37 - As-Saaffaat ()

|

(1) Mianiana amin’ireo izay nalahatra amin’ny laharana Aho,

(2) Sy amin’ireo izay manosika mafy (ireo rahona),

(3) Ary amin’ireo izay mamaky ho fampahatsiahivana (Koroany) :

(4) Hamafisina, fa tokana ny Zanaharinareo,

(5) Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelany, ary Tompon’ireo fiposahan’ny masoandro ”.

(6) Hamafisina, fa Izahay no nampihaingo ny lanitra akaiky indrindra amin’ny ravak’ireo kintana,

(7) Mba ho fiarovana amin’ny satana mpikomy rehetra,

(8) Tsy afaka hihaino ireo manan-kaja ambony intsony izy ireo, satria ho torahana izy ireo avy amin’ny fitodihana rehetra,

(9) Sady ho voatosika. Ary hahazo famaizana tsy manam-pahataperana izy ireo.

(10) Afa-tsy izay mihaino an-tsokosoko, dia hanenjika azy ny poti-kintana mandoaka.

(11) Anontanio àry izy ireo, moa ve izy ireo no tena sarotra amboarina indrindra noho izay noharianay ? Fa fotaka madity no noharianay azy ireo.

(12) Nefa gaga ianao, ary maneso izy ireo.

(13) Ary rehefa ampahatsiahivina (ny Kor’ány) izy ireo, dia tsy mandray izany.

(14) Ary rehefa mahita famantarana izy ireo, dia manao izay hanesoana izany.

(15) Ary miteny izy ireo hoe: “Majika miharihary ihany izany ”.

(16) Rehefa maty izahay, ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho velomina indray ve ?

(17) Na koa ireo razambenay taloha ? ”

(18) Dia lazao hoe : “Eny ! Ary ho ambany tokoa ianareo”.

(19) Tsy hisy afa-tsy hiaka tokana ihany, dia indro izy ireo fa hijery.

(20) Ka hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Tonga ny andro hanomezana ny valin-kasasarana”.

(21) “Izany no andro fitsarana, izay nolazainareo fa lainga”.

(22) “Angoninareo ireo izay nanao ny tsy rariny sy ny vadin’izy ireo, ary izay rehetra notompoiny,

(23) Ankoatran'I Allah dia tarihinareo makany amin’ny làlan’ny afobe izy ireo.

(24) Ary ajanony izy ireo fa tsy maintsy hanontaniana.

(25) “Nahoana àry ianareo no tsy mifamonjy ? ”

(26) Nefa amin’izany andro izany dia hankato tanteraka izy ireo

(27) Ary hifampitodika izy ireo hifanontany

(28) Hiteny izy ireo hoe : “Tonga taminay tamin’ny fanehoana ny tsara ianareo”.

(29) Dia hoy izy ireo hoe : “ Ianareo koa aza tsy nino ”.

(30) Ary izahay dia tsy nanana fahefana taminareo. Fa ianareo kosa dia efa vahoaka mpihoa-pefy.

(31) Ary dia tanteraka aminay àry izao ny tenin’ny Tomponay, ka hanandrana (famaizana) tokoa izahay

(32) Nofitahinay tokoa ianareo fa raha ny marina dia izahay mihitsy no efa very lalana.

(33) Ary amin’izany andro izany dia hitambatra ao anatin’ny famaizana izy rehetra.

(34) Tahaka izany tokoa no hanaovanay ireo mpanao heloka bevava.

(35) Rehefa nilazana izy ireo hoe : “Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Allah” dia nanambony tena izy ireo.

(36) Ary niteny hoe : “Moa ve izahay no hamela ireo zanaharinay nohon'ny mpanao tononkalo adala ?”

(37) Kanefa tonga niaraka tamin’ny fahamarinana izy ary nanamarina ireo Iraka (teo aloha).

(38) Marina tokoa fa ianareo dia tena hanandrana ny famaizana mangirifiry.

(39) Ary tsy omena valin’asa ianareo raha tsy araka ny asa nataonareo ihany

(40) Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy

(41) Ho azy ireny ny valin-kasasarana efa fantatra

(42) Voankazo maro ary omen-kaja izy ireo

(43) .Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana

(44) Eo ambonin’ireo farafara mifanatrika.

(45) Ho entina mitety azy ireo ny kaopy feno rano avy amin’ny loharano.

(46) Fotsy, ankafizin’ireo mpisotro azy.

(47) Tsy misy hahavery (ny sain’izy ireo) ao, ary tsy hahamamo azy ireo izany.

(48) Ary izy ireo dia hanana vehivavy tsara, manana fijery maontina, baribary maso.

(49) Izy ireo dia tahaka ny atody voatahiry tsara.

(50) Ary ny sasany amin'izy ireo dia hitodika amin'ny ankilany hifanontany.

(51) Hiteny ny iray amin’izy ireo hoe : “Izaho dia nana-namana"

(52) Izay niteny hoe : “moa ve ianao tena anisan’ireo mpino ?”

(53) “Moa ve raha maty isika ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho tsaraina ?”

(54) Hiteny izy hoe : “ Moa ve ianareo mba te-hitazana avy aty ambony ?”

(55) Dia nijery avy eny ambony izy ka nahatazana azy teo afovoan’ny afobe

(56) Ary hiteny izy hoe : “Mianiana amin’I Allah aho fa saika noverezinao aho !”

(57) Ary raha tsy noho ny fahasoavan’ny Tompoko dia tena anisan’ireo tao (anatin’ny afobe) koa aho.

(58) Moa ve marina fa tsy ho faty isika,

(59) Afa-tsy ny fahafatesantsika tamin’ny voalohany ary tsy ho faizina isika”

(60) Marina fa izany tokoa ilay fahombiazana lehibe.

(61) Ho an’ny zavatra toy izany no tokony hiasan’ireo izay miasa.

(62) Moa ve tsy izany no mendrika kokoa ho fonenana sa ny hazon’ny Zakkom[105]

(63) Marina fa Izahay dia nanao izany ho fitsapana ho an’ireo mpanao ny tsy rariny.

(64) Izany dia hazo izay mivoaka avy any amin’ny farany ambany amin’ny afobe.

(65) Ireo voany dia tahaka ny lohan’ireo satana.

(66) Tsy maintsy mihinana amin'izany izy ireo ary hameno ny kibony

(67) Manaraka izany dia hisy avy eny ambony ny fifangaroan-drano ratsy, mangotraka ho an’izy ireo.

(68) Ary ny fiverenan’izy ireo dia mankany amin’ny afobe (Djahim)

(69) Izy ireo dia nahita ireo razambeny tao anatin’ny fahaverezana

(70) Koa indro izy ireo mihazakazaka manaraka ny dian’izy ireo.

(71) Ary izany no tena nahavery ny ankamaroan’ireo efa talohan’izy ireo.

(72) Ary efa nalefanay tokoa tamin’izy ireo ny mpampitandrina maro.

(73) Jereo àry, mba nanao ahoana ny fiafaran’ireo izay nahazo fampitandremana !

(74) Afa-tsy ireo mpanompon’i Allah izay voafidy.

(75) Ary efa niantso anay tokoa i Noa fa izahay no mpamaly ny antso tsara indrindra.

(76) Ary navotanay izy sy ny fianakaviany tamin’ny tebiteby lehibe.

(77) Ary nataonay ny taranany no hany sisa tavela.

(78) Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.

(79) Fiadanana ho an’i Noa eo amin’izao tontolo izao

(80) Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.

(81) Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino.

(82) Ary dia narendrikay ireo vahoaka sasany.

(83) Ary anisany mpiray finoana aminy tokoa i Ibrahim (Abrahama)

(84) Raha tonga tamin’ny Tompony izy amin’ny fo madio.

(85) Rehefa niteny izy tamin’ny Rainy sy ny vahoakany hoe : “Inona no tompoinareo ?"

(86) Mitady Tompo maro hafa ivelan’I Allah ve ianareo ?

(87) Inona ary ny hevitrareo mahakasika ny Tompon'izao tontolo izao ?

