(1) Yasin,
(2) Mianiana amin’ilay Kor’any feno fahendrena Aho,
(3) Hamafisina, fa isan’ireo Iraka tokoa ianao (Mohammad),
(4) Anatin’ny làlana mahitsy.
(5) Fanambarana avy amin’ilay Tsitoha sy be indrafo,
(6) Mba hampitandremanao vahoaka iray, izay mbola tsy nahazo fampitandremana hatramin’ny razamben’izy ireo, ka dia tsy miraharaha izany izy ireo.
(7) Tanteraka tokoa ny teny [sazy famaizana] natao tamin’ny ankamaroan’izy ireo, fa tsy hino izany mihitsy izy ireo.
(8) Hasianay gadra-vy eo amin’ny hatony, ka hatreo amin’ny saokany, ary indreny handeha hilanja loha izy ireo.
(9) Ary hasianay fefy eo anoloan’izy ireo, ary fefy ihany koa any aoriany, ary hosaromanay izy ireo ka tsy hahita mihitsy.
(10) Ary mitovy ihany amin’izy ireo, na hampitandrina azy ireo ianao, na tsy hampitandrina, dia tsy hino mihitsy izy ireo.
(11) Tsy mampitandrina ianao afa-tsy izay manaraka ny fampahatsiahivana sy matahotra Ilay be fiantrana na dia tsy hita maso aza. Lazao vaovao mahafaly amin’ny famelan-keloka sy valisoa sesehena ho azony izy ireo.
(12) Hamafisina, fa Izahay tokoa no manangana ireo maty, ary manoratra izay nataon’izy ireo amin’ny fiainany any an-koatra, sy ny vokatr’izany. Ary noraiketinay an-tsoratra ny zava-drehetra.
(13) Omeo fanoharana ho azy ireo ny mponin’ny tanàna iray, rehefa tonga teo aminy ireo Iraka.
(14) Rehefa nandefasanay Iraka roa tamin’izy ireo, dia nolazainy fa mpandainga izy roa, ary nohamafisinay tamin’ny Iraka fahatelony, dia nilaza izy ireo hoe : “ Marina fa izahay dia Iraka nalefa ho aminareo”.
(15) Nefa hoy izy ireo hoe : “ Olombelona tahaka anay ihany ianareo. Ary tsy nampidina na inona na inona Ilay be fiantrana, fa ianareo dia olona mandainga fotsiny ”.
(16) Nilaza ireo Iraka hoe: “Ny Tomponay dia mahalala, fa nalefa ho anareo tokoa izahay”.
(17) “ Ary ny hany anjaranay, dia ny fampitàna mazava tsara ny hafatra fotsiny ”.
(18) Nilaza izy ireo hoe : “ milaza loza ny fahitanay anareo. Raha tsy mitsahatra amin’izany ianareo, dia ho torahanay vato tokoa, ary hahazo famaizana mamirifiry avy Aminay tokoa ianareo ”.
(19) Namaly izy ireo hoe : “avy aminareo ihany ny lozanareo. Tahak’izany ve no ataonareo rehefa ampahatsiahivina ? Tena vahoaka mpihoa-pefy tokoa ianareo ”.
(20) Ary nisy lehilahy iray avy amin’ny faran’ny tanàna tonga, ka niteny hoe : “ Ry vahoakako! Aoka ianareo hanaraka ireo Iraka,
(21) Manaraha izay tsy mangataka tambiny aminareo ianareo, sady ao anatin’ny làlana mahitsy.
(22) Ary inona moa no handrara ahy tsy hanompoako Ilay nahary ahy ? Nefa any Aminy no tsy maintsy hamerenana anareo.
(23) Moa haka zanahary hafa ankoatra Azy ve aho ? Raha te-hanao ratsy ahy Ilay be fiantrana, dia tsy hahasoa ahy ny fanelanelanan’izy ireo, sady tsy afaka hanavotra ahy izy ireo.
(24) Raha izany, dia tena ao anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa aho.
(25) Mino ny Tomponareo aho, koa mba henoinareo ary aho.
(26) Dia nolazaina taminy hoe : “ Midira ao amin’ny Paradisa ianao ”, ka nilaza izy hoe : “ Raha mba fantatry ny vahoakako mantsy !
(27) Ka namela ahy noho izany ny Tompoko, ary nataony ho isan’ireo manamboninahitra.
(28) Ary tao aoriany, dia tsy nampidina miaramila avy tany an-danitra mihitsy Izahay, ary tsy nampidina na inona na inona tamin’ny vahoakany intsony.
