(1) Ankalazaina anie ny halehiben’Ilay Nampidina ny Bokin’ny Fanavahana (Kor’any, izay manavaka ny tsara sy ny ratsy) tamin’ny mpanompony mba ho mpampitandrina an’izao tontolo izao izy.
(2) Ilay Tompon’ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany, izay tsy manan-janaka velively, sady tsy misy mpiara-miombon’antoka Aminy eo amin’ny Fanjakana ary Izy no nahary ny zava-drehetra sy nandahatra azy araka ny tokony ho izy.
(3) Ary nandray tompo hafa ankoatra Azy izy ireo, izay tsy mahary na inona na inona, fa noharian'izy ireo, sy tsy manana fahefana hanao na ny ratsy na ny tsara ho an’ny tenany izy ireo; ary tsy tompon’ny fahafatesana, na ny fahavelomana na ny fitsanganana amin’ny maty ihany koa izy ireo.
(4) Ary niteny ireo izay tsy nino hoe : “Tsy inona akory ity afa-tsy lainga noforonon'i (Mohammad) ary nanampy azy tamin’izany ireo vahoaka hafa”. Nefa izy ireo no nahavita ny tsy rariny sy ny lainga.
(5) Ary niteny izy ireo hoe : "Anganon’ireo Ntaolo fahiny izay nampanoratiny izany ! Ka tononina aminy maraina sy hariva”.
(6) Teneno hoe : “Nampidina izany Ilay Mahalala ireo zava-miafina ao amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary Izy dia be Famelan-keloka sy be Indrafo”.
(7) Ary niteny izy ireo hoe : “Fa inona àry ity iraka ity izay mihinana sakafo, sy mandehandeha eny amin’ireo tsena ? Nahoana àry no tsy mba nisy Anjely iray nampidinina taminy mba ho mpampitandrina miaraka aminy ?”
(8) Na koa nisy harena sarobidy natoraka teo aminy na manana zaridaina ho azy izy, ka amin’izany no hihinanany ? Ary niteny ireo mpanao ny tsy rariny hoe : “Ianareo dia tsy manaraka afa-tsy lehilahy voan’ny mosavy !”
(9) Jereo ! Tahaka ny ahoana ireo fanoharana ataon’izy ireo momba anao, very izy ireo.Tsy afa-mahita lalana mihintsy izy ireo.
(10) Ankalazaina anie ny halehibeny, Ilay Tompo Allah, raha sitrany, mbola hanome anao tsara kokoa noho izany dia: Ireo zaridaina, misy ireo renirano mikoriana eo ambaniny ary hanome lapa maro ho anao Izy.
(11) Nefa nolazain’izy ireo ho lainga ilay Ora, ary Izahay dia efa nanomana afo mandoro ho an’izay nilaza ilay Ora ho lainga.
(12) Rehefa mahatazana azy ireo avy amin’ny toerana lavitra izy (afo), dia maheno ny fahatezerany sy ny firefodrefony izy ireo.
(13) Ary raha atoraka ao aminy izy ireo, amin’ny toerana tery, ary ny tanany roa mifatotra aorian’ny vozony, dia mangataka ny fanapotehana tanteraka ny tenany izy ireo.
(14) Aoka tsy hangataka fanapotehana indray mandeha fotsiny ianareo androany, fa mangataha kosa fanapotehana im-betsaka.
(15) Teneno hoe : “Moa ve izao no tsara, sa ny Paradisa mandrakizay izay nampanantenaina ireo izay manam-patahorana ho valisoa sy toeram-piafarana ?”
(16) Hahazo izay rehetra iriny ao izy ireo, sy hitoetra ao mandrakizay. Izany no fampanantenana izay andraikitry ny Tomponao ny manatanteraka azy.
(17) Ary ny Andro izay hanangonany azy ireo, sy izay tompoin’izy ireo ankoatr’I Allah dia hiteny Izy hoe : “Moa ve ianareo no nanary ireo mpanompoko ireo, sa izy ireo ihany no very lalana ?”