(88) Avy eo dia nanopy maso izy ka nijery ireo kintana

(89) Sady niteny izy hoe : “Marina tokoa fa marary aho”

(90) Nimboho azy izy ireo dia nandeha.

(91) Dia nizotra moramora nankany amin’ny sampin’izy ireo izy, ary niteny hoe : “Moa ve tsy mihinana ianareo ?"

(92) Fa inona no tsy mampiteny anareo?

(93) Avy eo nokapohiny antsokosoko izy ireo tamin’ny tanany havanana.

(94) Tamin’izany dia nanantona azy am-pihazakazahana ireo olona.

(95) Niteny (tamin’izy ireo) izy hoe : “Moa ve ianareo dia manompo izay (sary) nataonareo ihany".

(96) Nefa I Allah no nahary anareo sy izay ataonareo

(97) Niteny izy ireo hoe : “Hanamboary fata-mihiboka (lafaoro) ho azy ka atsipio ao anatin’ny afo mamaivay izy.

(98) Nitady hanao teti-dratsy taminy izy ireo ; ka nataonay latsaka ambany indrindra izy ireo.

(99) Ary niteny izy hoe : Izaho dia handeha any amin’ny Tompoko ary hitari-dalana ahy Izy.

(100) Tompo ô ! Omeo taranaka mba ho anisan’ireo mpanao soa aho.

(101) Nolazainay vaovao mahafaly izy fa hahazo zazalahy be fangoraham-po.

(102) Ary rehefa nahatratra ny taona ahafahany miaraka aminy izy dia niteny (Ibrahimo) hoe: “Anaka, izaho dia nahita tamin’ny nofy fa nanao sorona anao. Ka ahoana àry ny fahitanao izany”. Niteny (Ismaely) hoe: “Ry dada ô! Ataovy izay nandidiana anao fa ho hitanao aho, raha sitrak’i Allah, fa anisan’ireo manam-paharetana.

(103) Avy eo rehefa nanaiky (ny didin’i Allah) izy roa dia nojereny,

(104) Ka indro Izahay niantso azy hoe: “ Ô ry Ibrahimo !

(105) Tena notanterahinao tokoa ny nofy. Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa.

(106) Izany tokoa no fitsapana tena miharihary.

(107) Ary nosolonay izy (Ismaely) tamin’ny alalan’ny fanatitra lehibe.

(108) Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.

(109) “Fiadanana anie ho amin’i Ibrahimo”.

(110) Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa

(111) Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino.

(112) Ary nolazanay azy ny vaovao mahafaly momban'i Isaka (Ishaka), izay ho mpaminany anisan’ireo olo-mendrika.

(113) Ary nohasoavinay izy sy Isaka ary misy amin’ny taranak’izy ireo ny mpanao asa tsara sy ny mpanao ny tsy rariny miharihary amin’ny tenany.

(114) Ary efa nomenay tombotsoa i Mosesy sy Harona,

(115) Ary navotanay izy roa sy ny vahoakany tamin’ny tebiteby lehibe.

(116) Ary novonjenay izy ireo ary dia izy ireo no mpandresy.

(117) Ary nomenay azy roa ny Boky mazava.

(118) Ary notarihinay amin’ny lalana mahitsy izy roa

(119) Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy roa.

(120) “ Fiadanana anie ho amin’i Mosesy sy Harona ”.

(121) Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.

(122) Tena marina fa izy roa dia anisan’ireo mpanomponay mpino.

(123) Ary marina fa i Ilyasa (Elia) dia anisan’ireo Iraka.

(124) Rehefa niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : " Moa ve tsy matahotra ianareo ?"

(125) Mitalaho amin’i Baal ve ianareo? Ary avelanareo Ilay Tsara indrindra amin’ireo mpahary

(126) I Allah no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha.

(127) Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga Izy, tena marina fa izy ireo dia ho ao (anatin’ny afobe).

(128) Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy.

(129) Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.

(130) “ Fiadanana anie ho amin’I Iliyasa sy ireo mpanaraka azy ”.

(131) Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.

(132) Tena marina fa izy dia anisan'ireo mpanomponay mpino.

(133) Ary tena marina fa i Lota dia anisan’ireo iraka.

