(1) Rehefa ho avy tokoa ny fisehoan-javatra.
(2) Dia tsy hisy hiampanga ny fiaviany ho lainga.
(3) Hampidina ny sasany izy fa hampiakatra ny hafa.
(4) Rehefa hihorohoro mafy ny tany.
(5) Ary hiforotra ireo tendrombohitra.
(6) Ka ho lasa vovoka miparitaka.
(7) Ary amin’izany dia ho sokajy telo ianareo :
(8) Ireo olon’ny an-kavanana. Iza moa ireo olon’ny an-kavanana ?
(9) Ary ireo olon’ny an-kavia. Iza moa ireo olon’ny an-kavia ?
(10) Ireo voalohany dia izy ireo no ho voalohany.
(11) Izy ireny no akaiky indrindra an’I Allah
(12) Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana.
(13) Maro ireo voafidy amin’ny taranaka voalohany.
(14) Fa vitsy kosa amin’ireo taranaka farany.
(15) Eo ambon'ny farafara voaravaka.
(16) Mitehin-kiho izy ireo eo amin’izany, sady mifanatrika.
(17) Hivezivezy eo amin’izy ireo, ireo zaza lahy tanora mandrakizay.
(18) Miaraka amin’ireo kapoaka sy tavoara ary vera feno zava-pisotron-doharano.
(19) Izay tsy hamparary an-doha na hahafanina azy ireo .
(20) Ary voankazo araka izay safidin’izy ireo.
(21) Sy henam-borona izay ankafizin’izy ireo.
(22) Ary hahazo tovovavin’ny Paradisa baribarimaso, sady tsara izy ireo.
(23) Toy ireny vatosoa tsara tahiry.
(24) Ho valisoa amin’izay nataon’izy ireo.
(25) Tsy hare teniteny foana na teny ratsy izy ireo ao .
(26) Afa-tsy ny teny hoe : “ Fiadanana ! Fiadanana ! ” (Salam !Salam !).
(27) Ary ireo olon’ny an-kavanana. Iza moa ireo olon’ny an-kavanana ?
(28) Ho eo amin’ny hazona mokonazy tsy misy tsilo izy ireo.
(29) Ary ho eo amin’ireo fototr’akondro misy lafiny vaventy.
(30) Ao anaty aloka midadasika.
(31) Eo amin’ny rano mikoriana lalandava.
(32) Sy voankazo sesehena.
(33) Izay tsy misy fitsaharany na koa fandrarana.
(34) Eo ambon'ny farafara avo.
(35) Izahay no Nahary ireo tovovavin’ny Paradisa ho tonga lafatra.
(36) Ka nataonay ho virijiny izy ireo.
(37) Mahatehotia, mitovy taona avokoa.
(38) Ho an’ireo olon’ny an-kavanana.
(39) Maro no voafidy tamin’ireo taranaka voalohany.
(40) Ary maro ihany koa no voafidy tamin’ireo taranaka farany.
(41) Ary ireo olon’ny an-kavia. Iza moa ireo olon’ny an-kavia ?
(42) Ho ao afovoan’ny rivotra mamay sy rano mangotraka izy ireo.
(43) Eo amin’ny alokin'ny setroka mainty.
(44) Sady tsy mangatsiatsiaka no tsy malefaka.
(45) Niaina tao anatin’ny adalana izy ireo taloha.
(46) Ary nilomamo tao anatin’ny fahotana lehibe (izy ireo).
(47) Ka niteny hoe : “ Rehefa maty ka ho vovoka sy taolana izahay dia mbola ho hatsangana va ?"
(48) Na koa ireo razambenay taloha ?
(49) Dia lazao hoe : “ Marina fa ireo voalohany sy ireo farany"
(50) Dia havory avokoa amin’ny fotoan’ilay andro efa fantatra.
(51) Ary ianareo diso lalana, izay niampanga izany ho lainga.
(52) Dia tsy maintsy hihinana amin’ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe) ianareo.
(53) Ka hameno kibo amin’izany.
(54) Sady hisotro rano mangotraka(maimbo) ianareo ankoatr’izany.
(55) Hisotro amin’izany tahaka ny fisotroan’ny rameva mangetaheta ianareo.
(56) Izany no anjara haroso azy ireo amin’ny andro famaliana.
(57) Izahay no Nahary anareo. Koa nahoana àry no tsy hino ianareo ?
(58) Hitanareo va ny tsirin'aina avoakanareo.
(59) Ianareo va no nanamboatra azy, sa Izahay no Mpahary ?
(60) Efa noferanay ny fahafatesana eo aminareo ka tsy ho voasakana mihitsy izahay.
(61) Hanolo anareo amin’izay mitovy aminareo ary hamelona anareo indray amin’izay tsy fantatrareo.
(62) Nahafantatra ny famoronana voalohany ianareo. Ka moa tsy tsaroanareo va izany ?
(63) Mba hitanareo va ny asa-tany izay ataonareo ?
(64) Ianareo va no mamboly izany ? Sa Izahay no Mpamboly ?
(65) Raha tianay dia ho potehinay izany. Ary dia tsy hitsahatra ny fahagaganareo:
(66) Indro izahay fa vesaran-trosa !
(67) Fa izahay dia nisakanana sy noraraina.
(68) Hitanareo va ny rano izay sotroinareo ?
(69) Ianareo va no nampidina azy avy eny amin’ny rahona ? Sa Izahay no Mpampidina izany?
(70) Raha tianay dia nataonay masira izany. Koa nahoana àry ianareo no tsy mahay mankasitraka ?
(71) Mba hitanareo va ny afo izay arehitrareo ?
(72) Ianareo va no nahary ny hazo sa Izahay no Mpahary ?
(73) Nataonay ho fampahatsiarovana izany, sy ho fitaovana ilain’izay mila azy.
(74) Koa ankalazao àry ny Anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !
(75) Tsia ! Mianiana amin’ny alalan’ny toeran’ireo kintana eny amin’ny habakabaka Aho.
(76) Fa tena fianianana lehibe izany, raha mba fantatrareo mantsy.
(77) Ary tena Koroany mendrika.
(78) Ao anaty Boky voaaro tsara.
(79) Ka izay voadio ihany no mikasika azy .
(80) Fanambarana avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao.
(81) Moa izany lahateny izany va no lazainareo ho lainga ?
(82) Fomba hankasitrahanareo ny anjaram-pahasoavanareo ny filazanareo ny Koroany ho lainga ?
(83) Rehefa miakatra eo an-tenda ny aina.
(84) Ary mijery ianareo amin’izany fotoana izany.
(85) Dia izahay no akaiky azy kokoa noho ianareo, saingy tsy hitanareo mihitsy.
(86) Ahoana àry, raha mino ianareo fa tsy ho tsaraina.
(87) No tsy averinareo izy, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ?
(88) Fa raha isan’ireo manakaiky an’I Allah izy.
(89) Dia hahazo fialan-tsasatra, sy hanitra, ary zaridainam-pahasambarana.
(90) Ary raha isan’ireo olon’ny an-kavanana izy.
(91) (Dia hilaza hoe) : “ Fiadanana ho anao ! ”, avy amin’ireo olon’ny an-kavanana.
(92) Fa raha isan’ireo nilaza lainga kosa izy, sady very làlana.
(93) Dia hapetraka ao anaty rano mangotraka.
(94) Ka ho dioavina ao anatin'ny afo mamaivay.
(95) Izany no marina tena azo antoka tanteraka.
(96) Ka ankalazao àry ny anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !