(1) Ilay mikotrokotroka !
(2) Inona moa ilay mikotrokotroka ?
(3) Moa fantatrao va ilay mikotrokotroka ?
(4) Dia ilay andro hahatonga ny olona ho toin'ny lolo mielim-patrana.
(5) Sy ireo tendrombohitra ho toy ny volon'ondry voahety.
(6) Ka ho an'izay mavesa-danja ny asa soa vitany.
(7) Dia ho ao anatin'ny fiainam-pahasambarana feno fankasitrahana izy ireo !
(8) Fa ho an'izay maivan-danja kosa ny asa soa vitany.
(9) Ny lavaka mangitsongitsoka no fonenan'izy ireo.
(10) Moa va fantatrao izany lavaka mangitsokitsoka izany ?
(11) Afo mivaivay izay tsy izy.