70 - Al-Ma'aarij ()

|

(1) Nisy mpanontany iray nanontany ny famaizana hihatra.

(2) Amin’ireo tsy mpino, izay tsy azon’iza na iza ho toherina.

(3) Avy amin’I Allah, ilay Tompon’ny lalan’ny fiakarana.

(4) Miakatra any Aminy ireo Anjely sy ilay Fanahy, amin’ny andro iray izay mitovy faharetana amin’ny dimy alina taona.

(5) Koa manàna faharetana tsara.

(6) Lavitra no fahitan’izy ireo izany.

(7) Ary kanefa tena akaiky ny fahitanay azy.

(8) Andro izay hahatonga ny lanitra ho toy ny vy miempo.

(9) Ary ireo tendrombohitra ho toy ny volon'ondry voahety.

(10) Ary tsy hanontanian’ny namana mahatoky ny namany intsony.

(11) Na dia mifankahita aza izy ireo. Amin’io andro io dia te-hanakalo ny famaizana azy ireo amin’ny fanomezana ireo zanany ny mpanao ratsy.

(12) Ary ny vadiny, sy ny rahalahiny.

(13) Eny, fa na dia ireo mpiara-monina taminy nampiantrano azy aza.

(14) Sy izay rehetra eto an-tany izay afaka hanavotra azy.

(15) Saingy tsy hisy izany fa afo mamaivay.

(16) No hanala an-keriny ny hodi-doha.

(17) Antsoiny izay nanome lamosina sy nihataka.

(18) Ary nanangona sy nitahiry.

(19) Eny ! Nohariana tsy hahatombina ny olombelona.

(20) Kivy izy rehefa niharan’ny loza.

(21) Ary rehefa nahazo fahasoavana kosa dia fatra-pandà.

(22) Afa-tsy ireo manatanteraka ny vavaka fanompoana.

(23) Izay mandala mandrakariva izany (vavaka fanompoana).

(24) Ary manana adidy voafaritra tsara amin’ny fananany.

(25) Ho an’ny mpangataka sy ny tsy manana.

(26) Ary mino tanteraka ny andro famaliana.

(27) Sy izay matahotra fatratra ny famaizan’ny Tompon’izy ireo.

(28) Marina tokoa fa tsy misy manana fahatoniana manoloana ny famaizan'ny Tompony.

(29) Ary ireo izay mitandrina amin'ny fahadiovam-pitondran-tenany.

(30) ka tsy manao firaisana afa-tsy amin'ny vadiny, na amin'ny mpanompony, fa tsy azo omen-tsiny amin'izany izy ireo.

(31) Fa izay mitady fahafinaretana ankoatr'izany kosa dia izy ireo tokoa no mpandika lalàna.

(32) Ary izay mitandrina ny fananana nankinina taminy sy manaja tanteraka ny fifanekena .

(33) Ary mijoro ho vavolombelona amin'ny fahamarinana.

(34) Sy izay mandala ny vavaka fanompoana ataony.

(35) Dia izy ireo no homem-boninahitra ao amin'ireo zaridaina.

(36) Inona ary no mahazo ireo tsy mpino no mihazakazaka manantona anao, manalava tenda ?

(37) Tonga ny andiany avy an-kavanana sy an-kavia .

(38) Moa samy mitsiriritra ny ho ampidirina ao amin'ny zaridainan'ny fahasambarana va izy ireo ?

(39) Tsia ! Noharianay avy tamin'izay efa fantany izy ireo.

(40) Tsia !Mianiana amin'ny Tompon'ireo fiposahana sy ny filentehana Aho, fa Izahay dia manana fahefana.

(41) Hanolo azy ireo amin'ny tsaratsara kokoa, ary tsy misy afaka hisakana anay amin'izany.

(42) Avelao ary izy ireo ho tafalatsaka lalina amin'ny tsy finoany sy ho variana mandra-pifanenany amin'ilay andro nampitandremana azy ireo.

(43) Andro izay hivoahan'izy ireo haingana ao am-pasana tahaky ny hihazakazaka ho eny amin'ny vatolahy.

(44) Ka hiondrika ny mason'izy ireo, hanarona azy ny fahafaham-baraka. Izany ilay andro nampitandremana azy ireo !