74 - Al-Muddaththir ()

|

(1) Fa ianao ilay manao ankajo lava !

(2) Mitsangana ianao ary mampitandrema.

(3) Ary ankalazao ny halehiben'ny Tomponao.

(4) Ary diovy ireo fitafinao.

(5) Ary halaviro ny fahotana rehetra.

(6) Ary aoka ianao tsy hampatsiahy ny soa vitanao mba hahazoanao misimisy kokoa.

(7) Ary mahareta ianao ho an'ny Tomponao.

(8) Ka rehefa ho tsofina ny anjomara.

(9) Dia ho sarotra tokoa io andro io amin'izany fotoana izany.

(10) Tsy ho mora ho an'ireo tsy mpino izany.

(11) Avelao irery Aho hiaraka amin'izay Nohariako.

(12) Ary nomeko fananana maro.

(13) Sy zanaka maro hiaraka aminy hatrany.

(14) Ary izay nomaniko tamin'ny fanomanana feno.

(15) Kanefa dia mbola maniry homeko maro kokoa noho izany izy.

(16) Tsia ! Satria mandà mafy ireo andininy avy Aminay izy.

(17) Ho tereko hiaka-piakarana izy.

(18) Nieritreritra izy ary nanapa-kevitra.

(19) Aoka ho faty izy ! Araka izay fanapahan-keviny !

(20) Eny ! Aoka ho faty izy ! Araka izay fanapaha-keviny !

(21) Avy eo dia nijery izy !

(22) Nikentrona izy no sady nanjombona ny endriny.

(23) Ary nanome lamosina izy no sady nanambon'ny tena.

(24) ka hoy izy : "Majika nolovaina ity"

(25) Tena marina fa ity dia tenin'olombelona ihany .

(26) Hodorako ao anaty afo mahamay izy.

(27) Fa iza no hilaza aminao ny atao hoe saqar ?

(28) Tsy mamela na inona na inona izy ary tsy mitsitsy .

(29) Fa hanamainty ny hoditra.

(30) Sivy ambin'ny folo izy ireo.

(31) Ary Anjely ihany no nataonay mpiambina ny afo. Hisedranay ireo tsy mpino no antony namerenanay ny isany, sady hampiaiky ireo nomena ny boky, sy hampitombo ny finoan'ireo efa nino, ary tsy hampisalasala ireo izay nomena ny boky sy ireo mpino ; ka hitenenan'ireo misy aretina ao am-pony, sy ireo tsy mpino hoe : "Inona ary no tian'I Allah ho lazaina amin'izany fanoharana izany ?" Toy izany no amerezan'I Allah lalana izay tiany ho very, sy itariany lalana izay tiany ho tarihina. Tsy misy mahafantatra ny tafiky ny Tomponao afa-tsy Izy irery. Fa fampahatsiarovana ho an'ny olombelona ihany izany.

(32) Tsia !Ary mianiana amin'ny volana Aho !

(33) Sy amin'ny alina rehefa ho lasa !

(34) Ary amin'ny mangiran-dratsy rehefa vao miposaka.

(35) Fa isan'ny iray amin'ny loza lehibe indrindra izany afo izany.

(36) Ho fampitandremana ny olombelona.

(37) Ho an'izay te-handroso na te-hihemotra aminareo.

(38) Takalon'aina ho an'izay nataony ny fanahy tsirairay.

(39) Afa-tsy ireo olon'ny ankavanana.

(40) Izay ao amin'ny zaridaina ka hifampanontany.

(41) Mikasika ireo mpanao ratsy .

(42) Iza no nandefa anareo ao amin'ny saqar ?

(43) Hiteny izy ireo hoe : "Tsy isan'ireo nanatanteraka vavaka fanompoana izahay"

(44) Sady tsy nanome sakafo ireo mahantra.

(45) Ary niaraka tamin'ireo nanao resaka tsy misy antony izahay.

(46) Ary nolazanay ho lainga ny andro famaliana.

(47) Hatramin'ny fahatongavan'ny tena fahamarinana taminay .

(48) Tsy hahazoan'izy ireo tombotsoa intsony ny fanelanelanana hataon'ireo mpanelanelana.

(49) Inona àry no nahatonga azy ireo tsy niraharaha ny fampahatsiarovana ?

(50) Toy ny apondra-dia matahotra izy ireo.

(51) Mandositra eo anatrehan'ny liona.

(52) Satrin'ny olona tsirairay amin'izy ireo ny hitondrana ireo taratasy efa mivelatra.

(53) Tsia ! Satria tsy matahotra ny any ankoatra izy ireo.

(54) Tsia ! Tena fampatsiarovana tokoa ity.

(55) ka izay maniry izany dia hahatsiaro.

(56) Ary saingy tsy hahatsiaro izany izy ireo, raha tsy sitrak'I Allah. Izy no mendrika indrindra hatahorana, ary Izy no Tompon'ny famelan-keloka.