(29) Hiaka tokana fotsiny, dia indro fa maty daholo izy ireo.
(30) Indrisy ho an’ireo mpanompo ! Tsy nisy Iraka tonga tamin’izy ireo ka tsy novazivaziany.
(31) Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa firifiry ny taranaka teo alohan’izy ireo no naringanay, izay tsy hiverina intsony eo amin’izy ireo mandrakizay ?
(32) Ary ny rehetra, dia tsy maintsy hiseho avokoa eo anatrehanay, tsy misy ankanavaka.
(33) Ary porofo iray ho azy ireo dia ny tany izay efa maty omenay aina indray, ka hampitsirinay ny voa izay hohanin’izy ireo
(34) Nasinay zaridaina avy amin’ny hazon'atrendry sy voaloboka ao, ary nasianay loharano miboiboika,
(35) Mba hihinanan’izy ireo ny voankazony, sy izay vokatry ny asan-tánany. Moa tsy halala hankasitraka ve izy ireo ?
(36) Voninahitra ho an’Ilay nahary ny zavaboary rehetra tsiroaroa avy, izay nampanirian’ny tany, sy avy amin’ny tenan’izy ireo koa, ary avy amin’izay tsy fantatr’izy ireo !
(37) Ary porofo iray ho azy ireo ny alina, esorinay avy aminy ny andro, ka indro izy ireo ao anatin’ny haizina tanteraka,
(38) Ary ny masoandro dia misosa mankany amin’ny toerana izay natokana ho azy, toy izany no fandaharana nataon’Ilay Tsitoha, Ilay mahalala tanteraka ny zava-drehetra.
(39) Ary ny volana, dia noferanay ny fiovaovany, mandra-piverenany tahaka ny rantsan-kazon'atrendry antitra.
(40) Tsy afaka hahatratra ny volana ny masoandro, na handeha hialoha ny andro ny alina, fa samy misosa amin’ny zotra misy azy avy ny tsirairay.
(41) Ary ny famantarana iray ho azy ireo ihany koa, dia ny nitondranay ny taranak’izy ireo tamin’ny sambofiara feno,
(42) Ary dia noharianay mitovy amin’izany izy ireo ka niakatra tao aminy [ tao anatin’ilay sambofiara ].
(43) Ary raha sitrakay, dia narendrikay izy ireo, ka tsy hisy mpamonjy intsony, ary tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo.
(44) Raha tsy nohon'ny famindram-po avy Aminay, sy ho fahafinaretana mandritra ny fotoana voafetra.
(45) Ary raha ilazana izy ireo hoe : “Aoka ianareo hatahotra izay eo anoloanareo, sy izay ao aorianareo, mba hahazoanareo famindram-po. ”.
(46) Ary tsy misy famantarana tonga teo amin’izy ireo, amin’ireo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo, afa-tsy hoe: tsy noraharahin’izy ireo izany.
(47) Ary raha tenenina izy ireo hoe : “Manaova fandaniana ianareo amin’ny anjara izay nomen’I Allah anareo”. Dia hilaza amin’ny mpino ireo izay tsy mpino hoe: “Moa ve izahay no hampihinana olona izay azon’I Allah hampihinanina, raha sitrany izany? Tena anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa ianareo”.
(48) Ary miteny izy ireo hoe : “ Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ? ”.
(49) Tsy miandry raha tsy hiaka tokana ihany izy ireo, izay ho tonga amin’izy ireo, kanefa izy ireo dia mbola ao anatin’ny fifandirana tanteraka.
(50) Tsy afaka hanao didim-pananana intsony izy ireo, na koa hiverina any amin'ny fianakaviany.
(51) Ary ho tsofina ny trompetra, ka indro fa hivoaka avy ao am-pasana izy ireo, ka ho any amin’ny Tompony,
(52) Sady hiteny izy ireo hoe : “ Loza ho anay ! Iza no nampitsangana anay avy tao amin’ny toerana fatorianay ? ”. Izany dia fampanantenan’Ilay be fiantrana, ary marina izay voalazan’ireo Iraka.
(53) Tsy hisy raha tsy ny hiaka tokana ihany, dia indro fa hiseho eo anatrehanay izy rehetra.
(54) Amin’izany andro izany, dia tsy hisy ho voambaka mihitsy. Ary tsy hisy valin-kasasarana ho anareo raha tsy araka ny asa izay nataonareo ihany.
(55) Amin’izany andro izany, dia ho variana amin’ny fahasambarana azon’izy ireo ny olon’ny Paradisa.
