45 - Al-Jaathiya ()

|

(1) Hà, Mîm.

(2) Ny fanambarana ny Boky dia avy amin’I Allah, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena.

(3) Misy porofo ho an’ireo mpino tokoa eny amin’ny lanitra sy ety an-tany.

(4) Ary amin’ny nahariana anareo sy amin’ireo biby naparitany, dia misy famantarana maro ho an’ireo olona tena mino.

(5) Toy izany koa ny amin’ny fifandimbiasan’ny alina sy ny andro, ary izay ampidinin’I Allah avy eny amin’ny lanitra, amin’ireo anjaram-pahasoavana (orana), izay amelomany ny tany efa maty, ary ny fipariahan’ny rivotra, misy famantarana ho an’ireo olona misaina tokoa izany.

(6) Izany no andininy avy amin’I Allah izay vakianay aminao amim-pahamarinana. Ka teny manao ahoana no hinoan’izy ireo aorian’ny tenin’I Allah sy ireo famantarana avy Aminy ?

(7) Loza ho an’izay rehetra mpamitaka, mpanota !

(8) Maheno ireo andininy avy amin’I Allah izay vakiana aminy izy, avy eo, dia mikiry amin’ny fiavonavonana tahaka ny mbola tsy naheno izany velively. Koa ambarao azy ny famaizana mamirifiry.

(9) Raha mahafantatra ny ampahany amin’ireo andininy avy Aminay izy, dia ataony izay hanaratsiana azy ireny. Hahazo famaizana mahafabaraka izy ireny.

(10) Aorian’izy ireo ny afobe. Tsy hisy ilan’izy ireo izay nangoniny mihitsy, na izay nalainy ho mpiahy ankoatra an’I Allah. Fa hahazo famaizana lehibe izy ireo.

(11) Fitarihan-dalana izy ity (Kor’any).Fa izay tsy mino ireo andininy avy amin’ny Tompony, dia hahazo fijaliana amin’ny famaizana mamirifiry.

(12) Allah, Izy no nametraka ny ranomasina teo ambany fifehezanareo, mba handehanan’ireo sambo avy amin’ny baikony, ka hitadiavanareo ny fahasoavany, mba hahaizanareo mankasitraka.

(13) Napetrany ho eo ambany fifehezanareo izay eny an-danitra sy ety an-tany, ary ny rehetra dia avy Aminy avokoa. Misy famantarana tokoa ny amin’izany ho an’ireo olona mieritreritra.

(14) Lazao ireo mpino, mba hamela ny hadisoan’ireo izay tsy manantena ireo andron’I Allah, ka hamaliany amin’ireo vahoaka araka izay nataony.

(15) Na iza na iza manao ny tsara, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, ary na iza na iza manao ny ratsy, dia manao izany ho an’ny tenany ihany koa. Avy eo, dia any amin’ny Tomponareo no hamerenana anareo.

(16) Nomenay ireo zanak’israely ny Boky, ny fahendrena, ny faminaniana, ary nomenay tamin’ireo anjaram-pahasoavana tsara ihany koa izy ireo, sady nofidinay tamin’ny olombelona rehetra.

(17) Ary nomenay porofo mazava izy ireo mikasika ny Didy. Efa tonga tamin’izy ireo ny fahalalana, vao tsy nitovy hevitra izy ireo, noho ny fifandirana teo amin’izy ireo. Hamafisina, fa hitsara azy ireo ny Tomponao, amin’ny andro fitsanganana, tamin’izay tsy nampitovy hevitra azy.

(18) Avy eo, dia napetrakay amin’ny lalana mahitsin’ny didy (finoana) ianao. Koa araho àry izany, fa aza manaraka ny sitrapon’ireo tsy mahafantatra.

(19) Tsy misy ilanao azy ireo eo anatrehan'I Allah. Ary mpinamana ireo olona samy mpanao ny tsy rariny, fa Allah kosa no Mpiahy ireo vontom-pinoana.

