55 - Ar-Rahmaan ()

|

(1) Ilay be fiantrana.

(2) Nampianatra ny Koroany Izy.

(3) Nahary ny olombelona Izy.

(4) Nampianatra azy niteny mazava Izy.

(5) Mihodina arakan'ny kajy ny masoandro sy ny volana.

(6) Ary miankohoka ireo ahitra sy hazo maniry.

(7) Ny lanitra kosa dia nakarina ambony tokoa. Ary napetrany ny fadanjana.

(8) Mba tsy handikanareo lalàna amin’ny fadanjana.

(9) Ary aoka hametraka mandrakariva ny lanja marina ianareo, fa aza disoina ny fadanjana.

(10) Ny tany indray dia novelarina ho an’ireo zava-manan’aina,

(11) Misy voankazo ao ary koa palma misy voany voafono,

(12) Toy ireo voa amin’ny akorany sy ireo zava-maniry manitra.

(13) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(14) Nohariany avy amin’ny tanimanga maneno toy ny vilanitany ny olombelona.

(15) Ary Nohariany avy amin’ny lelan’afo tsy misy setroka ny djiny.

(16) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(17) Tompon’ireo fiposahana roa, ary Tompon’ny filentehana roa !

(18) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(19) Nomeny falalahana ireo rano masina roa mba hifanena.

(20) Misy fefy tsy dikain’izy ireo eo anelanelany.

(21) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(22) Avy amin’izy roa ireo no mivoaka ny voahangy sy ny haran-drano masina.

(23) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(24) Azy ireo sambo avo toy ny tendrombohitra eny ambon'ny ranomasina.

(25) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(26) Tsy maintsy foana avokoa izay rehetra eo amin’ny tany.

(27) Ny tavan’ny Tomponao no hany sisa tavela, izay feno fahamboniana sy fahamendrehana.

(28) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(29) Mitalaho Aminy, ireo izay any an-danitra sy ety an-tany. Isan’andro dia manao zavatra vaovao Izy.

(30) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(31) Hitsara anareo tsy ho ela Izahay ry olombelona sy djiny.

(32) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(33) Ry djiny sy ny olombelona ! Raha afaka mivoaka ivelan’ny sehatry ny lanitra sy ny tany ianareo, dia ataovy. Fa tsy afaka ny hivoaka ao ianareo, raha tsy amin’ny alalan’ny fahefana tsy manam-petra.

(34) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(35) Ho alefa aminareo ny lelan’afo sy ny setroka, ka tsy hisy mpamonjy ianareo.

(36) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(37) Ary rehefa hitriatra ny lanitra dia hivaivay tahaka ny hoditra mena.

(38) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(39) Amin’izay dia tsy hametrahana fanontaniana mikasika ny fahotany na ny olombelona na ny djiny.

(40) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(41) Ho fantatra amin’endriny ireo mpanao ratsy. Ary ho raisina amin’ny volon-dohany sy ny tongony izy ireo .

(42) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(43) Indro ny afobe izay nataon’ireo mpanao ratsy ho lainga .

(44) Hivezivezy eo amin’ny afo sy ny rano mangotraka tena mahamay izy ireo.

(45) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(46) Ary ho an’izay matahotra ny hitsangana eo anatrehan’ny Tompony dia hahazo zaridaina roa izy.

(47) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(48) Izay misy ratsan-kazo maro.

(49) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(50) Hisy loharano anankiroa mikoriana ao.

(51) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(52) Misy karazany roa isaky ny voankazo ao.

(53) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(54) Hitehin-kiho eo ambon'ny lamaka misy lamba lasoa kotofo am-bolamena izy ireo, ary ho azony takarina ireo voankazo ao amin’ny zaridaina roa.

(55) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(56) Hahita tovovavin’ny paradisa manana fijery madio izy ireo ao, tsy mbola niray ara-nofo, na tamin’ny olona, na tamin’ny djiny talohan’izy ireo.

(57) Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

(58) Ho tahaka ny vato soa sy haran-drano masina izy ireo.

(59) Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

(60) Moa misy valisoa hafa ho an’ny tsara va ankoatrany ny tsara ?

(61) Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

(62) Ankoatra ireo zaridaina roa ireo dia misy zaridaina roa hafa.

(63) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(64) Maitso antitra izy ireo.

(65) Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

(66) Ka hisy loharano miboiboika ao anatiny.

(67) Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

(68) Misy voankazo, hazon'ny palma, sy fototr’amponga ben-danitra ao.

(69) Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

(70) Hisy tsara fitondran-tena sy tsara tarehy ao.

(71) Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

(72) Tovovavin’ny paradisa mihidy ao amin’ny tranolay,

(73) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(74) Izay tsy mbola niray ara-nofo tamin'olona na djiny talohan’izy ireo.

(75) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(76) Hitehin-kiho eo ambony ondan-tseza maitso sy karipetra matevina sady tsara izy ireo.

(77) Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

(78) Hamasinina anie ny Anaran’ny Tomponao, izay feno fahamboniana sy fahamendrehana !