(18) Hiteny izy ireo hoe : “Voninahitra anie ho Anao ! Tsy mendrika ho anay ny haka mpiahy hafa ankoatra Anao, nefa nomenao fahafinaretana kosa izy ireo sy ireo razambeny, ka nahatonga azy ireo nanadino ny Fampahatsiarovana. Ary izy ireo dia vahoaka very”.
(19) Ary efa nilaza anareo ho mpandainga izy ireo amin’izay noteneninareo. Ka tsy afaka hahita fandosirana na fanavotana ianareo. Ary na iza na iza aminareo manao ny tsy rariny, dia hapanandramanay azy ny famaizana lehibe.
(20) Ary tsy nandefa Iraka Izahay talohanao ka tsy nihinana sakafo sy tsy nandeha teny an-tsena. Ary ny sasany aminareo dia nataonay fitsapana ho an'ny sasany, Moa manam-paharetana va ianareo? Fa ny Tomponao dia mahita ny zava-drehetra.
(21) Ary niteny ireo izay tsy manantena ny fihaonana Aminay hoe: “Raha mba nampidinina taminay ireo Anjely, na mba nahita ny Tomponay izahay!”. Tena efa nanambony ny tenany izy ireo, ary nihoa-pefy mihitsy tamin’ny fiavonana.
(22) Ny Andro izay hahitan’izy ireo, ireo Anjely, dia tsy hisy vaovao mahafaly amin’izany andro izany, ho an’ireo mpanao heloka be vava, ary hiteny izy ireo (Anjely) hoe : “ Voasakana, tena tsy azonareo hidirana tanteraka ! ”.
(23) Ary tonga nijery ny asa izay nataon’izy ireo Izahay, ka nataonay ho vovoka miparitaka izany.
(24) Ireo olon’ny paradisa, amin’izany andro izany, dia eo amin’ny toerana mendrika indrindra, sy amin’ny toeram-pialan-tsasatra tsara indrindra.
(25) Ary ny Andro izay hampitresaka ny lanitra amin’ny alalan’ireo rahona, sy hampidinana tokoa ireo Anjely.
(26) Amin’izany andro izany, ny tena fanjakana marina dia an’Ilay be Fiantrana, ary tena ho andro sarotra ho an’ireo tsy mpino.
(27) Ny andro izay hanaikeran’ny mpanao ny tsy rariny ny tanany roa, ka hiteny izy hoe : “Indrisy ! Raha mba niara-dalana tamin’ilay Iraka mantsy aho !”.
(28) Loza ho ahy ! Indrisy ! Raha tsy mba naka olona ho sakaiza mantsy aho !
(29) Tena marina fa nanary ahy lavitry ny fampatsiahivana izy, taorian’ny nahatongavan’izany (fampatsiahivana) tamiko. Ary satana dia mpamadika ny olombelona.
(30) Ary niteny ilay Iraka hoe : “Tompo ô ! Marina fa ny vahoakako dia nandray ity Kor’any ity ho zavatra tsinontsinona.”
(31) Ary tahaka izany no nanaovanay ireo mpaminany tsirairay avy, fahavalo avy amin’ireo mpanao heloka bevava. Ary ampy ho Mpanitsy sy Mpanavotra ny Tomponao.
(32) Ary niteny ireo izay tsy nino hoe : “Nahoana no tsy nampidinina taminy indray mandeha monja ny Kor’any ?” Tahaka izany (no nampidinanay tsikelikely ny Kor’any) mba hanamafisanay amin’ny alalan’ izany, ny fonao, ary novakinay amim-pikaliana izany.
(33) Ary tsy mitondra fanoharana aminao izy ireo, ka tsy tonga miaraka amin’ny fahamarinana aminao Izahay, sy fanazavana izay tsara indrindra.
(34) Ireo izay ho tarihina eo amin’ny tavany ho any amin’ny afobe, izy ireny no ratsy toerana indrindra, sy tena very lalana.
(35) Ary efa natolotray an’i Mosesy ny Boky, ary nataonay ny rahalahiny, Harona, ho mpanohana azy.
(36) Dia noteneninay hoe: “Mandehana ianareo roa any amin’ireo vahoaka izay nilaza fa lainga ireo fanambaranay”, avy eo dia nopotehinay tanteraka izy ireo.
(37) Ary ny vahoakan’i Noa, rehefa nilaza ireo Iraka hoe mpandainga izy ireo, dia narendrikay sy nataonay ho famantarana (fampitandremana) ho an’ny olombelona. Ary nanomana famaizana mangirifiry Izahay ho an’ireo mpanao ny tsy rariny.
(38) Ary ny vahoaka ‘Aady sy Thamody, ary ireo olon’i Rass, sy ireo taranaka nifandimby teo anelanelan’izany !
(39) Ho an’izy rehetra, dia samy nanaovanay fanoharana avy, ary naringanay daholo tamin’ny fomba mahery vaika izy ireo.
(40) Ary tena efa nandalo teo amin’ny tanàna (tanàn’i Mpaminany Lota) izay nandrotsahana oram-pahoriana izy ireo. Ka moa ve tsy hitan’izy ireo izany ? Nefa izy ireo dia tsy mba nanantena ny fitsanganana amin’ny maty.
(41) Ary raha mahita anao izy ireo, dia tsy mandray anao afa-tsy amin’ny vazivazy : “Moa ve io ilay nalefan’I Allah ho Iraka?"
(42) Saika hamily lalana anay hiala amin’ireo zanaharinay Izy, raha tsy naharitra izahay tamin’izany !”. Ary ho fantatr’izy ireo, rehefa mahita ny famaizana izy ireo, iza no tena very lalana !
(43) Moa ve hitanao izay nanao ny sitrapony ho zanahariny ? Ka moa ve ho mpiantoka azy Ianao ?
(44) Na koa mihevitra ve ianao fa ny ankamaroan’izy ireo dia maheno tokoa na misaina ? Tsy misy mitovy amin’izy ireo afa-tsy ireo biby, fa raha ny marina dia izy ireo no tena very lalana tokoa.
(45) Moa ve tsy hitanao, ahoana no namelaran’i Tomponao ny aloka ? Ary raha ny sitrany dia nataony tsy nihetsika izany. Avy eo dia nataonay ny masoandro, ho mpamaritra azy.
(46) Avy eo dia noraisinay an-kamorana mankaty Aminay izany.
(47) Ary Izy no nanao ny alina ho fitafy ho anareo, sy ny torimaso ho fialan-tsasatra, ary nanao ny andro ho fiverenana amin’ny asa aman-draharaha.
(48) Ary Izy no nandefa ireo rivotra, mba ho filazana mialoha ny Indrafony. Ary nampidinanay avy eny an-danitra ny rano madio sy manadio.
(49) Mba hamelomanay amin’ny alalan’izany ny tanana efa maty, sy hampisotronay ireo izay noharianay, dia ireo biby (fiompy) sy olombelona maro.
(50) Ary efa notsinjaranay teo amin’izy ireo izany (rano) mba hahatsiarovan’izy ireo (Anay), nefa ny ankamaroan’ny olona dia nandà, (ary tsy nanao)afa-tsy ny fikomiana ihany.
(51) Raha sitrakay dia nandefasanay mpampitandrina isaky ny tanàna tsirairay.
(52) Ka aoka ianao tsy hankatò ireo tsy mpino, ary miadia mafy ianao amin’izy ireo amin’ny alalan’ity (Kor’any ity).
(53) Ary Izy no nampikoriana ireo ranomasina roa, ny anankiray dia mamy manala hetaheta, ny iray hafa kosa dia masina sy mangidy. Ary nasiny elanelana eo amin’izy roa, sy sakana tsy azo dinganina.
(54) Ary Izy no nahary avy amin’ny rano ny olombelona, ka nataony mifandray izy ireo amin’ny alalan’ny rohim-pihavanana sy rohim-panambadiana. Ary ny Tomponao dia manam-pahefana (amin’ny zava-drehetra).
(55) Ary izy ireo dia manompo ankoatr'I Allah, izay tsy manome tombontsoa azy ireo sy tsy manome fahoriana. Ary ny tsy mpino dia manampy lalandava ny fahavalo amin’ny fanoherana ny Tompony.
(56) Ary tsy nandefanao Izahay afa-tsy ho mpitondra vaovao mahafaly sy mpampitandrina (ho an’ny zanak’olombelona).
