(1) Tsia!Mianiana amin'ity tanana ity Aho.
(2) sy ianao io izay monina amin'ity tanĂ na ity !
(3) Ary amin'ny ray sy ny naterany !
(4) Efa nohariako ho amin'ny tolona ny olombelona.
(5) Koa moa va izy ireo mihevitra fa tsy hisy hanohitra azy ireo na oviana na oviana ?
(6) Ary hiteny hoe : "nandanindany harena maro aho ! Nandany tsy amin'ny antony."
(7) Moa ve mihevitra koa izy fa tsy misy manara-maso ?
(8) Moa va tsy nohariako ho azy ireo ny masony roa ?
(9) Ny lelany sy ny molony roa ?
(10) Ary efa nampahafantariko azy ireo ny lalana roa.
(11) kanefa tsy niady tamin'ny lalan'ny fahasarotana izy.
(12) Moa va fantatrao izany lalan'ny fahasarotana izany ?
(13) Dia ny famotsorana mpifatotra nandevozina,
(14) Na fampihinanana amin'ny andron'ny mosary.
(15) ny havana kamboty
(16) na ny mahantra mitrongy vao homana,
(17) Ary dia mba ho anisan'ireo mpino sy mpampirisika amin'ny faharetana sy ny fifampiantrana,
(18) Izy ireo no olon'ny ankavanana.
(19) Ary ireo izay tsy nino ny faminaniako kosa dia izy ireo no olon'ny afo be ankavia,
(20) Ka hanepotra azy ireo ny afo.