(56) Eo ambany alokalok'izy ireo sy ny vadiny no mitehin-kiho eo ambony seza lava.
(57) Hahazo voankazo izy ireo ao, ary hahazo izay rehetra tadiaviny.
(58) Fandriampahalemana ! ( Salam ) no teny avy amin’ny Tompo be Indrafo.
(59) Ary miataha lavitra ianareo amin’izany andro izany ! Ry Mpanao heloka be vava!
(60) Moa tsy efa nifanaiky taminareo ve Aho, ry taranak’i Adama, mba tsy hanompo ny devoly ? Satria fahavalo miharihary ho anareo tokoa izy.
(61) Fa hanompo Ahy ianareo ? Izany no lalana mahitsy.
(62) Ary efa namery andiany maro taminareo tokoa izy. Ka moa tsy misaina ve ianareo ?
(63) Indro ny afobe izay nampanantenaina anareo.
(64) Midira ao ianareo androany, nohon'ny tsy finoanareo.
(65) Amin’izany andro izany, dia hidinay ny vavan’izy ireo, fa ny tanan’izy ireo no hiresaka Aminay, ary ny tongotr’izy ireo no hijoro vavolombelona amin’izay nataony.
(66) Ary raha sitrakay, dia nokosehinay tokoa ny mason’izy ireo, ka hihazakazaka eny amin’ny làlana izy ireo. Fa ahoana àry no fomba hahiratan’izy ireo?
(67) Ary raha sitrakay, dia novanay ny endrika aman-toetran’izy ireo eo amin’ny toeran’izy ireo, ka tsy afaka handroso na hihemotra intsony izy ireo.
(68) Ary izay omenay andro lava hiainana, dia hataonay miha osa. Moa tsy misaina ve izy ireo ?
(69) Ary tsy nampianarinay tononkalo izy [ Mohammad ], sady tsy mendrika azy mihitsy izany.Tsy inona izany fa fampahatsiahivana sy vakiteny mazava (Koroany).
(70) Mba hampitandremany izay velona, ary ho tanteraka amin’ireo tsy mpino ny teny [Famaizana].
(71) Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa Izahay no nahary ho azy ireo, avy tamin’izay nataon’ny Tananay, ny biby fiompy maro, ka lasa fananan’izy ireo izany.
(72) Ary dia nataonay eo ambany fiadidian’izy ireo izany, ka misy amin’izy ireo no fitaingainana, ary misy koa amin’izy ireo natao fihinana.
(73) Ary mbola manana tombontsoa hafa ihany koa izy ireo amin’izany, sy hataony zava-pisotro. Ka moa tsy mba mahalala mankasitraka ve izy ireo ?
(74) Kanefa dia naka zanahary hafa ankoatran'I Allah izy ireo, mba hanantena famonjena
(75) Izy ireny anefa dia tsy afaka hanavotra azy ireo ary hamorona miaramila hanohitra azy ireo.
(76) Koa aoka áry tsy hampalahelo anao ny tenin’izy ireo ! Satria hamafisina fa fantatray izay afeniny sy izay aharihariny.
(77) Moa tsy hitan’ny olombelona ve, fa Izahay tokoa no nahary azy, avy tamin’ny tsirin'aina indray mitete ? Kanefa indro izy ireo indray no mpanohitra miharihary.
(78) Ary nanome fanoharana iray taminay izy, kanefa hadinony ny nahariana azy, ka hoy izy hoe : “Iza no hanome aina indray ireo taolana rehefa lasa vovoka ?”
(79) Lazao hoe : “Ilay Nahary azy ireo tamin’ny voalohany, no hanome azy ireo aina indray, ary fantany avokoa ny zavaboary rehetra”.
(80) Ilay nanao ny afo ho anareo avy amin’ny hazo maitso, ka indro fa mandrehitra afo avy amin’izany ianareo.
(81) Moa tsy afaka hahary mitovy amin’izy ireo ve Ilay nahary ny lanitra sy ny tany ? Mifanohitra amin’izany tokoa, fa Izy no Ilay Mpahary tonga lafatra, Ilay mahalala ny zava-drehetra.
(82) Raha milaza zavatra iray Izy, dia mibaiko amin’ny teny manao hoe: “Misia”,dia misy tokoa izany.
(83) Koa Voninahitra anie ho an’Ilay mitána ny fanjakan’ny zava-drehetra eo am-pelantanany ! Ary any Aminy no hamerenana anareo.