105 - Al-Fil ()

|

(1) Moa tsy fantatrao va nanao ahoana no nanaovan'ny Tomponareo ireo olon'ny elefanta ?

(2) Moa va tsy nataony nanjavona ny teti-dratsin'izy ireo ?

(3) Ka nandefasany andiam-borona maro mifanesy izy ireo,

(4) Izay nitoraka tanimanga avy amin'ny Afobe azy ireo.

(5) Ka nanao azy ireo ho toy ny ravi-mololo voatsakotsako.