31 - Luqman ()

|

(1) Alif, Làm, Mìm

(2) Indro ireo andinin’ilay Boky feno fahendrena.

(3) Tari-dàlana sy famindram-pò ho an’izay mpanao soa.

(4) Dia ireo izay manatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat), sy manome ny harena fiantrana (zakat), ary mino amim-pitokisana tanteraka ny any an-koatra.

(5) Izy ireny no amin'ny làla-mahitsy avy amin'ny Tompon'izy ireo, ary izy ireny no nahazo ny fahombiazana.

(6) Ary misy amin’ireo olona tsy manam-pahalalana, no mividy teny tsara lahatra, mampivily tsy ho any amin’ny làlan’Allah, ary maneso izany. Hiharan’ny famaizana mahafabaraka izy ireny.

(7) Ary rehefa tanisaina aminy ireo fanambaranay, dia mitodi-damosina amim-piavonavonana izy, toy ny tsy mbola naheno izany mihitsy, toy ny misy vesatra ao anatin’ireo sofiny. Koa ambarao aminy àry ny famaizana mamirifiry.

(8) Ireo izay mino sy manao ireo asa soa, dia ho azy ireny ireo Zaridainan’ny Fahasambarana.

(9) Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ny fampanantenan’i Allah dia marina ! Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.

(10) Izy no nahary ireo lanitra izay tsy misy andry fototra hitan’ny masonareo, ary nanorina mafy amin’ny tany ireo tendrombohitra mba tsy hanozongozona anareo; ary naeliny teo aminy ireo karazam-biby samy hafa, ary nampidinanay avy any an-danitra ny rano, ka noentinay nampitsiry avy amin’izany ho tsiroaroa ireo karazan-java-maniry mahasoa isan-karazany.

(11) “Izany no fahariana nataon’i Allah. Koa asehonareo Ahy àry izay noharian’ireo ankoatr'Azy ?” Nefa ireo mpanao ny tsy rariny dia ao anatin’ny fahaverezana miharihary.

(12) Efa nomenay an’i Lokomany tokoa ny fahendrena : “Aoka ianao halala hankasitraka an’i Allah, fa n'iza n'iza mankasitraka dia marina fa mankasitraka ny tenany ihany, ary izay tsy mahavaly fitia kosa, Allah dia manana ny ampy, sy mendri-piderana”.

(13) Ary rehefa niteny tamin’ny zanany lahy i Lokomany ka nananatra azy nanao hoe : “Ry anaka, aza mampikambana an’i Allah amin’ny zavatra hafa ianao, fa ny fanompoan-tsampy dia tsy rariny tafahoatra tokoa”.

(14) Nandidy ny olombelona Izahay mahakasika ny ray aman-dreniny, fa ny reniny dia nitondra azy tao am-bohoka sy niharitra fahasahiranana ambonin’ny fahasahiranana, ny fampisarahana nono azy dia roa taona : “koa mankasitraha Ahy sy ireo ray aman-dreninao ianao. Fa aty Amiko ny fiafarana.

(15) Fa raha manery anao izy roa (Ray aman-dreny) hanakambana Ahy amin’izay tsy anananao fahalalana, dia aoka ianao tsy hankatò azy ireo; kanefa miaraha amin’izy roa am-pahamendrehana eto an-tany ianao. Ary manaraha ny làlan’izay miverina aty Amiko. Fa aty Amiko no fiverenanareo, ka ho ambarako anareo izay rehetra nataonareo”.

(16) Ô ry anaka ! Na dia mitovy lanja amin’ny voatsinampy iray aza (ny fahotana), izay ao anatin’ny karaobato, na any amin’ireo lanitra na eto an-tany dia ataon’i Allah ho tonga izany. Marina fa Allah dia be Fangorahana sy Mahalala tanteraka ny zava-drehetra.

(17) Ô ry anaka ! Tanteraho ny vavaka (soalat), mandidia amin’ny tsara sy mandrarà ny ratsy ary mahareta amin’izay manjò anao. Izany no fanapahan-kevitra tsara indrindra amin’ny raharaha rehetra.

(18) Ary aza ahodina hiala olona ny tavanao[101], ary aza manitsaka ny tany amim-piavonavonana ianao. Marina fa Allah dia tsy tia izay rehetra miavonavona sy feno fireharehana.

(19) Ary aoka ho maotina ianao amin’ny fomba famindranao, ary alefaho ny feonao, fa ny feo tena ratsy indrindra dia ny feon’ny apondra.

