53 - An-Najm ()

|

(1) Mianiana amin’ny kintana izay efa hilentika Aho !

(2) Fa tsy diso lalana ny namanareo, ary tsy tafiditra anatin'ny fahadisoana.

(3) Ary tsy miteny araka ny sitrapony izy.

(4) Fa izany dia faminaniana tonga taminy.

(5) Izay nampianarin’ilay hery lehibe taminy.

(6) Manan-tsaina ; ary niseho tamin’ny endrika maha izy azy.

(7) Raha teo amin’ny fara-vodilanitra ambony izy.

(8) Avy eo dia nanatona sy nidina ambanimbany kokoa izy.

(9) Hatreo amin’izay tratran’ny zana-tsipika indroa, na akaiky kokoa noho izany.

(10) Nambarany tamin’ny mpanompony izay nambarany.

(11) Tsy nandainga tamin’izay hitany ny fo.

(12) Moa toherinareo amin’izay hitany va izy ?

(13) Efa hitany tamin’ny fidinana hafa koa anefa izy.

(14) Teo akaikin'ny Sidratoul-mountaha.

(15) Eo akaikiny no misy ny zaridainan’ny fialofana (mandrakizay).

(16) Tamin’ny fotoana izay nahasarona ny hazo na mokonazy, tamin’izay nandrakotra azy.

(17) Tsy nivily ny fahitany na nihoatra ny tokony ho izy.

(18) Hitany tokoa ny sasany tamin’ireo fahagagana lehibe avy amin’ny Tompony.

(19) Ka ahoana àry ny fahitanareo ny sampy Làt sy Ozzà?

(20) Ary koa i Manat, ilay sampy fahatelo hafa ?

(21) Ho anareo va ny zazalahy, fa ho Azy kosa ny zazavavy ?

(22) Tena fizarana vilana kosa izany !

(23) Anarana noforoninareo ihany izany, ianareo sy ny razam-benareo, fa tsy nampidina porofo mikasika izany I Allah. Tsy manaraka afa-tsy ny fiheverany sy ny sitrapony ihany izy ireo, nefa efa tonga tamin’izy ireo ny tari-dalana avy amin’ny Tompony .

(24) Sa efa nahazo izay rehetra niriny kosa ny olombelona.

(25) An’I Allah ny fiainana any ankoatra, sy ny fiainana eto an-tany.

(26) Ary firifiry ireo anjely any an-danitra, no tsy hahazoana tombotsoa mihitsy ny fanelanelanan’izy ireo, raha tsy aorian’ny alalana avy amin’I Allah, ho an’izay tiany sy ankasitrahany.

(27) Ireo izay tsy mino ny any ankoatra, dia manome anaram-behivavy ireo Anjely.

(28) Nefa tsy manana fahalalana avy amin’izany izy ireo, fa izay fiheverany ihany no arahiny, nefa tsy misy ilaina ny fiheverana eo anatrehan’ny fahamarinana.

(29) Koa misintaha ary ianao amin’izay tsy miraharaha ny fampahatsiarovana avy Aminy, ka tsy maniry afa-tsy ny fiainana ankehitriny.

(30) Izany ihany no takatry ny fahalalany. Fantatry ny Tomponao tokoa izay mihataka amin’ny lalany, ary fantany tanteraka ihany koa izay voatari-dalana.

(31) An'I Allah izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany, mba hamaliany izay rehetra nanao ny ratsy, araka izay nataony, fahamaliany ny soa kosa izay nanao ny tsara, amin’izay tsara indrindra.

(32) Ireo izay mihataka ny fahotana lehibe, sy ny fahavetavetana, ka tsy manao afa-tsy ny hadisoana madinika, dia hamafisina, fa lehibe tokoa ny fahamelan-kelokan'ny Tomponao. Izy no tena mahafantatra anareo, rehefa nahary anareo avy amin’ny tany Izy, sy fony ianareo mbola zazarano tao an-kibon-dreninareo. Aza manadio tena ianareo, fa Izy no tena mahalala izay tena vonto-pinoana.

(33) Hitanao va ilay nanome lamosina ?

(34) Nanome kely, avy eo, nitsahatra tsy nanome ?

(35) Manana fahalalana ny zava-miafina va izy ka hitany ?

(36) Tsy nambara taminy va izay tao anatin’ny takelak’i Mosesy.

(37) Sy ny an’i Abrahama izay nitazona tanteraka ?

(38) Fa tsy hisy hizaka ny enta-mavesatry ny hafa,

(39) Ary raha ny marina dia arakaraka izay fiezahan'ny olombelona ihany no azony.

(40) Ary hamafisina, fa ny fiezahany dia haseho azy.

(41) Avy eo, dia homena valisoa feno tanteraka izy.

(42) Ary hamafisina , fa ho any amin’ny Tomponao avokoa ny zavatra rehetra.

(43) Fa Izy no hampihomehy sy hampitomany.

(44) Ary Izy no mamono sy mamelona.

(45) Izy no nahary ireo mpivady tsirairay , lahy sy vavy.

(46) Avy amin’ny tsirairay rehefa mivoaka.

(47) Fa andraikiny ny fahariana faharoa.

(48) Ary Izy no mampanan-karena sy mampahazo.

(49) Izy no Tompon’ny kintana Sirius.

(50) Izy no nandringana ireo Aad taloha.

(51) Toy izany koa ireo Tamod, ka nataony tsy nisy tavela.

(52) Sy ny vahoakan’i Noa taloha, tena olon’ny tsy fahamarinana sy mpihoa-pefy tokoa izy ireo.

(53) Naringany toy izany koa ireo tanàna nivadika.

(54) ka nosaronany tamin’izay nanaronany azy.

(55) Inona amin’ireo fahasoavan’ny Tomponao àry no mampisalasala anao ?

(56) Indro mpampitandrina, mitovy amin’ireo mpampitandrina taloha.

(57) Manantona ilay akaiky (ilay Ora Fitsarana).

(58) Tsy misy ankoatra an’I Allah no afaka hampiseho izany.

(59) Moa mahagaga anareo va io lahateny io (koroany) ?

(60) Ka mihomehy amin’izany ianareo fa tsy mba mitomany akory ?

(61) Variana tanteraka amin’ny fialambolinareo.

(62) Koa miankohofa amin’I Allah àry ianareo, ka tompoy Izy.