75 - Al-Qiyaama ()

|

(1) Tsia ! Mianiana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty Aho.

(2) Ary tsy mianiana amin'ny fanahy izay fatra-panome tsiny aho.

(3) Mihevitra va ny olombelona fa tsy hatambatray ny taolany ?

(4) Eny! Afaka mamerina ny lohan-drantsa-tanany amin'ny toerany Izahay.

(5) Mila hanohy ny fiainany malalaka ny olombelona.

(6) Manontany izy hoe : "Rahoviana ny andro farany?"

(7) Rehefa ho jamban'ny hazavana ny fijery.

(8) Ary ho takona ny volana.

(9) Ary hitambatra ny masoandro sy ny volana.

(10) Hiteny ny olombelona amin'io andro io hoe : "Aiza no handosirana ?"

(11) Tsia ! Tsy hisy fialofana.

(12) Any amin'ny Tomponao no hiverenana amin'io andro io.

(13) Ho lazaina amin'ny olombelona amin'io andro io, izay asa nataony taloha sy taty aoriana.

(14) Saingy ho vavolombelon'ny tenany ihany ny olombelona.

(15) Ary hitondra fialan-tsiny.

(16) Aza ahetsikao ny lelanao mba hanafaingananao ny famakiana azy.

(17) Anjaranay ny fanangonana azy sy ny famakiana azy.

(18) koa rehefa mamaky azy àry Izahay, dia araho tsara ny vakiteny.

(19) Fa andraikitray avy eo, ny manazava azy.

(20) saingy tianareo kokoa ny fiainana mandalo,

(21) ka tsy raharahinareo ny any an-koatra.

(22) Amin'izany andro izany, dia hisy endrika miramirana,

(23) Izay hibanjina ny Tompony.

(24) Ary hisy endrika maloka,

(25) Eo am-piandrasana ny loza hihatra.

(26) Tsia ! rehefa tonga eo amin'ny taolam-panavy ny aina,

(27) Ka hiteny hoe : "Iza no mpamoaka devoly ?"

(28) Ary hiaiky izy fa tonga ny fisarahana.

(29) ka hifamatotra ny ranjo,

(30) Any amin'ny Tomponao no hitondrana anao amin'io andro io.

(31) Saingy tsy nino izy ireo, no sady tsy nanao ny vavaka fanompoana ;

(32) Fa niampanga izany ho lainga izy, sady nitodi-damosina,

(33) Avy eo, dia lasa any amin'ny fianakiviany izy, nandeha amim-piavonavonana.

(34) Loza ho anao, loza tokoa !

(35) Eny ! Loza ho anao, loza tokoa !

(36) Mihevitra va ny olombelona fa ho avela amin'izao, tsy manana adidy iandraiketana ?

(37) Tsy avy amin'ny tsiron'aina indray mitete va izy ireo ?

(38) Avy eo, dia vaingan-drà, ary nohariany sy namboariny tsara ;

(39) Ka nataony avy amin'izany ny mpivady, lahy sy vavy.

(40) Moa va tsy afaka hamelona indray ny efa maty Izy ?