(20) Loharanom-pahazavana ho an’ny olombelona izy ity (Koroany), tari-dalana sy famindram-po ho an’ireo olona mino tanteraka.

(21) Mihevitra va ireo mpanao asa ratsy, fa hataonay mitovy amin’izay mino sy manao asa soa izy ireo, amin’ny fahavelomany sy ny fahafatesany? Tena ratsy tokoa ny fitsaran’izy ireo!

(22) Fa tamim-pahamarinana no naharian’I Allah ny lanitra sy ny tany, ka ho valiana araka izay nataony ny olona tsirairay, ary tsy ho voambaka izy ireo.

(23) Hitanao va ilay naka ny sitra-pony ho tompony? Ary dia nian’Allah ny nahavery azy, ka nahidiny ny fandrenesany sy ny fony, ary nasiany takona ny masony. Iza àry no hitari-dàlana azy aorian’i Allah? Tsy tsaronareo va izany?

(24) Ary hoy izy ireo: “Tsy misy afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ny anay, ho faty izahay ary ho velona, fa ny fotoana no hahafaty anay.” Tsy manam-pahalalana ny amin’izany mihitsy izy ireo, fa manombatombana ihany.

(25) Fa rehefa ambara amin’izy ireo ny andinin'ny mazava tsara avy Aminay, dia izao ihany no fanohan-kevitra hoteniny: “Avereno ireo razam-benay, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo.”

(26) Lazao hoe : “Allah no manome fahavelomana anareo, avy eo, dia hampisedra fahafatesana anareo. Manaraka izany, dia havoriny ianareo amin’ny andro fitsanganana, tsy isalasalana ny amin’izany, nefa tsy mahafantatra ny ankamaroan’ny olona".

(27) An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany, ary amin’ny andro hiavian’ilay Ora, dia ho maty antoka ireo pisandoka.

(28) Ary ho hitanao handohalika ny vahoaka tsirairay, ka antsoina ho any amin’ny bokiny avokoa izy ireo. Androany, dia ho valiana araka izay nataonareo ianareo.

(29) Indro ny Bokinay. Miresaka anareo amim-pahamarinana izy, satria nosoratanay izay rehetra nataonareo.”

(30) Izay nino sy nanao asa soa dia hampidirin’ny Tompony amin’ny famindram-pony. Izany dia fahombiazana miharihary.

(31) Fa ny amin’ireo izay tsy mino kosa: “Tsy novakiana taminareo va ireo andininy avy aty Amiko? Saingy nampiseho fireharehana ianareo, sady olona mpanao ratsy.”

(32) Fa rehefa nolazaina hoe: “Marina ny fampanantenan’I Allah; ary tsy isalasalana ny amin’ilay Ora”, “Tsy fantatray izany Ora izany” hoy ianareo; “ary vinavina ihany no ataonay amin’izany, sady tsy resy lahatra amin’izany izahay.”

(33) Ary hiseho amin’izy ireo ny haratsian’ny asany. Ka hamatotra azy ireo izay noesoiny.

(34) Ary hilazana izy ireo hoe: “Hadinonay ianareo androany, tahaka ny nanadinoanareo ity andronareo anio ity. Ny afo no fialofanareo, ary tsy hanana mpamonjy velively ianareo".

(35) Nohon'ny fanesoanareo ireo andininy avy amin’I Allah no anton’izany, sy nohon'ny fitaka nataon’ny fiainana an-tany taminareo. Amin’io andro io, dia tsy havoaka ao izy ireo, ary tsy ho afa-tsiny ihany koa.

(36) Dera ho an’I Allah, Tompon’ny lanitra sy Tompon’ny tany; ary Tompon’izao tontolo izao.

(37) Fa Azy ny fahamboniana any an-danitra sy ety an-tany. Ary Izy no ilay Tsitoha, ilay be fahendrena.