanao asa fanimbana teto an-tany ary tsy mba manao asa fanatsarana mihitsy.
(49) Niteny izy ireo hoe : mianiana amin’I Allah izahay fa tena hanafika azy sy ny fianakaviany amin’ny alina. Avy eo dia hiteny tokoa izahay amin’izay omena andraikitra ny hamaly faty azy hoe : izahay dia tsy nahita ny famonoana ny fianakaviany, ary izahay dia olona mpilaza ny marina.
(50) Nanao tetik’ady izy ireo, dia nanao tetik’ady ihany koa Izahay, nefa izy ireo dia tsy mahatsapa izany.
(51) Koa jereo ary ahoana no fiafaran’ny tetik’adin’izy ireo : naringanay avokoa izy ireo sy ny vahoakany rehetra.
(52) Indro ary fa ny tranon’izy ireo dia foana nohon'ny fanaovan’izy ireo ny tsy rariny. Marina fa amin’izany dia tena misy famantarana ho an’ny vahoaka izay mahafantatra.
(53) Ary navotanay ireo izay nino sy nanam-patahorana.
(54) Ary ampahatsiahivo azy ireo mahakasika an’i Lota, raha niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : Nirona amin’ny asa vetaveta ve ianareo, nefa ianareo dia olona mahiratra tsara?
(55) Ianareo dia tena mandeha amin’ireny lehilahy ireny mba hakanareo fahafinaretana ankoatr’ireo vehivavy, ianareo dia vahoaka tena anatin’ny habadoana tokoa.
(56) Tsy inona no valin-tenin’ny vahoakany afa-tsy hoe : “Roahy hiala amin’ny tanànanareo ny fianakavian’i Lota ! Satria izy ireo dia olona tia manadio tena”.
(57) Dia navotanay izy sy ny fianakaviany, afa-tsy ny vadiny izay efa nalahatray ho anisan’ireo voaringana.
(58) Ary narotsakay tamin’izy ireo ny orana (oran-bato). Tena ratsy tokoa izany orana izany ho an’ireo izay nampitandremana.
(59) Teneno (ry Mohammad) hoe : “Dera anie ho an’i Allah, ary fiadanana anie ho amin’ireo mpanompony izay nosafidiany !” Moa ve i Allah no Mendrika indrindra sa ireo izay akamban’izy ireo Aminy ?
(60) Moa ve tsy Izy no Nahary ireo lanitra sy ny tany, ary nampidina ny rano avy any an-danitra ho anareo, ka nampitsirianay avy amin’ny alàlan’izany ireo zaridaina maro mahafinaritra. Tsy nanana fahefana mihitsy ianareo hampitsiry ireo hazony. Ka moa ve misy zanahary hafa miaraka amin’I Allah ? Tsia, nefa izy ireo dia vahoaka mampitovy Azy amin’ny hafa.
(61) Moa ve tsy Izy no nanao ny tany ho toeram-ponenana, sy nametraka renirano maro eo anelanelan’izany, nampisy tendrombohitra mafy (mafy orina) maro eo aminy, ary nametraka fefy eo anelanelan’ny ranomasina roa, moa ve misy zanahary hafa miaraka amin’I Allah ? Tsia ! Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala mihitsy !
(62) Moa ve tsy Izy no mamaly ny tra-pasahiranana raha miantso Azy, sy manala ny ratsy, ary manao anareo ho taranaka mifandimby eto an-tany, moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Zara raha mahatsiaro ianareo !
(63) Moa ve tsy Izy no mitari-dalana anareo ao amin’ny haizin’ny tany sy ny ranomasina, ary iza no mandefa ireo rivotra ho vaovao mahafaly mialoha ny Famindram-pony (ranon’orana). Moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Ambony Lavitra I Allah manoloana izay akamban’izy ireo Aminy.
(64) Moa ve tsy Izy no manomboka ny fahariana , avy eo dia mamerina izany indray, ary iza no manome anareo anjara-pivelomana avy any an-danitra sy eto an-tany. Moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Teneno hoe : “Omeo ny porofonareo raha marina ny anareo ?”
(65) Teneno hoe : “Tsy misy mahalala ny miafina, izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, afa-tsy I Allah”. Ary tsy fantatr'izy ireo raha oviana no hananganana azy ireo .
(66) Ary feno tanteraka ny fahalalan’izy ireo momba ny fiainana any ankoatra, nefa izy ireo dia mbola miahiahy ihany ny amin’izany. Na mbola jamba amin’izany izy ireo.
(67) Ary niteny ireo izay tsy nino hoe : “Moa ve rehefa lasa vovoka izahay sy ireo razambenay, dia mbola havoaka indray mandeha ?
(68) Na dia izany aza, efa nampanantenaina izany izahay sy ireo razambenay teo aloha. Tsy inona ary izany fa anganon’ireo ntaolo.
(69) Teneno : Mandehana mitety ny tany ianareo ka jereo, ahoana ny fiafaran’ireo mpanao heloka bevava.