(57) Teneno hoe : “Tsy mangataka tambiny aminareo aho amin’izany, afa-tsy izay mila hanaraka ny lalana mankany amin’ny Tompony (dia malalaka izy hanao izany).
(58) Ary ankino ny fitokisanao amin’Ilay Velona Izay tsy mba maty mihitsy. Ary ankalazao ny fahadiovany sy ny voninahiny amin’ny alalan’ny fiderana Azy. Ary Ampy tanteraka Izy hahafantatra ny fahotan’ireo mpanompony.
(59) Izay nahary ireo lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo anelanelan’izy roa, nandritra ny enina andro. Avy eo nitoetra amin’ny Seza fiandrianana Izy, Ilay be Fiantrana, ka anontanio ny momba Azy amin’izay manam-pahalalana.
(60) Ary rehefa tenenina izy Ireo hoe : “Miankohofa amin’ilay be Fiantrana ianareo”, dia miteny izy ireo hoe : “Ary iza moa izany be Fiantrana izany ? Moa hiankohoka eo anatrehan’izay andidianao anay ve izahay ?” Ary vao maika nampitombo ny fankahalan’izy ireo izany.
(61) Ankalazaina anie Ilay nametraka ireo antokon-kintana eny amin’ny lanitra, ary nametraka jiro eo aminy sy volana mpanazava.
(62) Ary Izy no nanao ny alina sy ny antoandro hifandimby, ho an’izay te-hahatsiaro (Azy) na koa te-haneho fankasitrahana.
(63) Ary ireo mpanompon’Ilay be Fiantrana, dia ireo izay mandeha am-panetren-tena eny ambonin’ny tany, ary rehefa miresaka amin’izy ireo ireo tsy manam-pahalalana dia miteny izy ireo hoe : “Fandriam-pahalemana.”
(64) Ary ireo izay mandany ny alina am-piankohofana sy am-pitsanganana eo anatrehan’i Tompon’izy ireo ;
(65) Ary ireo izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Alaviro anay ny famaizan’ny afobe ”,tena marina fa ny famaizany dia mitohy lalandava.
(66) Tena marina fa izany dia ratsy tokoa ho trano fonenana, sy toerana hipetrahana !
(67) Ary ireo izay efa manao fandaniana, dia tsy mandanindany foana ary tsy mahihitra ; fa manao ny antonony eo anelanelan’izany.
(68) Ary ireo izay tsy miantso zanahary hafa miaraka amin’I Allah, sy tsy mamono aina izay voararan’I Allah raha tsy amin’ny fahamarinana, ary tsy mijangajanga ; koa na iza na iza manao izany dia ahazo sazy.
(69) Ampitomboina roa avo heny ny famaizana ho azy ireo amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, ary hitoetra ao mandrakizay amim-pahambaniana izy ireo.
(70) Afa-tsy izay mibebaka sy mino ary manao asa soa ; izy ireny dia hovan’I Allah ho asa tsara ny asa ratsiny, ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
(71) Ary na iza na iza mibebaka sy manao asa soa,dia miverina amin'I Allah amin'ny fibebahana.
(72) Ary ireo izay tsy manao vavolombelona amin’ny lainga, ary rehefa mandalo eo anilan’ny zava-poana izy ireo dia mandalo amim-pahamendrehana.
(73) Ary ireo izay efa ampahatsiahivina ireo fanambaran’i Tompony dia tsy mba mody marenina sy jamba amin’izany.
(74) Ary ireo izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Omeo anay avy amin’ireo vadinay sy ireo taranakay ny fahafinaretan’ny maso, ary ataovy mpitarika ho an’ireo manam-patahorana izahay.
(75) Izy ireny dia omena ny toerana avo ho valisoa, noho izy ireo naharitra, ary ho raisina ao amin’ny fiarahabana omba-piadanana izy ireo.
(76) Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tsara tokoa ho trano fonenana sy toerana hipetrahana izany !
(77) Teneno hoe : “Tsy miraharaha anareo ny Tompoko raha tsy nohon'ny fitalahoanareo, satria efa nilaza azy ho mpandainga ianareo, dia tsy maintsy hihatra aminareo tsy an-kijanona (ny famaizana)”.