(134) Rehefa navotanay izy sy ny fianakaviany manontolo

(135) Afa-tsy vehivavy antitra iray anisan’ireo naringana.

(136) Avy eo dia nopotehinay koa ny sasany.

(137) Ary marina fa ianareo dia tena mandalo eo amin’izy ireo amin’ny maraina

(138) Sy amin’ny alina. Moa ve tsy mba misaina ianareo?

(139) Ary marina fa i Younouss (Jonasy) dia anisan’ireo iraka.

(140) Rehefa nandositra tamin’ilay sambo feno izy

(141) Dia nandray anjara tamin’ny ankitsapaka ka voatendry ho anisan’ny atsipy (anatin’ny ranomasina) izy.

(142) Ka natelin’ny trondro izy fa mendrika omena tsiny.

(143) Raha tsy anisan’ireo mpidera ny voninahitr’i Allah izy

(144) Dia tokony ho tavela tao anatin’ny kibony (trondro) mandra-pahatonga ny andro hananganana azy amin’ny maty.

(145) Natsipinay teny an-tanety izy ary izy dia tsy salama.

(146) Ary dia nampanirianay voatavo ny teo amboniny.

(147) Ary nalefanay izy (ho mpaminany) tany amin’ny vahoaka iray hetsy na mihoatra.

(148) Koa nino izy ireo ary nomenay azy ireo ny fahafinaretana mandritra ny fotoana voafetra.

(149) Hametrao fanontaniana àry izy ireo: “ Moa ve ho an’ny Tomponao ireo zazavavy ary ho azy ireo ny zazalahy?

(150) Na noharianay ho vavy ireo anjely ary izy ireo no vavolombelona?

(151) Marina fa izy ireo dia niteny tamin’ny lainga nataon’izy ireo hoe

(152) “Nanan-janaka I Allah” ary marina fa izy ireo dia tena mpandainga

(153) Moa ve tsy nisafidy ireo zaza vavy Izy noho ireo zaza lahy ?

(154) Inona no mahazo anareo? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo?

(155) Moa tsy mieritreritra ve ianareo?

(156) Sa manana porofo mazava ianareo?

(157) Ento àry ny Bokinareo raha toa ka marina ny anareo.

(158) Ary nataon’izy ireo misy rohim-pihavanana eo Aminy sy ireo Djiny; nefa efa fantatr’ireo Djiny fa izy ireo dia tena ho ao (amin’ny afobe).

(159) Voninahitra anie ho an’I Allah noho izay hamaritan’izy ireo Azy

(160) Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy.

(161) Marina fa ianareo sy izay tompoinareo

(162) Dia tsy afaka maka fanahy (na iza na iza) ianareo amin’izany

(163) Afa-tsy izay hiditra ao anatin’ny afobe (Djahim).

(164) Tsy misy na dia iray aza aminay ka tsy manana toerana efa fantatra

(165) Ary izahay (Anjely) dia tena milahatra araka ny laharana

(166) Ary izahay no tena mpidera ny voninahitr’I Allah

(167) Ary izy ireo dia tena manana fahazarana miteny hoe :

(168) Raha nanana fampahatsiahivana avy tamin’ny razambenay izahay

(169) Dia tena efa lasa mpanompo voafidin’I Allah izahay!

(170) Tsy nino izany izy ireo ary dia ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany.

(171) Ary efa nomenay ireo Iraka Mpanomponay ny Teninay,

(172) Fa izy ireo no tena hahazo ny fanavotana

(173) Ary ny miaramilanay no tena ho mpandresy.

(174) Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy

(175) Ary araho maso izy ireo fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !

(176) Ny famaizana avy Aminay ve no tadiavin’izy ireo hafainganina?

(177) Fa raha ho latsaka amin’ny toeran’izy ireo izany dia ho ratsy tokoa ny marainan’ireo izay nampitandremina!

(178) Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy;

(179) Ary araho maso fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !

(180) Voninahitra anie ho an’ny Tomponao, Ilay Tompon’ny Hery noho izay hamaritan’izy ireo Azy.

(181) Ka fiadanana anie ho amin’ireo Iraka

(182) Ary Dera ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao !