58 - Al-Mujaadila ()

|

(1) Henon'I Allah tokoa, ny tenin'ilay vehivavy miady hevitra aminao mikasika ny vadiny, ka mitaraina amin'I Allah. Ary henon'I Allah ny resakareo. Marina tokoa fa I Allah Ilay Mandre sy Mahita ny zava-drehetra.

(2) Izay misao-bady aminareo, ka milaza fa tahaka ny lamosin’ny reniny izy ireo…, nefa tsy renin’izy ireo mihitsy, fa izay niteraka azy ireo ihany no Reniny. Milaza teny tsy mety, sady feno lainga tokoa izy ireo. Mpiantra sy Mpamela heloka anefa Allah.

(3) Izay mampitaha ny vadin’izy ireo amin’ny lamosindreniny, ka miverina amin’ny teniny avy eo, dia tsy maintsy mamotsotra mpanompo iray, alohan’ny hikasihany ny vadiny. Izany no fananarana anareo. Fa Mahafantatra tanteraka izay ataonareo Aممضا.

(4) Fa izay tsy afaka manao izany kosa, dia tsy maintsy mifehy roa volana mifanesy, alohan'ny hikasihany ny vadiny. Fa raha tsy afaka manao izany ihany koa izy, dia aoka izy hanome sakafo olona mahantra enim-polo. Izany dia mba hinoanareo an'i Allah sy ny Irany, izay fepetra napetrak'I Allah. Fa ireo tsy mpino kosa dia hahazo famaizana mamirifiry.

(5) Izay manohitra an'I Allah sy ny Irany, dia hazera tahaka ny nanjerana ireo teo alohany. Efa nampidina porofo mazava Izahay, ka hahazo famaizana mamirifiry.

(6) Amin'ny andro hananganan'I Allah azy rehetra amin'ny maty, ka hampahafantariny izay nataon'izy ireo. Nisain'I Allah izany, saingy hadinon'izy ireo. Fa mahita ny zavatra rehetra I Allah.

(7) Tsy hitanao va fa fantatr'i Allah izay any an-danitra sy ety an-tany? Tsy misy resaka miafina ataon'olona telo, raha tsy fahaefatra amin'izy ireo Izy, na amin'ny fahadimy, ka tsy fahaenina amin'izy ireo Izy, na latsaka noho izany, na mihoatra, dia ho eo amin'izy ireo Izy, amin'izay misy azy ireo. Avy eo, hampahafantariny azy ireo izay nataony, amin'ny andron'ny fitsanganana, fa mahafantatra ny zavatra rehetra Allah.

(8) Tsy hitanao va ireo voarara tsy hanao resaka miafina ? Fa miverina amin'izay nandraràna azy izy ireo, izay mifandinika hanao fahotana, handika lalàna, sady hankato ny Irany. Fa rehefa manantona anao izy ireo, dia miarahaba anao, tsy tahaka izay niarahaban'I Allah anao, ka miteny anakam-po hoe : "Nahoana àry no tsy sazin'I Allah izahay, nohon'ny teny nataonay ?" Ampy ho azy ireo ny afobe, izay handoro azy. Fa fiafarana ratsy tokoa izany !

(9) O ianareo mpino ! Rehefa manao resaka miafina ianareo, dia aza mifandinika hanota, sy handika lalàna, ary tsy hankato ny Iraka, fa mifandinia kosa, amin'ny hatsarana sy ny fitandremana . Ary matahora an'I Allah, izay hamory anareo any Aminy.

(10) Ny fanaovana fivoriana miafina hikatsahana ny zava-dratsy dia tsy inona fa avy amin'i Satana, mba hampahoriany izay mino. Saingy tsy afaka hanisy ratsy azy ireo izany, raha tsy alalana avy amin'I Allah. Fa amin'I Allah no tokony hianteheran'ireo mpino.

(11) Fa ianareo mpino ! Raha ilazana ianareo hoe : "Manomeza toerana ho an'ny hafa amin'ny fivoriana", dia aoka hanome toerana. Fa hanamboaran'I Allah toerana ianareo (any amin'ny paradisa). Ary raha asaina mitsangana ianareo dia aoka hitsangana. Fa hasondrotr'I Allah izay mino aminareo, sy izay nahazo fahalalana. Mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah.

(12) O ianareo mpino ! Raha misy dinika manokana hataonareo amin'ny Iraka, dia manolora fanomezana alohan'ny dinika izay ataonareo, tsara kokoa ho anareo izany sady madio. Fa raha tsy manan-katao amin'izany ianareo, dia hamafisina, fa mpamela heloka sy be indrafo Allah.

(13) Matahotra va ianareo ny hanolotra fanomezana alohan'ny dinika ? Saingy raha tsy manao izany ianareo, ka mamindra fo aminareo I Allah, dia ho ampy anareo ny fanompoam-pivavahana sy ny famoahana zakat, ary ny fankatoavana an'I Allah sy ny Irany. Fa fantatr'I Allah izay ataonareo.

(14) Tsy hitanao va ireo naka olona ho namana, izay efa nahatezitra an’I Allah ?Sady tsy avy aminareo izy ireny, no tsy avy amin’izy ireo ihany koa ; fa mianiana amin’ny lainga izy ireo kanefa mahafantatra.

(15) Nanomanan’I Allah famaizana mafy izy ireo fa tena ratsy tokoa izay nataon’izy ireo.

(16) Raisiny ho toy ny ampinga ny fianiany, ary misakana ny lalan’I Allah izy ireo. Noho izany, hahazo famaizana mahafabaraka izy ireo.

(17) Tsy hisy ilain’izy ireo ny fananany, na ny zanany manoloana an'I Allah. Olon’ny afo izy ireny, izay honenany mandrakizay.

(18) Amin’ny andro izay hananganan’I Allah azy rehetra amin’ny maty, dia hianiana Aminy izy ireo, tahaka ny hianianan’izy ireo aminareo, mihevitra fa miankina amin’ny zavatra matanjaka izy ireo. Kanefa, izy ireo no mpandainga.

(19) Nofehezin’ny devoly izy ireo, ka nasainy nanadino ny fahatsiarovana an’I Allah. Izy ireny no antokon’ny devoly, ary tsy maintsy maty antoka ny antokon’ny devoly.

(20) Ho isan’ireo afa-baraka indrindra, izay manohitra an’I Allah sy ny Irany.

(21) Nametraka didy Allah hoe : handresy tokoa Aho sy ireo Irako;tena marina fa matanjaka sy tsitoha I Allah.

(22) Tsy ahita olona amin’ireo mino an'I Allah sy ny andro farany ianao, ka haka namana ireo izay manohitra an’I Allah sy ny Irany, na dia ny rainy, na ny zanany, na ny rahalahiny aza izany, na ny olona ao amin’ny fokony. Napetrany ao am-pon’izy ireo ny finoana, ary nampiany tamin’ny famonjeny izy ireo, hampidiriny any amin’ny zaridaina misy renirano mikoriana eo ambany izy ireo, ka hipetraka ao mandrakizay. Mankasitraka azy ireo Allah, ary mankasitraka an’I Allah koa izy ireo. Izy ireo no antokon'I Allah. Moa tsy ny antokon'I Allah va no tafita?