(20) Moa ve tsy hitanareo fa Allah dia nanao ho eo ambany fahefanareo izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany ? Ary natobany eo aminareo ireo fahasoavany, na ny hita maso izany, na ny tsy hita maso. Ary misy amin’ireo olombelona no miady hevitra mahakasika an’i Allah, tsy amim-pahalalàna na tari-dàlana, na koa boky mazava.

(21) Ary raha tenenina izy ireo hoe : “Arahanareo izay nampidinin’i Allah”, miteny izy ireo hoe : “Manaraka izay hitanay tamin’ny razambenay izahay”. Fa na dia ny satana aza ve no miantso azy ireo ho amin’ny famaizana mandoro mamaivay ?

(22) Ary n'iza n'iza manetry tena eo amin’i Allah sady mpanao asa soa, dia efa nifikitra tanteraka amin’ny tahon-javatra mafy tokoa, fa any amin’i Allah no fiafaran-java-drehetra.

(23) Fa ireo izay tsy mino kosa, aoka tsy hampalahelo anao ny tsy finoany, aty Aminay no hiverenan’izy ireo, ka holazainay azy ireo, izay nataony rehetra. Marina fa Allah dia tena mahafantatra izay raiketin’ny fo.

(24) Omenay fahafinaretana kely izy ireo, avy eo dia terenay mankany amin’ny famaizana mahery vaika izy ireo.

(25) Raha manontany azy ireo ianao hoe : “Iza no nahary ireo lanitra sy ny tany ?”. Hiteny izy ireo hoe : “Allah !”. Teneno hoe : “Dera anie ho an’i Allah ! ”. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra.

(26) An’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany. Marina fa i Allah Ilay manana ny ampy, Ilay mendri-piderana !

(27) Ary raha ny hazo rehetra eto an-tany havadika ho penina, ary koa ho lasa rano mainty ny ranomasina, ka mbola miampy ranomasina fito hafa indray taorian’izany dia tsy ho tapitra ireo tenin’i Allah. Satria Allah no Ilay Tsitoha sy be Fahendrena.

(28) Tsy inona ny fahariana anareo sy ny fitsangananareo amin’ny maty afa-tsy toy ny fanahy iray ihany. Marina fa Allah no Ilay Maheno sy Ilay Mahita ny zava-drehetra.

(29) Moa ve tsy hitanao fa Allah dia mamadika ny alina ho amin’ny andro, ary mamadika ny andro ho amin’ny alina, ary nandrindra ny masoandro sy ny volana Ary i Allah no mahalala tanteraka izay rehetra ataonareo.

(30) Izany dia satria, Allah, Izy Ilay Marina, ary izay angatahan’izy ireo ankoatrany dia ilay diso. Ary Allah tokoa, Ilay Avo tena Avo, Ilay Lehibe indrindra.

(31) Moa ve tsy hitanao fa ny sambo dia misosa eny an-dranomasina nohon'ny fahasoavan’i Allah, mba hampisehoany aminareo ny sasany amin’ireo famantarany ? Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana maro tokoa ho an’izay rehetra be faharetana sy mankasitraka.

(32) Ary rehefa misy onja tahaka ny aloka mandrakotra azy ireo, dia nangataka tamin’i Allah am-panokanana tanteraka ny fivavahana madio ho Azy izy ireo. Koa rehefa navotany izy ireo, ka tody soa aman-tsara teny an-tanety, dia mbola misy amin’izy ireo no tsy feno fankasitrahana. Ary tsy misy mitsipaka ireo famantaranay, afa-tsy izay rehetra be famadihana sy be fikomiana.

(33) Ô ry olombelona ! Aoka hatahotra ny Tomponareo ianareo, ary matahora ny andro iray izay tsy hamalian’ny ray na inona na inona ho an’ny zanany, na koa ny zanaka tsy hamaly na inona na inona ho an’ny rainy. Ny fampanantenan’i Allah dia marina tokoa. Aoka tsy hamitaka anareo àry ny fiainana eto an-tany, ka tsy hamitaka anareo eo anatrehan’i Allah ilay mpamitaka (satana) !

(34) Marina fa Allah, Izy no manam-pahalalana momba ilay Ora, ary Izy no mampidina ny ranon’orana ary mahalala ihany koa izay ao am-bohoka Izy.Tsy misy mahafantatra izay hanjo azy rahampitso, ary tsy misy mahafantatra aiza ny tany ahafatesany. Marina fa Allah Ilay Mahalala, Ilay Mahafantatra tanteraka ny zava-drehetra.