(70) Ary aoka ianao tsy alahelo amin’izay ataon’izy ireo, ary aoka ihany koa ianao tsy hitebiteby nohon'ny tetika izay ataon’izy ireo.
(71) Ary hoy izy ireo : “Rahoviana àry izany fampanantenana izany, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ?”.
(72) Teneno hoe : “Raha ny ampahany amin’izay tadiavinareo ho hafainganina,dia tonga ary tsy maintsy hanaraka ianareo“.
(73) Marina fa ny Tomponao no tompom-pahasoavana amin’olombelona kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala mankasitraka.
(74) Ary marina fa ny Tomponao dia mahalala izay afenin’ny tratran’izy ireo sy izay ahariharin’izy ireo.
(75) Ary tsy misy zava-miafina any an-danitra sy eto an-tany ka tsy voarakitra ao anatin’ny Boky mazava.
(76) Marina fa ity Koroany ity dia mitantara mahakasika ireo zanak‘Israely amin’ny amaroan’ireo zavatra izay mampifanolana azy ireo.
(77) Ary hamafisina fa izany dia tari-dalana sy famindram-po ho an’ireo mpino.
(78) Marina fa ny Tomponao dia hitsara eo amin’izy ireo araka ny lalàny, ary Izy ilay Mahery sy ilay Mahalala ny zava-drehetra.
(79) Ary ankino amin’I Allah ny fitokisanao, satria ianao tokoa dia ao anatin’ny fahamarinana miharihary.
(80) Ary hamafisina,fa ianao dia tena tsy afaka hampandre ireo maty ary tsy afaka ihany koa hampandre ireo marenina raha mitodi-damosina izy ireo.
(81) Ary tsy afaka mihitsy hitari-dalana ireo jamba amin’ny fahaverezana ianao. Ary tsy afaka hampandre afa-tsy ireo izay mino an’ireo fanambaranay no sady manolo-tena tanteraka ho amin’izany ianao.
(82) Ary rehefa mihatra amin’izy ireo ny teny, dia havoakanay hiteny amin’izy ireo ny biby iray lehibe avy amin’ny tany, ka hanao hoe : “Marina fa ny olombelona dia tsy mahatoky tanteraka ireo fanambarananay”.
(83) Ary amin’ny andro izay hamorianay avy amin’ny vahoaka, ireo andian’olona izay nilaza fa ho lainga ny fanambaranay dia halahatra tokoa izy ireo.
(84) Avy eo, rehefa tonga izy ireo dia hiteny (I Allah) hoe : “Moa ve nilaza ireo fanambarako ho lainga ianareo, nefa tsy nanana fahalalana momba izany akory ianareo ? Na koa, inona àry no nataonareo ?“
(85) Ary hihatra amin’izy ireo ny Teny nohon'ny tsy rariny izay nataon’izy ireo. Ka tsy afaka hiteny na inona na inona intsony izy ireo.
(86) Moa ve tsy hitan’izy ireo tokoa fa Izahay no nanao ny alina mba ahazoan’izy ireo fialan-tsasatra, ary ny andro mba ahafahana mijery ? Tena marina, fa ao anatin’izany dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka izay mino.
(87) Ary amin’ny andro izay hitsofana ny Trompetra dia hatahotra daholo izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany afa-tsy ireo izay sitrak’I Allah ! Ary ny rehetra dia ho tonga eo Aminy amim-panetren-tena.
(88) Ary hahita ireo tendrombohitra ianao, heverinao fa tsy mihetsika izy ireo nefa dia mandeha tahaka ny fandehan’ny rahona izy ireo. Asan’I Allah no nanao ny zava-drehetra tonga lafatra. Marina tokoa fa Izy Ilay Mahalala tanteraka izay rehetra ataonareo !
(89) Na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa soa, dia ahazo tsara kokoa noho izany izy, ary amin’izany andro izany, dia ho voaaro amin’ny tahotra izy ireo.
(90) Ary na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa ratsy dia ho aondrika ao anatin’ny afo ny tarehin’izy ireo. Moa ve tsy ho valiana ianareo afa-tsy amin’ny asa izay nataonareo ihany ?
(91) “Tsy nodidiana aho afa-tsy hanompo Ilay Tompon’ity Tanàna ity izay nohamasininy; ary Azy ny zava-drehetra, ary nodidiana aho mba ho anisan’ireo mpanolo-tena (ho an’I Allah /ho mpino Silamo).
(92) Ary ny hamakiako ny Koroany, ka na iza na iza mizotra amin’ny lala-mahitsy dia nanitsy ny tenany ihany. Ary na iza na iza no nanary ny tenany kosa dia teneno hoe : ”Izaho dia tsy inona, fa anisan’ireo mpampitandrina ihany”.
(93) Ary mitenena ianao hoe : ”Dera anie ho an’I Allah ! Fa hampahitany ireo famantarany ianareo, ka ho fantatrareo tokoa izany. Ary ny Tomponao dia tsy mba variana akory amin’izay ataonareo.